Andininy
Protestanta Malagasy
3
Fa namboariny indray ny fitoerana avo, izay noravan'i Hezekia rainy, ka nanangana alitara ho an'i Bala izy sady nanao Aseraha, tahaka izay nataon'i Ahaba, mpanjakan'ny Isiraely; ary niankohoka teo anatrehan'izay rehetra eny amin'ny lanitra izy ka nanompo ireny,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3BEEA323-0A03-462D-ADB0-41A3A0530F7E
4
sady nanao alitara tao an-tranon'i Jehovah koa izy, dia tao amin'izay nolazain'i Jehovah hoe : Ao Jerosalema no hasiako ny anarako.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3C0AE154-AFD5-41B0-9B38-1627D07A012F
5
Fa nanao alitara teo anatin'ny kianja roa tamin'ny tranon'i Jehovah ho an'izay rehetra eny amin'ny lanitra izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C90ADB56-9F37-4775-865A-C48DEEDF24ED
6
Ary ny zanany nampamakiny ny afo, sady nanandro sy nanao sikidy izy ary naka ny manao azy ho tsindrian-javatra sy ny mpanao hatsarana, ary nahery nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah izy ka nampahatezitra Azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C6B9DE99-C3FF-4178-858D-1CDC6932324F
7
Ary ny sarin'i Astarta izay nataony dia napetrany tao amin'ny trano nolazain'i Jehovah tamin'i Davida sy Solomona zanany hoe : Ato amin'ity trano ity sy eto Jerosalema, izay nofidiko tamin'ny firenen'Isiraely rehetra, no hasiako ny anarako mandrakizay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EDF04570-5C7F-4321-AD2B-BD478512925E
8
Ary tsy hampandeha ny tongotry ny Isiraely intsony hiala amin'ny tany izay nomeko ny razany Aho, raha mba hitandrina ka hanao araka izay rehetra nandidiako azy sy araka ny lalàna rehetra izay nandidian'i Mosesy mpanompoko azy ihany izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8A3AC7EA-179A-4D68-AC80-362A50E8C663
9
Nefa tsy nihaino izy; fa Manase nitaona azy hanao ratsy mihoatra noho ny nataon'ny jentilisa, izay naringan'i Jehovah tsy ho eo anoloan'ny Zanak'Isiraely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7F5C5669-22A5-4BE3-8E51-89DC0DD400FF
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany