Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary Solomona nanjaka tamin'ny fanjakana rehetra hatramin'ny Ony* sy ny tanin'ny Filistina ka hatramin'ny sisin'i Egypta; nandoa hetra ireo sady nanompo an'i Solomona tamin'ny andro rehetra niainany.[Eofrata]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B7CFD15B-1D80-4EE2-9546-73AAEEDEB8E3
2
Ary ny fihinan'i Solomona isanandro dia koba tsara toto telo-polo kora sy koba hafa enim-polo kora,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|14DED0A2-2FEC-479B-A765-4828373D66C8
3
sy omby mifahy folo sy omby an-tondraka roa-polo ary ondry aman'osy zato, afa-tsy ny diera koa sy ny gazela sy ny kapreola ary ny vorona mifahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|12793B7D-0892-4F19-805A-AADA707FA87F
4
Fa nanapaka ny tany rehetra aty* an-dafin'ny Ony** hatrany Tifsa ka hatrany Gaza izy, dia tamin'ny mpanjaka rehetra ety* an-dafin'ny Ony; ary izy dia tsara fihavanana tamin'ireny rehetra manodidina nanoa azy ireny.[*Na: any][**Eofrata]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B2CCD573-E754-4029-90FB-4573FBACFF49
5
Ary ny Joda sy ny Isiraely nandry fahizay tamin'ny andron'i Solomona rehetra, samy teny ambanin'ny voalobony sy ny aviaviny ny olona hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|58366E5F-27A2-4475-B23F-D4C83FE2ECBA
6
Ary Solomona nanana efi-trano efatra alina, fitoeran'ny soavaly mpitarika kalesy, ary soavaly fitaingina roa arivo amby iray alina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3E11D1DA-36F7-4CA1-B47B-1E6A8FC30B4D
7
Ary ireo olona voatendry ireo dia niadidy ny zavatra rehetra nilain'i Solomona mpanjaka sy izay rehetra nentina teo amin'ny : latabatr'i Solomona mpanjaka; izy rehetra samy niadidy ny amin'ny iray volany avy, ka tsy navelany ho nisy tsy ampy na inona na inona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|02D760A1-CDE9-4812-AB57-C17C19DD24E1
8
Ny vary hordea koa sy ny mololo ho an'ny soavaly sy ny soavaly haingampandeha dia nentiny ho ao amin'ny fitoerana izay tokony hitondrana azy, dia samy araka ny anjarany avy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|975E97FC-4995-441B-B288-724E88F5F5FE
9
Ary Andriamanitra nanome an'i Solomona fahendrena sy fahiratan-tsaina be indrindra ary fahalalana betsaka tahaka ny fasika amoron-dranomasina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|666288BA-018F-43A6-9FB7-6AFCF9BAC1FB
10
Ary ny fahendren'i Solomona nihoatra noho ny fahendren'ny zanaky ny atsinanana rehetra sy ny fahendren'ny Egyptiana rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B5B6B1C7-14AB-4931-8BA4-578A40CEEE9F
11
Fa hendry noho ny olona rehetra izy; eny, hendry mihoatra noho Etana Ezrahita sy Hemana sy Kalkola sy Darda, zanak'i Mahola, aza izy ary ny lazany efa niely tamin'ny firenena rehetra manodidina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|027F15BE-DE73-4572-9662-D38D6F7A736B
12
Nanao ohabolana telo arivo izy, sady nanao tonon-kira dimy amby arivo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2EEA3F05-09D2-4BFA-A984-0C5F826758BB
13
Ary nilaza ny amin'ny hazo hatramin'ny hazo sedera any Libanona ka hatramin'ny hysopa izay maniry eny amin'ny ampiantany izy, sady nilaza ny amin'ny biby sy ny vorona sy ny biby mandady sy mikisaka ary ny hazandrano koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C43A49CE-946F-4570-93B0-4003C0D76ABB
14
Ary dia nisy tonga avy tany amin'ny firenena rehetra mba hihaino ny fahendren'i Solomona, dia avy amin'ny mpanjakan'ny tany rehetra izay efa nahare ny amin'ny fahendreny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1FEBF0AC-901D-4A6E-9882-EA4735AE3FB1
15
Ary Hirama, mpanjakan'i Tyro, naniraka ny mpanompony ho any amin'i Solomona, satria reny fa izy no voahosotra ho mpanjaka handimby an-drainy; fa Hirama dia sakaizan'i Davida hatrizay ela izay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|32449240-9341-4B93-83AD-E51A63E6E937
16
Ary Solomona naniraka tany amin'i Hirama hanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C8B2CAB2-1FD8-47FE-8C7D-AFB8204452DD
17
Fantatrao fa Davida raiko tsy nahavita trano ho an'ny anaran'i Jehovah Andriamaniny noho ny ady nanodidina azy, ambara-panaon'i Jehovah ireo ho eo ambanin'ny faladiany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0BF120C6-1C76-4419-9EEF-A743A4B6D163
18
Fa ankehitriny Jehovah Andriamanitro efa nanome ahy fitsaharana amin'ny manodidina, ka tsy misy fahavalo na loza manjo intsony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CB0BE679-6A81-4895-A2B1-425E72BBAD5B
19
Ary, indro, izaho mikasa hanao trano ho an'ny anaran'i Jehovah Andriamanitro, araka ilay nolazain'i Jehovah tamin'i Davida raiko hoe: Ny zanakao izay hapetrako eo amin'ny seza fiandriananao handimby anao, izy no hanao trano ho an'ny anarako.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F1761123-63F2-40B4-B421-ABAB2F2C3C15
20
Roa dia mba asaovy misy mikapa hazo sedera any Libanona ho ahy; ary ny vahoakako hiarata amin'ny vahoakanao, ka ny karaman'ny vahoakanao dia homeko anao araka izay hotononinao; fa fantatrao fa tsy mba misy olona aty aminay mahay mikapa hazo tahaka ny Sidoniana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A21ABD2F-120D-4FEA-99ED-F619807A02C8
21
Ary rehefa ren'i Hirama ny tenin'i Solomona, dia faly indrindra izy ka nanao hoe: Ankehitriny izao dia isaorana anie Jehovah, Izay nanome zanakalahy hendry ho Davida hanapaka izao olona betsaka izao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|57425013-4187-4CCC-ABEC-5ACC39FEAFE9
22
Ary Hirama naniraka tany amin'i Solomona hanao hoe: Efa reko ny nanirahanao taty amiko; koa izaho dia hanao izay rehetra irinao ny amin'ny hazo sedera sy ny hazo kypreso.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|971F4D57-A674-4A21-B6E8-3A371863AB95
23
Ny vahoakako hitondra azy midina avy any Libanona ho any amin'ny ranomasina, ary hofeheziko ka hampandehaniko mitsinkafona amin'ny rano ho any amin'izay hotononinao, ary any vao hoberahiko izy, ka dia ianao kosa no hampaka azy; ary ianao dia hanao izay iriko amin'ny fanomezan-kanina ho an'ny ankohonako.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7DA47F85-7064-43D6-8EAD-8E9E512B2ED1
24
Ary Hirama dia nanome hazo sedera sy hazo kypreso ho an'i Solomona araka izay rehetra nilainy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|48D81A94-0CB2-4C54-A11A-FB3C00BE0C16
25
Ary Solomona kosa nanome an'i Hirama vary tritika roa alina kora ho an'ny ankohonany ary diloilo roa-polo kora avy amin'ny oliva voatoto; izany no nomen'i Solomona an'i Hirama isan-taona isan-taona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4069C48E-48B7-4AD7-8EE8-BEE7CFA1A9C1
26
Ary Jehovah nanome fahendrena an'i Solomona, araka izay nolazainy taminy; ary nihavana Hirama sy Solomona, ka nanao fanekena izy roa lahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|18609CA0-8982-46EB-AADB-FDC0F8E60BA6
27
Ary Solomona mpanjaka naka olona tamin'ny Isiraely rehetra hanao fanompoana, ka olona telo alina no nalainy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3A0DC25D-801C-48B9-9526-8DF8050BC4B7
28
Ary nirahiny nankany Libanona ireny, dia iray alina no indray milatsaka isam-bolana; iray volana izy no tany Libanona, ary roa volana kosa mba tany an-tranony; ary Adonirama no nifehy azy rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|69545D02-FAB1-44A8-8935-E658F7C06F95
29
Ary Solomona nanana mpitondra entana fito alina sy tambato* valo alina teny an-tendrombohitra, [Na: mpikapa hazo]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DA011926-7A3D-4B6E-9F13-92382582552C
30
afa-tsy ny lehiben'ireo olona voatendrin'i Solomona ireo, izay nitandrina ny raharaha, dia telonjato amby telo arivo lahy izay nifehy ny mpiasa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6B6D447E-ECA4-4BCD-A610-2A499BCD5780
31
Ary ny mpanjaka dia nandidy hanamboatra vato vaventy tsara sady voapaika hatao fanorenan'ny trano.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|519B2591-04EF-44DF-A7FB-393D75FE5B15
32
Ary ny mpiasan'i Solomona sy Hirama (indrindra fa ny avy any Gebala) no nipaika sy nanamboatra ny hazo sy ny vato hatao trano.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|65BB80F8-3246-4274-B937-1855A72AB55B
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany