Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary nony efa hampakarin'i Jehovah ho any an-danitra amin'ny tafio-drivotra Elia, dia niara-nandeha avy tany Gilgala izy sy Elisa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1F58F64E-D467-4EFE-9674-D51727746980
2
Ary hoy Elia tamin'i Elisa : Masìna hianao, mijanôna eto; fa Jehovah efa naniraka ahy hatrany Betela. Fa hoy Elisa: Raha velona koa Jehovah, ary raha velona koa ny ainao, tsy handao anao mihitsy aho. Ka dia nidina nankany Betela izy roa lahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8F67D2CF-1201-43B6-B7BE-B7CDEB149575
3
Ary nivoaka nankany amin'i Elisa ireo zanaky ny mpaminany izay tao Betela ka nanao taminy hoe : Fantatrao va fa anio no hangalan'i Jehovah. ny tomponao hiala ho any ambonin'ny lohanao ? Dia hoy izy : Eny, fantatro ihany koa izany, fa mangìna hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6AD421C7-10D7-4671-8B5E-E410BC994D65
4
Ary hoy Elia taminy : Masìna hianao, ry Elisa, mijanôna eto; fa Jehovah efa naniraka ahy ho any Jeriko. Fa hoy Elisa : Raha koa Jehovah, ary raha velona koa ny ainao, tsy handao anao mihitsy aho. Ka dia tonga tany Jeriko izy roa lahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|60631FC3-6E05-4989-9AFB-542E7A7C8532
5
Ary ireo zanaky ny mpaminany izay tao Jeriko nanatona an'i Elisa ka nanao taminy hoe : Fantatrao va fa anio no hangalan'i Jehovah ny tomponao hiala ho any ambonin'ny lohanao ? Ary izy namaly hoe : Eny, fantatro ihany koa izany, fa mangìna hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A320D394-8879-4CCB-8F12-287AC4D777E7
6
Ary hoy Elia taminy : Masìna hianao, mijanôna eto; fa Jehovah efa naniraka ahy ho any Jordana. Fa hoy Elisa : Raha velona koa Jehovah, ary raha velona koa ny ainao, tsy handao anao mihitsy aho. Ary dia nandeha izy roa lahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F593B880-D388-43ED-86F9-4A367F03A616
7
Ary nisy dimam-polo lahy, zanaky ny mpaminany, nandeha, dia nijanona tandrifiny teny lavitra eny; fa izy roa lahy kosa nitsangana teo amoron'i Jordana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6C38A451-B07E-484A-A611-382B8028C25D
8
Ary Elia nandray ny kapôtiny namalona azy, dia nikapoka ny rano, ary nisaraka roa ny rano, ka dia nita tamin'ny maina izy roa lahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A73B3B51-A60C-4619-960A-7EE6499F19E9
9
Ary nony efa tafita izy roa lahy, dia hoy Elia tamin'i Elisa : Angataho izay hataoko ho anao, dieny tsy mbola misaraka aminao aho. Ary hoy Elisa : Masìna hianao, aoka ny anjaran-droa amin'ny fanahinao mba ho ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BF67F308-6172-4539-86A0-4A2BD64B21F9
10
Fa hoy izy : Sarotra ny nangatahinao; kanefa raha mahita ahy misaraka aminao hianao, dia ho anao ihany izany; fa raha tsy izany kosa, dia tsy ho anao izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D6A97A93-3DBF-48F1-B6E0-36A52717E985
11
Ary raha mbola nandeha sy niresaka izy roa lahy, dia, indro, nisy kalesy afo sy soavaly afo nampisaraka azy roa lahy; ary Elia niakatra tamin'ny tafio-drivotra ho any an-danitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6373827F-5B17-493E-B199-08E661830D23
12
Ary raha nahita izany Elisa, dia niantso hoe : Ry ikaky ô, ry ikaky ô, e ny kalesin'ny Isiraely sy ny mpitaingin-tsoavaliny ! Dia tsy nahita azy intsony izy. Ary noraisiny ny fitafiany ka notriariny roa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|28CE62D5-8B26-455F-90EF-6D73879095C0
13
Ary nalainy ny kapôtin'i Elia izay latsaka avy teny aminy, dia niverina izy ka nitsangana teo amoron'i Jordana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|61CCA5CC-2F1E-4060-B5B7-90824886CD76
14
Dia noraisin'i Elisa ny kapôtin'i Elia, ilay latsaka avy teny aminy, ka nakapony ny rano, dia hoy izy : Aiza Jehovah, Andriamanitr'i Elia ? Eny, Elisa koa nikapoka ny rano, dia nisaraka roa izany, ka nita izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|05884745-D8BD-4955-A3DF-A02BA681A532
15
Ary raha nahita azy ireo zanaky ny mpaminany izay nanandrify azy teo Jeriko, dia nanao hoe : Ny fanahin'i Elia efa mipetraka amin'i Elisa. Ary nandeha nitsena azy ireo ka niankohoka tamin'ny tany teo anatrehany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|333D0D7F-D3BD-4E9D-A256-09A9C5714596
16
Dia hoy ireo taminy : Indro, misy diman-polo lahy matanjaka ato amin'ny mpanomponao; masìna hianareo, aoka handeha hitady ny tomponao ireo, fandrao naingain'ny Fanahin'i Jehovah izy ka nazerany any an-tendrombohitra anankiray, na any an-dohasaha anankiray. Fa hoy izy : Aza maniraka hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C6B5D2E9-E63C-4D12-AA37-AA2906EDF35D
17
Ary raha nanery azy ireo mandra-pikaodikaodiny, dia hoy izy : Maniraha ary. Dia naniraka dimam-polo lahy izy; ary nitady azy hateloana ireny, fa tsy nahita.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3BE6AB2D-5D7C-4FF5-9BEC-8C0DEF9B9887
18
Ary tonga tao aminy indray ireny, raha mbola tao Jeriko ihany izy, dia hoy izy taminy : Tsy nilaza taminareo va aho nanao hoe : Aza mandeha ?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D2590B68-2188-45AA-A774-5B8AB80CFEF1
19
Ary hoy ny mponina tao amin'izany tanàna izany tamin'i Elisa : Masìna hianao, indro, tsara toerana ity tanàna ity, tompoko, araka izao hitanao izao, saingy ratsy rano, ary ny tany tsy mampahavanon-anaka.[Na: tsy mahavanom-boly.]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9B400963-3A04-4516-A586-73A6501348B2
20
Dia hoy izy : Itondray lovia vaovao aho, ka asio sira ao anatiny. Dia nentiny tany aminy izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|500436C9-6B01-4AB9-8FF5-F5A559BAB09B
21
Ary nivoaka nankany amin'ilay niandohan'ny rano izy, dia nanipy sira tao ka nanao hoe : Izao no lazain'i Jehovah : Efa nahatsara[Heb. nahasitrana.] ity rano ity Aho; tsy hisy fahafatesana na tsi-fahavanonan-anaka intsony hiseho eto
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C396816E-126D-4638-9AE2-EA2019D39F59
22
Ka dia tsara[Heb. sitrana.] ny rano mandraka andro-any araka ny teny nataon'i Elisa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|27F9A6ED-0E94-4CB5-9EB1-C95327EA1B87
23
Ary dia niakatra avy tao izy ka nankany Betela; ary nony niakatra teny an-dàlana izy, dia, indreo, nisy ankizilahy madinika nivoaka avy tao an-tanàna ka nanakora azy hoe : Miakara, ry ilay sola; miakara, ry ilay sola !
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BDA658FD-C26F-4658-B6C3-E0C610BA392A
24
Ary nitodika izy ka nahita azy, dia nanozona azy tamin'ny anaran'i Jehovah. Ary dia nisy beravavy roa avy tany an-ala namiravira roa amby efa-polo tamin'ireo ankizilahy madinika ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|92D57DF0-CD7F-4D5B-AEE7-5661A97E26B1
25
Dia niala teo Elisa ka nankany an-tendrombohitra Karmela, ary avy tao no niverenany ho any Samaria.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4FDF845A-2C7F-49DC-A0C4-F2CAE640035B
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany