Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary rehefa antomotra ny andro hahafatesan'i Davida, dia nandidy an'i Solomona zananilahy izy hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EDC37BBC-4955-42EF-B7E7-0D82BB94AC14
2
Izaho efa handeha amin'ny lalan-kalehan'ny tany rehetra; koa mahereza ianao, ary misehoa ho lehilahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|75CEC82B-6A1E-4ECE-B3C0-A6E00F9A69E4
3
Ary tandremo izay asain'i Jehovah Andriamanitrao hotandremana handehananao amin'ny lalany hitandremanao ny lalàny sy ny didiny sy ny fitsipiny ary ny teni-vavolombelony, araka ny voasoratra ao amin'ny lalan'i Mosesy, mba hataonao lavorary avokoa izay rehetra hataonao sy izay rehetra halehanao,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|95BD600D-7C15-44E1-B601-1305C246A142
4
mba hanatanterahan'i Jehovah ny teny izay nilazany ahy hoe: Raha ny taranakao hitandrina ny alehany ka handeha eo anatrehako amin'ny fahamarinana amin'ny fony rehetra sy amin'ny fanahiny rehetra (hoy Izy), dia tsy ho diso zanakalahy ho eo amin'ny seza fiandrianan'ny Isiraely ianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|95BD4E64-354C-4B1E-9833-12E941514C1E
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany