Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary Elisa mpaminany niantso ny anankiray tamin'ny zanakalahin'ny mpaminany ka nanao taminy hoe : Misikìna, dia ento eny an-tànanao ity tavoara feno diloilo ity, ka mankanesa any Ramota-gileada;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EB503950-A41E-4CF0-81BE-DF33F76724B7
2
ary rehefa mby any hianao, dia izahao Jeho, zanak'i Josafata, zanak'i Nimsy, ary midira, ka manaingà azy hiala amin'ny namany, ary ento any amin'ny efi-trano anatiny izy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7DEE5B83-96E1-4107-B48E-B42BB4933203
3
ary raiso ny tavoara feno diloilo, ka aidino amin'ny lohany, dia lazao hoe : Izao no lazain'i Jehovah : Efa nanosotra anao ho mpanjakan'ny Isiraely Aho. Dia vohay ny varavarana, ka mandosira, fa aza mijanona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|931937B2-DE93-4DA4-9B84-3474061041DC
4
Ary nandeha ilay zatovo, dia ilay zatovon'ny mpaminany,[Na: ilay zatovo mpaminany.] nankany Ramota-gileada.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|33616CA4-F880-48CA-9128-2B0BACEE99DE
5
Ary nony mby tany izy, indreo, nipetraka teo ny mpifehy ny miaramila; ary hoy izy : Ry komandy ô, mitondra teny ho aminao aho. Ary hoy Jeho : Amin'iza aminay ireto moa ? Ary hoy izy : Aminao, ry komandy ô.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A854856B-C457-41A1-A9EB-F8EFBE8ED765
6
Ary nitsangana izy ka niditra tao an-trano, dia naidiny tamin'ny lohany ny diloilo; ary hoy izy taminy : Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely : Efa nanosotra anao Aho ho mpanjakan'ny Isiraely oloko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|809440E1-6FD8-48DC-9520-CC445EBC609E
7
Ary hamely ny tamingan'i Ahaba tomponao hianao, mba hampanodiaviko an'i Jezebela ny ran'ny mpaminany mpanompoko sy ny ran'ny mpanompon'i Jehovah rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|90F1C8BF-EC66-4E3C-9CED-3409DD17119A
8
Eny, ho fongotra ny taranak'i Ahaba rehetra; ary haringako avokoa ny lehilahy rehetra amin'ny tamingany, na ny voahazona na ny afaka eo amin'ny Isiraely;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|321F1AC0-0FF6-4687-9418-3AC3DA7839A2
9
ary ny taranak'i Ahaba hataoko tahaka ny taranak'Jeroboama, zanak'i Nebata, sy tahaka ny taranak'i Basa, zanak'i Ahia;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7E4C551E-768E-4296-9361-67CD67C43C2C
10
ary Jezebela hohanin'ny alika ao amin'ny tany Jezirela, ka tsy hisy handevina azy. Dia namoha ny varavarana ilay zatovo ka lasa nandositra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|381959A4-2835-41D7-A117-20D5DA9CA3D1
11
Ary Jeho nivoaka nankao amin'ny mpanompon'ny tompony ary nanontaniany hoe : Raharaha tsara ihany va ? Inona no nalehan'iny ilay adala iny tao aminao ? Ary hoy izy taminy : Hianareo mahalala ihany an-dralehilahy sy ny heviny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0C07FF98-3113-406C-B9B2-36570C795615
12
Fa hoy ireo : Lainga foana izany; fa ambarao aminay. Dia hoy izy : Izao ka izao no nolazainy tamiko : Izao ny lazain'i Jehovah : Efa nanosotra anao ho mpanjakan'ny Isiraely Aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EA838A33-68D1-4AFF-81CE-918A06AD785D
13
Dia samy nandray faingana ny lambany avy izy ireo ka namelatra azy hitoeran'i Jeho teo amin'ny ambaratonga, ary nitsoka ny anjomara izy ka niantso hoe : Jeho no mpanjaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E3926399-50E9-44E6-81BA-7FFB22254F07
14
Ary Jeho, zanak'i Josafata, zanak'i Nimsy, nikomy tamin'i Jorama (fa Jorama mbamin'ny Isiraely rehetra niaro an'i Ramota-gileada noho ny fananihan'i Hazaela, mpanjakan'i Syria, azy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|762ECCF5-7C9D-409C-B20A-35BA8446277A
15
nefa Jorama mpanjaka efa niverina hotsaboina tao Jezirela amin'ny feriny tamin'ny nahavoazan'ny Syriana azy, fony izy niady tamin'i Hazaela, mpanjakan'i Syria), ka dia hoy Jeho : Raha izany ary no sitrakareo, aza avela hisy hiala eto an-tanàna handeha hilaza izany any Jezirela.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D9AB063C-C460-4CF1-A276-00C77D3B6A25
16
Dia niakatra teo amin'ny kalesy Jeho ka nankany Jezirela, fa tany no nitoeran'i Jorama. Ary Ahazia, mpanjakan'ny Joda, efa nidina hamangy an'i Jorama.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FA5EF182-387E-4A19-8171-CA409A523954
17
Ary ny mpitily mitsangana teo an-tampon'ny tilikambo teo Jezirela ka nahatazana fa indrery olona betsaka tamy niaraka amin'i Jeho, ary hoy izy : Mahita olona betsaka aho. Ary hoy Jorama : Makà mpitaingin-tsoavaly, ka maniraha hitsena azy, ary asaovy manao hoe : Fihavanana va ?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|40BD9F8F-1598-4D68-8FD9-AD38C5C14D30
18
Dia nandeha ny mpitaingin-tsoavaly anankiray hitsena azy ka nanao taminy hoe : Izao no tenin'ny mpanjaka : Fihavanana va? Ary hoy Jeho : Ahoanao izay fihavanana ? fa mankanesa ato aoriako hianao. Ary ny mpitily nilaza hoe : Ny iraka dia tonga teny aminy, nefa tsy niverina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DECF975E-9A64-4DFD-82D6-45D1084E9D04
19
Dia naniraka mpitaingin-tsoavaly fanindroany Jorama, ary nony tonga teny koa izy, dia nanao hoe : Izao no tenin'ny mpanjaka : Fihavanana va ? Ary Jeho namaly hoe : Ahoanao izay fihavanana ? fa mankanesa ato aoriako hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0AF570ED-D961-4C43-9A06-6D161ED787DF
20
Ary ny mpitily nilaza indray hoe : Tonga teny aminy koa iny, fa tsy niverina; ary ny fampiriotrany dia hoatra ny fampiriotran'i Jeho, zanak'i Nimsy; fa mampiriotra hoatra ny olona adala izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2F81E4F4-17E1-48B2-8880-0914CA20D628
21
Ary hoy Jorama : Ampiomany. Dia nampiomaniny ny kalesiny. Dia nivoaka Jorama, mpanjakan'ny Isiraely, sy Ahazia, mpanjakan'ny Joda, samy nitsangana teo amin'ny kalesiny avy ka nandeha hitsena an'i Jeho, ary nifanena taminy teo amin'ny tanin'i Nabota Jezirelita izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|62216FA9-730A-4EB8-BCA9-15602AE0CA7D
22
Ary Jorama, nony nahita an'i Jeho, dia nanao hoe : Fihavanana va, ry Jeho ? Fa izy namaly hoe : Aiza no hisy fihavanana, raha mbola ao ihany ny fijangajangan'i Jezebela reninao sy ny fankatovana betsaka ataony ?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1D8E2E39-19CA-4BA4-9FDB-242351D88C42
23
Ary Jorama nampihodina ka nandositra sady niteny tamin'i Ahazia hoe : Misy fitaka, ry Ahazia.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B6BF1F82-4FCB-4E95-94CE-C3AC8559A194
24
Ary nohenjanin'i Jeho mafy ny tsipìka teny an-tànany, dia nitifitra an'i Jorama izy ka nahavoa azy teo anelanelan'ny sorony, ary ny zana-tsipìka niboroaka tamin'ny fony, ka dia nampianjera azy tao anatin'ny kalesiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B9ED106C-5D3D-4C46-9B43-1CF57E5E4394
25
Ary hoy Jeho tamin'i Bidkara lefiny : Betao izy, ka atsipazo ao amin'ny sahan'i Nabota Jezirelita; fa tsarovy fa fony izaho sy hianao samy nitaingina kalesy nanaraka an'i Ahaba rainy, dia nolazain'i Jehovah fa hihatra aminy izao loza voalaza izao hoe :
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|37FF781E-940A-4BD9-9809-85AFA259D83E
26
Efa hitako tokoa omaly ny ran'i Nabota sy ny ran'ny zanany, hoy Jehovah, ary Izaho hamaly anao eto amin'ity tany ity, hoy Jehovah. Koa betao izy, ka atsipazo amin'io tany io araka ny tenin'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1F6DC8B2-D06C-47D3-9335-E5A5ABCC3C28
27
Ary nony hitan'i Ahazia, mpanjakan'ny Joda, izany, dia nandositra tamin'ny làlana mankamin'ny trano ao anatin'ny saha izy. Ary Jeho nanaraka azy ka nanao hoe : Indry, asio koa iny, dia nasiany teo anatin'ny kalesiny teo amin'ny fiakarana ho any Gora, izay eo anilan'i Jibleama, izy. Ary nandositra nankany Megido Ahazia ka maty teo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EEFD5283-04BC-4389-8045-CC49859BD867
28
Ary ny mpanompony nitondra azy tamin'ny kalesiny ho any Jerosalema ka nandevina azy tao am-pasany ao amin'ny razany tao an-Tanànan'i Davida.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AB2B5066-14F8-41C9-95A1-CC98BA7B18E7
29
Ary tamin'ny taona fahiraika ambin'ny folo nanjakan'i Jorama, zanak'i Ahaba, no vao nanjakan'i Ahazia tamin'ny tany Joda.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3C32A3D9-6315-454B-A040-58B709D6F226
30
Dia tonga tany Jezirela Jeho; ary nony nandre izany Jezebela, dia nohosorany loko mainty[Heb. antimony.] ny masony, sady noravahany ny lohany, dia nitsidika teo am-baravarankely izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B32EA00C-3A26-4FC9-ABDF-B9441C97E243
31
Ary nony niditra teo am-bavahady Jeho, dia hoy Jezebela : Fihavanana va, ry Zimry, mpamono tompo ?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C03B8B50-9B31-4B65-820E-8813C951A556
32
Ary niandrandra ny varavarankely Jeho ka nanao hoe : Iza aminareo ireo no momba ahy ? Iza ? Ary nisy tandapa roa na telo teo nitsirika azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6D1A25C7-EBE5-43D4-BA29-825B2FDAF6BF
33
Ary hoy izy : Azerao io vehivavy io. Dia nazerany izy; ka nisy nipitipitika tamin'ny rindrin-trano sy ny soavaly ny rany; ka dia nohitsahin'i Jeho izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EF25F28C-4077-4762-BB13-7A6340BA398E
34
Dia niditra tao an-trano Jeho ka nihinana sy nisotro, ary dia nilaza hoe : Mandehana, izahao ilay vehivavy voaozona, ka aleveno, fa zanakavavin'ny mpanjaka izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|004E21FB-BDF2-4482-A1A5-8D9C6EE3E726
35
Koa dia lasa ireo handevina azy; nefa tsy nisy tratrany teo afa-tsy ny karandohany sy ny tongony ary ny fela-tànany ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CA03CEBE-6A1A-49C7-B40E-9CDD4F2E5374
36
Ary niverina ireo ka nanambara taminy. Ary hoy Jeho : Araka ny tenin'i Jehovah izany, dia ilay nampilazainy an'i Elia Tisbita mpanompony hoe : Ao amin'ny tany Jezirela no hihinanan'ny alika ny nofon'i Jezebela,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E5205D2C-8145-4692-9CA1-2FB9E0501D96
37
ary ny fatiny ho toy ny zezika any an-tsaha, any amin'ny tany Jezirela, ka tsy hisy hahazo milaza hoe Jezebela ity.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|776823BF-FDA5-48C2-9C6B-591DEDCB7A1D
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany