Andininy
Protestanta Malagasy
1
Tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Joasy, zanak'i Joahaza, mpanjakan'ny Isiraely, no vao nanjakan'i Amazia, zanak'i Joasy, mpanjakan'ny Joda.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|94D742DC-D80A-414D-834C-72D7D7B4FD3A
2
Dimy amby roa-polo taona izy, fony vao nanjaka, ary sivy amby roa-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Joadana, avy any Jerosalema.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4625A2B3-E33F-437F-B228-4B8594FD7620
3
Ary nanao izay mahitsy eo imason'i Jehovah izy, nefa tsy dia tahaka an'i Davida rainy; fa tahaka izay rehetra nataon'i Joasy rainy ihany no nataony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1D496051-76C8-4C82-9FCC-0A55EB784169
4
Kanefa ny fitoerana avo tsy mba noravana; fa mbola namono zavatra hatao fanatitra sady nandoro ditin-kazo manitra teny amin'ny fitoerana avo ihany ny olona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0A47D97B-663C-42E7-86C1-21EF8A64E6EA
5
Ary nony tafapetraka tsara teo an-tànany ny fanjakany, dia novonoiny ireo mpanompony izay namono ny mpanjaka rainy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|70041A59-2D09-4A14-BEE1-C9C8E5B9713E
6
Fa ny zanak'ireo namono kosa dia tsy mba novonoiny, fa nataony araka izay voasoratra ao amin'ny bokin'ny lalàn'i Mosesy, izay nandidian'i Jehovah hoe : Ny ray tsy hatao maty amin'ny ataon'ny zanany, ary ny zanaka tsy hatao maty amin'ny ataon'ny rainy; fa samy hatao maty amin'ny fahotany avy ny olona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5AEA1767-BFC0-4616-A05C-A2783A039993
7
Izy no nahafaty ny Edomita iray alina tao amin'ny Lohasahan-tsira sady nahafaka an'i Sela tamin'ny ady ary nanao azy hoe Joktela, izay mbola anarany mandraka androany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CC98AC27-5B29-4B94-9637-91F8D6492B69
8
Tamin'izany Amazia dia naniraka olona tany amin'i Joasy, zanak'i Joahaza, zanak'i Jeho, mpanjakan'ny Isiraely, nanao hoe : Avia, aoka isika hihaona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8AFC2C5A-08F8-4BF7-9C1E-133B8A2DAFF4
9
Fa Joasy mpanjakan'ny Isiraely, naniraka tany amin'i Amazia, mpanjakan'ny Joda, nanao hoe : Ny tsilo izay tany Libanona naniraka tamin'ny hazo sedera izay tany Libanona nanao hoe : Omeo ny zanako-lahy ny zanakao-vavy ho vadiny ary dia namaky teo ny bibi-dia tany Libanona ka nanosihosy ny tsilo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C493BCD9-6FB9-4A6C-9A7D-453D8EBEE66E
10
Efa namely an'Edoma tokoa hianao, ka dia nirehareha ny fonao; aoka hahafa-po anao ary izany voninahitra izany, ka mitoera ao an-tranonao ihany; fa nahoana no hihaika ny loza hahalavo ny tenanao mbamin'ny Joda koa hianao ?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FA3AA235-DE9C-4386-B4DC-9BF14CF3EAB7
11
Fa tsy nanaiky Amazia. Koa dia niakatra Joasy, mpanjakan'ny Isiraely; ary izy sy Amazia, mpanjakan'ny Joda, nihaona tany Beti-semesy izay any Joda.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DE048D28-C706-49E5-86F3-697C14EF2479
12
Dia resy teo anoloan'ny Isiraely ny Joda, ka samy nandositra ho any amin'ny lainy avy izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BB9677A4-D03D-476D-8B13-0C294780CF56
13
Ary Amazia, mpanjakan'ny Joda, zanak'i Joasy, zanak'i Ahazia, nosamborin'i Joasy, mpanjakan'ny Isiraely, tany Beti-semesy; ary dia nankany Jerosalema Joasy, ka nandravany efa-jato hakiho ny màndany hatramin'ny vavahadin'i Efraima ka hatramin'ny vavahady an-jorony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|86A0FF7E-9EF4-4533-B89A-81B10920B740
14
Ary nalainy avokoa ny volamena sy ny volafotsy rehetra ary ny fanaka rehetra izay hita tao an-tranon'i Jehovah sy tamin'ny rakitry ny tranon'ny mpanjaka mbamin'ny olona natao antoka, ka dia niverina ho any Samaria izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|210DC85E-0337-446B-A841-B65A00FB8FE1
15
Ary ny tantaran'i Joasy sisa mbamin'ny heriny sy ny niadiany tamin'i Amazia, mpanjakan'ny Joda, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely va izany ?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2CC9D27F-70E7-4910-AA56-679BBDA9FED1
16
Ary Joasy lasa nodimandry any amin'ny razany, dia nalevina tany Samaria tao amin'ny mpanjakan'ny Isiraely izy; ary Jeroboama zanany no nanjaka nandimby azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D81D770C-C24F-40B6-AD93-4FBFB7683F31
17
Ary ny andro niainan'i Amazia, zanak'i Joasy, mpanjakan'ny Joda, taorian'ny nahafatesan'i Joasy, zanak'i Joahada, mpanjakan'ny Isiraely, dia dimy ambin'ny folo taona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FF667D5E-1205-4F39-B94C-483447F87013
18
Ary ny tantaran'i Amazia sisa, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Joda va izany ?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F9D81069-8C2D-455E-8BFB-A64CE1BCB1A5
19
Ary ny olona niodina taminy tany Jerosalema, dia nandositra nankany Lakisy izy; fa ny olona nampanaraka namono azy tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2C41AFF4-556A-4750-BDA3-583368B8A7AB
20
Ary nasampiny tamin'ny soavaly ny fatiny, dia nalevina tany Jerosalema tao amin'ny razany tao an-Tanànan'i Davida izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|88511A40-9501-4B4F-9BAF-5FA04A7F6742
21
Ary ny vahoaka rehetra tamin'ny Joda naka an'i Azaria, izay vao enina ambin'ny folo taona tamin'izay, ka nampanjaka azy handimby an'i Amazia rainy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AC81D576-C267-487A-B932-63392EBCFA6B
22
Izy no nanamboatra an'i Elota ka nampody azy ho an'ny Joda, rehefa lasa nodi-mandry any amin'ny razany ny mpanjaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A4525A8D-141B-47F6-854C-4339D489BF5F
23
Tamin'ny taona fahadimy ambin'ny folo nanjakan'i Amazia, zanak'i Joasy, mpanjakan'ny Joda, no vao nanjakan'i Jeroboama, zanak'i Joasy, mpanjakan'ny Isiraely, tany Samaria, ary nanjaka iraika amby efa-polo taona izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A13AE653-58F3-4E54-98BC-9BFC655463B4
24
Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah izy, fa tsy niala tamin'ny fahotana rehetra izay nataon'i Jeroboama, zanak'i Nebata, sady nampanotany ny Isiraely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5849C720-479A-4812-B25E-56B90936D94B
25
Izy no nampody ny sisin-tanin'ny Isiraely ka azony hatrany akaikin'i Hamata ka hatramin'ny ranomasin'ny tani-hay,[Heb. Arabà.] araka ny tenin'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, izay nampilazainy ny mpanompony, dia Jona, zanak'i Amitahy, mpaminany tany Gata-hefera.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|26032B90-5E93-46CF-B8BF-2AA800DAE8BD
26
Fa efa hitan'i Jehovah fa nangidy indrindra ny fahorian'ny Isiraely; ary tsy nisy sisa, na ny voahazona na ny afaka, sady tsy nisy namonjy ny Isiraely akory.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AC9E4BF0-375D-4DB4-B0AD-DC63BEC9CE27
27
Fa tsy mba nolazain'i Jehovah fa hovonoiny tsy ho eo ambanin'ny lanitra ny anaran'ny Isiraely; fa ny tànan'i Jeroboama, zanak'i Joasy, no nentiny namonjy azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|427279A9-EEC5-4DA3-B32E-37FDEF96B433
28
Ary ny tantaran'i Jeroboama sisa mbamin'izay nataony sy ny hery izay niadiany ary ny nampodiany an'i Damaskosy sy Hamata, izay an'ny Joda fahiny, ho an'ny Isiraely, tsy efa voasoratra ao amin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely va izany ?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CF9C5E0B-2A94-4E19-A4D4-1581688D950C
29
Ary Jeroboama lasa nodi-mandry any amin'ny razany, dia tao amin'ny mpanjakan'ny Isiraely; ary Zakaria zanany no nanjaka mandimby azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E72E0592-95A7-44F2-A29D-9426E226C988
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany