Andininy
Protestanta Malagasy
8
Dia hoy Hilkia mpisoronabe tamin'i Safana mpanoratra : Ny bokin'ny lalàna dia hitako tao an-tranon'i Jehovah. Dia natolotr'i Hilkia an'i Safana ny boky ka novakiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CC2E2D98-BF82-4E0D-92EA-6C0BFAEE3289
9
Ary Safana mpanoratra niverina ho any amin'ny mpanjaka nitondra valiny nanao hoe : Ny mpanomponao dia efa nandrotsaka ny vola izay azo tao an-trano ka nanolotra azy teo an-tànan'ny mpanao raharaha izay voatendry ny amin'ny tranon'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FD4EEC3D-4D8F-4C73-911D-94D8F45CE727
10
Ary Safana mpanoratra nilaza koa tamin'ny mpanjaka hoe : Misy boky nomen'i Hilkia mpisorona ahy. Dia novakin'i Safana teo anatrehan'ny mpanjaka ny boky.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|961887F5-0739-4D44-85CC-70E66FDEF819
11
Ary rehefa ren'ny mpanjaka ny teny tao amin'ilay bokin'ny lalàna, dia nandriatra ny fitafiany izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B7B62A5C-BD52-454A-8CFC-E3F64B592DE3
12
Ary ny mpanjaka nandidy an'i Hilkia mpisorona sy Ahikama, zanak'i Safana, sy Akbora, zanak'i Mikaia, sy Safana mpanoratra ary Asaia, mpanompon'andriana, hoe :
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|040BA608-C03D-440F-BA81-4A3AF76DADD7
13
Mandehana hianareo, ka manontania amin'i Jehovah ho ahy sy ny vahoaka mbamin'ny Joda rehetra ny amin'ny tenin'ity boky vao hita ity, fa mafy ny fahatezeran'i Jehovah izay mirehitra amintsika noho ny tsy nihainoan'ny razantsika ny tenin'ity boky ity hanao araka izay rehetra voasoratra ho antsika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|07136A19-3EF9-4FF1-ADBF-4B56499313C9
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany