IIMpanjaka 25: 1-30

Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary tamin'ny andro fahafolo tamin'ny volana fahafolo tamin'ny taona fahasivy nanjakan'i Zedekia dia tonga Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, sy ny miaramilany rehetra hamely an'i Jerosalema indray ka nitoby tandrifiny; ary nanao tilikambo manodidina azy izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2148132F-2A75-45B1-B31D-60B1422A27D2
2
Ary nataony fahirano ny tanàna hatramin'ny taona fahiraika ambin'ny folo nanjakan'i Zedekia mpanjaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|77F42814-AEE8-4BC5-8417-82A3E0CC5566
3
Ary tamin'ny andro fahasivy tamin'ny volana fahefatra dia mafy ny mosary tao an-tanàna, fa tsy nisy hanina ho an'ny olona tompon-tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|32692DC2-D5CF-4ECE-A0EF-1AD53D2DBCAF
4
Ary nisy voabanga ny tanàna, dia nandositra alina ny miaramila rehetra tamin'ny làlana nankamin'ny vavahady tanelanelan'ny mànda roa, izay eo anilan'ny sahan'ny mpanjaka (fa ny Kaldeana nanodidina ny tanàna), ary ny mpanjaka nandeha tamin'ny làlana mankeny amin'ny tani-hay.[Heb. Arabà.]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7E0545B2-AEA6-4DCD-9EB0-CC32AA3630E6
5
Ary ny miaramilan'ny Kaldeana nanenjika ny mpanjaka ka nahatratra azy teny amin'ny tani-hay[Heb. Arabà.] any Jeriko; dia nipariaka nandao azy ny miaramilany rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2F7858F1-305B-455D-8100-4A141848AF81
6
Ary voasambotra ny mpanjaka ka nentina niakatra ho any amin'ny mpanjakan'i Babylona tao Ribla, ka dia notsaraina tao izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|34A16636-1254-497B-92CD-CE302F2EAA39
7
Ary ny zanakalahin'i Zedekia dia novonoiny teo imason-drainy, ary ny mason'i Zedekia kosa nopotsiriny, dia nafatony tamin'ny gadra varahina izy ka nentiny nankany Babylona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EC7F9B6A-EA28-4ECE-99BC-0D8A3C0E4F47
8
Ary tamin'ny andro fahafito tamin'ny volana fahadimy tamin'ny taona fahasivy ambin'ny folo nanjakan'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, dia tonga tany Jerosalema Nebozaradana, lehiben'ny mpiambina, mpanompon'ny mpanjakan'i Babylona,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|96B10024-C066-4CDC-8812-8FC4BF5C45B3
9
ka nandoro ny tranon'i Jehovah sy ny tranon'ny mpanjaka mbamin'ny trano rehetra tany Jerosalema : ny trano lehibe rehetra dia nodorany tamin'ny afo avokoa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CC4F52CB-C8C9-4073-B836-3C3B9A9FCEC8
10
Ary ny mànda manodidina an'i Jerosalema dia noravan'ny miaramilan'ny Kaldeana rehetra, izay nanaraka ny lehiben'ny mpiambina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AA7DCBB9-C5C8-4A77-B679-BCA6B5C520F1
11
Ary izay olona sisa tao an-tanàna sy izay efa nandositra nanatona ny mpanjakan'i Babylona ary ny vahoaka betsaka sisa dia nentin'i Nebozaradana, lehiben'ny mpiambina, ho babo avokoa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B1C60D4E-667B-4970-9476-3F57329785C0
12
Nefa ny olona malahelo dia nisy navelany ihany ho mpamboatra tanimboaloboka sy ho mpiasa tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5D56BFCC-956C-4CD2-89E7-83774AA3E8E7
13
Ary ireo andry varahina teo an-tranon'i Jehovah sy ny fitoeran-tavin-drano sy ny tavin-drano varahina lehibe[Heb. ny ranomasina.] izay teo an-tranon'i Jehovah dia notorotoroin'ny Kaldeana, ka nentiny ho any Babylona ny varahina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D4993589-E7B2-4490-B3ED-3F42F6C42BCD
14
Ary nentiny koa ny vilany fandraofan-davenona sy ny sotron'afo sy ny antsy sy ny lovia kely ary ny fanaka varahina rehetra izay nenti-nanao fanompoam-pivavahana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A47A2D2A-9990-420A-8677-A15548F63D3D
15
Ary nentiny koa ny fitoeran-davenon-jiro sy ny lovia famafazana -- na ny volamena na ny volafotsy dia samy nentiny avokoa --
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D2760BE4-D728-4C2F-A0DA-6228161FAC37
16
ary ny andry roa sy ny tavin-drano lehibe[Heb. ny ranomasina.] iray ary ireo fitoeran-tavin-drano, izay nataon'i Solomona ho amin'ny tranon'i Jehovah; ny varahina tamin'izany fanaka rehetra izany dia tsy hita lanja.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ED27CDFC-E10A-43D9-BC7E-00A7651CF8E7
17
Valo ambin'ny folo hakiho ny hahavon'ny andry iray, ary varahina ny kapitaliny sady telo hakiho ny hahavony; ary varahina avokoa ny harato sy ny ampongabendanitra amin'ny kapitaliny manodidina; ary tahaka izany koa ny andry faharoa mbamin'ny harato.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CF99509B-83A3-4FF0-93A7-2BA25758F7DC
18
Ary ny lehiben'ny mpiambina nisambotra an'i Seraia mpisoronabe sy Zefania, mpisorona manarakaraka, ary mpiandry varavarana koa telo lahy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|932E3C10-B415-4D16-AE86-B5FA95793A42
19
ary tao an-tanàna no nisamborany ny tandapa[Heb. ionoka.] anankiray, mpifehy ny miaramila, ary dimy lahy tamin'izay mpitoetra teo anatrehan'ny mpanjaka, izay hita tao an-tanàna, ary ny mpanoratry ny komandin'ny miaramila, izay mpandamina ny ho miaramila, sy ny olona tompon-tany enim-polo lahy, izay hitany tao an-tanàna;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|25466298-96A6-4FC8-A114-613C2F78E6B5
20
dia nosamborin'i Nebozaradana, lehiben'ny mpiambina, ireo ka nentiny ho any amin'ny mpanjakan'i Babylona tao Ribla.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E9AC2196-896D-4CEF-A08B-0A75F59C1C93
21
Dia novonoin'ny mpanjakan'i Babylona tao Ribla any amin'ny tany Hamata ireo. Toy izany no nitondrana ny Joda ho babo niala tamin'ny taniny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BCBB5459-8CE1-4FFA-B502-93615DDF7395
22
Fa ny amin'ny olona izay sisa tany amin'ny tanin'ny Joda, izay navelan'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, dia Gedalia, zanak'i Ahikama, zanak'i Safana, no notendreny ho mpanapaka azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|88B59E50-ABB0-4707-A1CE-E4D7091F0A9B
23
Ary nony ren'ny komandin'ny miaramila rehetra mbamin'ny olom-peheziny avy fa Gedalia no notendren'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, ho mpanapaka, dia nankany amin'i Gedalia tany Mizpa Isimaela, zanak'i Netania, sy Johanana, zanak'i Karea, sy Seraia, zanak'i Tanometa Netofatita ary Jazania, zanak'ilay Makatita, dia ireo sy ny olom-peheziny avy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AAE7BB8F-A8E9-49CE-95DC-3D9FADC4C9AA
24
Ary Gedalia nianiana taminy sy tamin'ny olom-peheziny ka nanao hoe : Aza matahotra ny amin'ny mpanompon'ny Kaldeana, fa mitomoera amin'ny tany, ary manompoa ny mpanjakan'i Babylona, fa izany no hahasoa anareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D7E0AF7F-FDDE-4AA7-89B4-600F34DD6BCA
25
Ary tamin'ny volana fahafito, dia avy Isimaela, zanak'i Netania, zanak'i Elisama, isan'ny fianakavian'ny mpanjaka, mbamin'ny olona folo lahy koa ka namely an'i Gedalia, dia nahafaty azy sy ny Jiosy ary ny Kaldeana izay tao aminy tany Mizpa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6D45A4AA-2EED-4FF8-AA9B-1A03011F0040
26
Ary niainga ny olona rehetra, na kely na lehibe, mbamin'ny komandin'ny miaramila, nankany Egypta, fa natahotra ny Kaldeana izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BD0B3A38-D03D-4F89-AB6B-8130979B9175
27
Ary tamin'ny andro fahafito amby roapolo tamin'ny volana faharoa ambin'ny folo tamin'ny taona fahafito amby telo-polo, taorian'ny namaboana an'i Joiakina, mpanjakan'ny Joda, tamin'ny taona vao nanjakan'i Evila-merodaka, mpanjakan'i Babylona, dia nasandrany[Heb. nasandratra ny lohany.] hiala tao an-trano-maizina Joiakina, mpanjakan'ny Joda.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|78C5A334-837F-43B1-9389-35284A92B32B
28
Dia nitenenany soa izy, ka ny seza fiandrianany nataony ambony noho ny seza fiandrianan'ireo mpanjaka namany tao Babylona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|05963956-F07F-462A-930A-316509732DD0
29
Ka dia novan'i Joiakina ny fitafiany fony mbola tao an-tranomaizina ary nihinan-kanina teo anatrehany mandrakariva izy tamin'ny andro niainany rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|07E53284-72D2-4A04-88BC-B20DD0338F21
30
Ary ny hanina nohaniny dia hanina nomena avy amin'ny mpanjaka araka ny tokony ho anjarany isan-andro isan-andro, tamin'ny andro rehetra niainany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CF567DC3-8E98-4E65-A6A2-B1A77ADF04B1
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany