Andininy
Protestanta Malagasy
7
Ary Ahaza naniraka olona ho any amin'i Tiglato-pilesera, mpanjakan'i Asyria, hanao hoe : Mpanomponao sy zanakao aho; miakara, ka vonjeo aho tsy ho azon'ny mpanjakan'i Syria sy ny mpanjakan'ny Isiraely, izay efa mitsangana hiady amiko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C935FB46-744F-48DD-A01A-845429E39C67
8
Ary nalain'i Ahaza ny volafotsy sy ny volamena izay hita tao an-tranon'i Jehovah sy tao amin'ny rakitry ny tranon'ny mpanjaka, dia nampanateriny ho fanomezana ho an'ny mpanjakan'i Asyria.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|31385212-907D-4C03-B38D-BE215696182B
9
Dia nanaiky ny teniny ny mpanjakan'i Asyria ka niakatra hamely an'i Damaskosy ary nahafaka azy; dia nentiny ho any Kira ny olona nobaboiny; fa Rezina kosa novonoiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|21E9985D-1D03-403A-85A3-BA43A523191F
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany