Andininy
Protestanta Malagasy
5
Ary raha nandry natory teo ambanin'ny anjavidy* anankiray izy, indro, nisy anjely nanohina azy ka nanao taminy hoe. Miarena, ka homàna. [Heb. rotema; zava-maniry mifanahatahaka amin'ny kifafam-bohitra]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C9EAE8EC-7032-49A4-85CD-42C8B0E2353F
6
Dia nijery izy, ka, indro, teo anilan'ny lohany nisy mofo voaendy tamin'ny vato mahamay sy rano iray tavoara; ary nihinana sy nisotro izy, dia nandry indray.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|156597C7-E6B8-4A74-93D6-E5A38B5F5DA2
7
Ary avy fanindroany indray Ilay Anjelin'i Jehovah, dia nanohina azy ka nanao hoe: Mitohaza, ka homàna, fa lavitra loatra ny halehanao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|695EA4A5-F3F9-43CD-9552-49575F2CFB9D
8
Dia nifoha izy ka nihinana sy nisotro; ary nandeha tamin'ny tanjaka azony tamin'izany hanina izany efa-polo andro efa-polo alina izy ho any Horeba, tendrombohitr'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D1CFF340-6596-4391-9C9E-AAA2ABBC0294
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany