Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary raha nandre izany Hezekia mpanjaka, dia nandriatra ny fitafiany izy sady nitafy lamba fisaonana ka lasa niditra tao an-tranon'i Jehovah,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|98D4B070-6403-492B-AFC1-2EC3A3D71B75
2
ary izy naniraka an'i Eliakima, lehiben'ny tao an-dapa, sy Sebna mpanoratra ary ny lohan'ny mpisorona samy nitafy lamba fisaonana hankany amin'Isaia mpaminany, zanak'i Amoza,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B4840874-A0DB-47C3-8F1D-2A465AF7A823
3
ary hoy ireo taminy : Izao no lazain'i Hezekia : Andro fahoriana sy famaizana ary fanalam-baraka ity andro ity; fa mby ao am-piterahana ny zaza, nefa tsy misy hery hiterahana azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8762AB16-1A17-4C32-B9BB-DF6F2D62AC09
4
Angamba ho ren'i Jehovah Andriamanitrao ny teny rehetra nataon-dRabsake, izay nirahin'ny mpanjakan'i Asyria tompony hihaika an'Andriamanitra velona, ka mba hovaliany izy noho ny teniny izay efa ren'i Jehovah Andriamanitrao; koa aingao ny fivavakao hamonjy izay mbola sisa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|78DEF1C2-4645-4FDC-8AF1-1B596F205F96
5
Dia nankany amin'Isaia ny mpanompon'i Hezekia mpanjaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D8FC9C8D-ED60-4266-A402-47FC0D61AAB8
6
Ary hoy Isaia taminy : Ambarao amin'ny tomponareo hoe : Izao no lazain'i Jehovah : Aza matahotra ny teny efa renao, dia izay nanompan'iretsy ankizilahin'ny mpanjakan'i Asyria iretsy Ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EAD03572-282D-4C56-9DCD-7B6A47C7C0C4
7
Fa, indro, Izaho efa hanisy fanahy ao anatiny, ary hahare siosio izy ka hiverina ho any amin'ny taniny; dia hataoko lavon-tsabatra any an-taniny izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5538E5B9-363B-4298-A076-1C1CA965DED1
8
Dia niverina Rabsake ka nankany Libna, izay nataon'ny mpanjakan'i Asyria fahirano tamin'izay, satria efa reny fa efa niala tany Lakisy ny mpanjaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F47407D0-3203-49AD-AEEF-39218A403286
9
Ary nony ren'i Sankeriba ny amin'i Tiraka, mpanjakan'i Etiopia, nanao hoe : Indro, avy hiady aminao izy, dia naniraka olona indray ho any amin'i Hezekia izy nanao hoe :
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6BD2688E-ABB6-476F-BAA3-801FF8AE66E1
10
Izao no holazainareo amin'i Hezekia, mpanjakan'ny Joda : Aza mety hofitahin'ny Andriamanitrao Izay itokianao hianao hoe : Jerosalema tsy hatolotra eo an-tànan'ny mpanjakan'i Asyria.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|819FB9C6-19F6-44FB-9F6D-1567A61893CD
11
Indro, hianao efa nandre izay nataon'ireo mpanjakan'i Asyria tamin'ny tany rehetra, dia ny nandravany[heb. nanaovany herema.] azy; ka hianao kosa va no ho voavonjy ?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|14374A99-8EEA-4A7D-ABDF-AA4120262D2B
12
Moa nahavonjy azy va ireo andriamanitry ny firenena noravan'ny razako, dia Gozana sy Harana sy Razefa ary ny taranak'i Edena, izay tao Telasara ?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DAB37B8A-C6A3-4C4D-99FE-350456868734
13
Aiza ny mpanjakan'i Hamata sy ny mpanjakan'i Arpada ary ny mpanjakan'ny tanàna Sefarvaima sy Hena ary Iva?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|62DFF305-B039-48E2-AAA5-3B45A836E09B
14
Dia noraisin'i Hezekia tamin'ny tànan'ny iraka ny taratasy ka novakiny, dia niakatra nankao an-tranon'i Jehovah izy ka namelatra iny teo anatrehan'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|963F0758-318A-4EEA-8998-93AFD2D3F079
15
Ary Hezekia nivavaka teo anatrehan'i Jehovah nanao hoe : Ry Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ô, Izay mipetraka amin'ny kerobima, Hianao dia Hianao irery ihany no Andriamanitry ny fanjakana rehetra ambonin'ny tany, fa Hianao no nanao ny lanitra sy ny tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D84F7B99-3A7B-4E4B-BDA7-CE2D4E2286B3
16
Atongilano ny sofinao, Jehovah ô, ka mihainoa; ahirato ny masonao, Jehovah ô, ka mijere, ary mandrenesa ny tenin'i Sankeriba, izay nampitondrainy hihaika an'Andriamanitra velona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|55DD69E3-FB59-408D-88C7-CFC7F3D869FE
17
Jehovah ô, marina ihany tokoa fa ireo mpanjakan'i Asyria dia efa nandrava ny jentilisa sy ny taniny
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E997BFE6-8EBB-4C32-A2F5-6D6D85E8044A
18
ary efa nanary ny andriamaniny tao anaty afo, satria tsy Andriamanitra ireny, fa asan'ny tànan'olona ihany, dia hazo sy vato; ka dia azony nosimbana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DF64CD88-E080-45D9-B1BA-408851FC3F6B
19
Koa ankehitriny, Jehovah Andriamanitray ô, mitaraina aminao aho, vonjeo izahay amin'ny tànany, mba hahafantaran'ny fanjakana rehetra ambonin'ny tany fa Hianao dia Hianao irery ihany, Jehovah ô, no Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FE368B8A-F5AF-4EDF-BEF5-3A9525A6EEA1
20
Ary Isaia, zanak'i Amoza, dia naniraka hankany amin'i Hezekia, nanao hoe : Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely : Ilay fitarainana nataonao tamiko ny amin'i Sankeriba, mpanjakan'i Asyria, dia efa nohenoiko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2390ED66-E7BA-49F5-907F-02A38C196102
21
Koa izao no teny nolazain'i Jehovah ny amin'i Sankeriba : Manao tsinontsinona sy mandatsalatsa anao Ziona, zanakavavy virijina : Mihifikifi-doha mahita anao mandositra Jerosalema zanakavavy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BC4C13C6-BDB2-431A-A83B-D04E6D6BB7F0
22
Fa iza no nohaikainao sy nompanao ? Ary hanohitra an'iza no nanandratanao ny feonao, Sy nampiandrandranao ny masonao any ambony ? Hanohitra ny Iray Masin'ny Isiraely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D3F199CF-115A-4220-9160-1FD37753F2DC
23
Ny irakao no nihaikanao ny Tompo hoe : Tamin'ny kalesiko maro no niakarako Tany an-tampon'ny tendrombohitra, Tao afovoan'i Libanona, Ary hokapaiko ny sedera avo sy ny kypreso voafantina; Dia hiditra any amin'ny faran'ny azo iakarana ao aho Sy any amin'ny alany midokadoka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D3D4EE77-1C76-4966-998A-29A0C3439EF2
24
Izaho no nihady ka nisotro rano vao niseho,[Na: ranon'ny firenena hafa.] Ary ny faladiako no handritako ny ony mbamin'ny lahindrano rehetra any Egypta.[Heb. Mazora.]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|10DEB73C-2169-43A5-89E2-A2FF5CCF517D
25
Tsy mbola renao va, hoy Jehovah, fa hatry ny fony ela no nanomanako izany, Ary hatramin'ny andro taloha no nikasako izany ? Ankehitriny dia efa nahatanteraka izany Aho, Ka dia nandrava tanàna mimànda ho tonga korontam-bato hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CB6213CD-937A-4D61-8F4C-983AF15FF329
26
Ary efa tsy nahatohitra ny mponina any, Sady raiki-tahotra no mangaihay izy; Efa tahaka ny ahitra any an-tsaha izy ary tahaka ny ahi-maitso Sy ny ahitra eo amin'ny tampon-trano, Ary tahaka ny vary maty raha vao mitsiry.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DE2C2AA1-859E-4EEC-BC7B-6EC9D9FE0A72
27
Fa samy fantatro avokoa ny ipetrahanao sy ny ivoahanao sy ny idiranao Ary ny fahatezeranao amiko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|55B08C26-4D8E-4326-B422-C53368BBBC4E
28
Satria efa tezitra amiko hianao, Ary efa tonga ato an-tsofiko ny fireharehanao, Dia hasiako ny masom-biko ny oronao, Ary hasiako ny lamboridiko ny vavanao, Ary hampivereniko amin'ny làlana izay nihavianao hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0D9C8D65-299F-4D51-AC7B-6EDB0AA0ABA4
29
Ary izao no ho famantarana ho anao kosa : Hihinana ny maniry ho azy avy tamin'ny voa mihintsana hianareo iray taona, ary amin'ny taona manaraka dia ny kolokolon'izany, fa amin'ny taona fahatelo kosa dia mamafaza hianareo, ka mijinjà, ary manaova tanimboaloboka, ka mihinàna izay vokatra eo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BBE88C72-0603-42BA-8285-357F06690504
30
Ary izay sisa amin'ny taranak'i Joda dia mbola hamaka lalindalina kokoa sady hisondrotra hamoa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|141FED8E-22E4-4EFD-ADC8-7A91A51BD0F3
31
Fa hisy sisa hiseho avy any Jerosalema sy sisa afaka avy any an-tendrombohitra Ziona; ny fahasaro-piaron'i Jehovah, Tompon'ny maro, no hanao izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|68FF10D7-BB7E-43A6-A429-462D4C506B35
32
Koa izao no lazain'i Jehovah ny amin'ny mpanjakan'i Asyria : Tsy ho tafiditra amin'ity tanàna ity izy, na handefa zana-tsipìka ho ato, na hitondra ampinga eo anoloany, na hanandratra tovon-tany hamelezany ity.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D98A7188-BFE5-4CB7-94E8-BAD754EB30D4
33
Ny làlana izay nihaviany ihany no hiverenany, fa tsy ho tafiditra amin'ity tanàna ity izy, hoy Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B5F89478-D90A-4FE7-B058-60DC6A39328F
34
Fa hiaro ity tanàna ity Aho ka hamonjy azy noho ny amin'ny tenako sy Davida mpanompoko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ACB6AC52-279D-409C-8249-D8406E232867
35
Ary tamin'ny alin'io dia avy ilay Anjelin'i Jehovah ka namely olona dimy arivo amby valo alina sy iray hetsy tao an-tobin'ny Asyriana; ary nony maraina koa vao nifoha olona, dia hita fa, indreo, efa maty avokoa ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0637C7BC-593D-43D3-A8B8-AEC0C185E29A
36
Dia niainga Sankeriba, mpanjakan'i Asyria, ka lasa nody ary nitoetra tany Ninive.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|01C3D4E0-5D4D-4F38-B949-3FAFC02768D8
37
Ary raha niankohoka tao an-tranon'i Nisroka andriamaniny izy, dia nasian'i Adrameleka sy Sarezera zanani-lahy ny sabatra izy; ary dia afaka nandositra nankany amin'ny tany Ararata izy mirahalahy. Ary Esara-hadona zanani-lahy no nanjaka nandimby azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E7580471-7B28-4522-B9E8-D095DDD7A084
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany