Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary Josafata nanana harena sy voninahitra be; ary ny zanani-lahy dia nampanambadiny ny zanakavavin'i Ahaba.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AB9CDDC9-BBE5-4283-8AFF-89D3C97CDE24
2
Koa nony ela dia nidina nankany amin'i Ahaba tany Samaria izy. Ary Ahaba namono ondry aman-osy sy omby betsaka ho azy sy ho an'ny olona nanaraka azy, dia nitaona azy hiakatra ho any Ramota-gileada.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7F434CFF-E0B6-478D-ABD5-7F5271265733
3
Ary hoy Ahaba, mpanjakan'ny Isiraely, tamin'i Josafata, mpanjakan'ny Joda: Mba hiaraka amiko ho any Ramota-gileada va hianao? Dia hoy izy taminy: Eny, fa tahaka ny tenanao ihany aho, ka ny oloko dia olonao; koa hiaraka aminao ho any an-tafika izahay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|256CBDCB-380E-4046-B8FD-4EB9F3A21B5A
4
Ary hoy Josafata tamin'ny mpanjakan'ny Isiraely: Masìna hianao, anontanio aloha ny tenin'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DFEE29A3-ED47-47C0-B0FC-754C3678EDEE
5
Ary ny mpanjakan'ny Isiraely dia nanangona ny mpaminany efa-jato lahy ka nanao taminy hoe: Handeha hanafika an'i Ramota-gileada va isika, sa hijanona ihany aho? Dia hoy ireo: Mandehana, fa hatolotr'Andriamanitra eo an-tànanao izy, ry mpanjaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5A829CD9-C0CE-48F1-960B-ED68C081295B
6
Ary hoy kosa Josafata: Moa tsy misy mpaminanin'i Jehovah koa va eto mba hanontaniantsika?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|491AAFA3-113D-4726-A434-7C5FFE828B4E
7
Dia hoy ny mpanjakan'ny Isiraely tamin'i Josafata: Mbola misy lehilahy iray ihany ahazoantsika manontany amin'i Jehovah, saingy halako izy, satria tsy mbola naminany soa ho ahy izy, fa loza ihany mandrakariva; Mikaia, zanak'i Jimla, no anarany. Dia hoy Josafata: Aza dia manao izany, ry mpanjaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AD0A5FD9-ADBC-46CD-ADF3-45FEF7B4D40F
8
Ary ny mpanjakan'ny Isiraely niantso ny tandapa[Heb. ionoka.] anankiray, ka nanao taminy hoe: Alao faingana Mikaia, zanak'i Jimla.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EC626F41-F2C3-4FFE-96D5-885658C9A040
9
Ary ny mpanjakan'ny Isiraely sy Josafata, mpanjakan'ny Joda, samy nipetraka teo amin'ny seza fiandrianany avy teo amin'ny famoloana eo anoloan'ny vavahadin'i Samaria, sady samy efa niakanjo ny akanjony avy; ary ny mpaminany rehetra naminany teo anatrehany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0F82BDC2-6BDB-4A08-93DD-C55C167488B8
10
Ary Zedekia, zanak'i Kenana, dia nanao tandro-by ka nanao hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Ireto no hanotoanao ny Syriana mandra-paharingany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D221ED6F-7DAC-4C09-B637-4BD39315F710
11
Ary ny mpaminany rehetra naminany toy izao koa hoe: Mandehana ho any Ramota-gileada, dia hambinina hianao; fa hatolotr'i Jehovah eo an-tànanao izy, ry mpanjaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9B36C481-90AB-4308-AE01-6F0A49435EBC
12
Ary ilay iraka izay nandeha naka an'i Mikaia niteny taminy hoe: Indro, fa efa iray teny avokoa izao ny mpaminany, ka samy milaza soa ho an'ny mpanjaka: masìna hianao, aoka re ny teninao mba ho tahaka ny an'ny anankiray amin'ireo, ka mba mitenena soa koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3A0C92FF-77B1-4D0D-AC84-D2B7C490D5CE
13
Dia hoy Mikaia: Raha velona koa Jehovah, izay lazain'Andriamanitro ihany no hambarako.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8AA6468A-BA7A-4301-9D9B-F3DD8A6CF965
14
Dia nankany amin'ny mpanjaka izy. Ary hoy ny mpanjaka taminy: Ry Mikaia, handeha hanafika an'i Ramota-gileada va isika, sa hijanona ihany aho? Ary izy namaly azy hoe: Mandehana, dia hambinina hianareo, fa hatolotra eo an-tànanareo izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E53397B3-A048-43DE-91BB-8F45F49CCF67
15
Ary hoy ny mpanjaka taminy: Impiry no hampianianako anao mba tsy hilaza na inona na inona amiko amin'ny anaran'i Jehovah afa-tsy izay marina ihany?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9F22E1BB-2D26-4489-AE1F-34EB32B6EC5E
16
Dia hoy Mikaia: Hitako fa indro ny Isiraely rehetra niely teny an-tendrombohitra toy ny ondry tsy misy mpiandry, ary hoy Jehovah: Ireto efa tsy manan-tompo, ka aoka izy samy hody soa aman-tsara any an-tranony avy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8C2459E2-3114-4F72-84E7-67671D58E426
17
Dia hoy ny mpanjakan'ny Isiraely tamin'i Josafata: Tsy efa voalazako taminao va fa tsy mba mety maminany soa ho ahy izy, fa loza ihany?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C1681581-178E-464A-94A4-D74731FEEBF1
18
Ary hoy Mikaia: Henoy ary ny tenin'i Jehovah: Nahita an'i Jehovah nipetraka teo amin'ny seza fiandrianany aho, ary ireo maro be rehetra any an-danitra nitsangana teo amin'ny ankavanany sy teo amin'ny ankaviany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|71C0C1A5-BA48-4959-BCA0-E74B424CE448
19
Ary hoy Jehovah: Iza no hitaona an'i Ahaba, mpanjakan'ny Isiraely, handeha ho any Ramota-Gileada ka ho lavo any? Ary ny anankiray niteny toy izao, ary ny anankiray kosa niteny toy izao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9612E51A-CE61-4801-884D-B0772DCA7DEB
20
Dia nandroso ny fanahy ka nitsangana teo anatrehan'i Jehovah ary nanao hoe: Izaho no hitaona azy. Ary hoy Jehovah taminy: Amin'ny inona anefa?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4D96B66F-3AE9-40B1-9B1E-59A5AE039C21
21
Dia hoy izy: Hivoaka aho ka ho tonga fanahy mandainga ao am-bavan'ny mpaminany rehetra. Dia hoy indray Jehovah: Ho voataonanao ihany izy, ka hahatanteraka hianao; mivoaha ary, ka ataovy izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FAFB6905-25B3-4722-9063-242ECBB78597
22
Koa, indro, Jehovah efa nanisy fanahy mandainga ao am-bavan'ireto mpaminaninao ireto, ary Izy koa efa nilaza ny loza hanjo anao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|313510A3-2C5B-44E4-8CB5-891BCDC8711E
23
Fa Zedekia, zanak'i Kenana, nanatona, dia namely ny takolak'i Mikaia sady nanao hoe: Taiza no làlana nialan'ny Fanahin'i Jehovah tamiko hiteny aminao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DB060F38-02C4-4E13-8CD8-877855E92EB8
24
Dia hoy Mikaia: Indro, ho hitanao izany amin'ny andro hidiranao ao amin'ny efi-trano anatiny[Na: hitsofotsofohanao amin'ny efi-trano.] hierenao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F1028A10-5BAC-4EBA-A2D2-81381E87D65A
25
Dia hoy ny mpanjakan'ny Isiraely: Raiso Mikaia, ka ento miverina izy ho any amin'i Amona, komandin'ny tanàna, sy ho any amin'i Joasy, zanaky ny mpanjaka,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5668D49A-396E-4192-AD31-6E3845124166
26
ka lazao hoe: Izao no lazain'ny mpanjaka: Ataovy ao an-trano-maizina ilehity, ka fahano mofom-pahoriana sy ranom-pahoriana izy mandra-pahatongako soa aman-tsara.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FC5790D6-38AE-42B8-B1A8-38CAF114FB29
27
Fa hoy Mikaia: Raha tàhiny ho tafaverina soa aman-tsara hianao, dia tsy nampitenenin'i Jehovah aho tsy akory. Ary hoy koa izy: Samia mihaino izany, ry firenena rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3E43B561-9EB1-43A9-B6CD-B1E7C7FA7C79
28
Dia niakatra nankany Ramota-gileada ny mpanjakan'ny Isiraely sy Josafata, mpanjakan'ny Joda.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|586793B4-420C-4CE6-9F92-9712167572DC
29
Ary hoy ny mpanjakan'ny Isiraely tamin'i Josafata: Hody olon-kafa aho ka hitsarapaka any anatin'ny ady, fa hianao kosa dia miakanjoa ny akanjonao ihany. Dia nody olon-kafa ny mpanjakan'ny Isiraely ka nitsarapaka tany anatin'ny ady.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|49F67287-0805-4B1F-B730-21DB0F38EB7F
30
Fa ny mpanjakan'i Syria efa nandidy ireo komandin'ny kalesiny nanao hoe: Aza miady na amin'ny kely na amin'ny lehibe, afa-tsy amin'ny mpanjakan'ny Isiraely ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3FD257AD-5F7A-48BD-AC40-0565BCD1C5F7
31
Ary nony nahita an'i Josafata ireo komandin'ny kalesy, dia hoy izy: Iny mihitsy no mpanjakan'ny Isiraely. Dia nohodidininy hasiany izy, ka dia niantsoantso Josafata, ary Jehovah namonjy azy; eny, Andriamanitra nampiaka ireo teo aminy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|18C78EE7-08A3-449F-BE18-E5A02CC4CDAB
32
ary rehefa hitan'ireo komandin'ny kalesy fa tsy ny mpanjakan'ny Isiraely izy, dia niverina niala taminy ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E47CC577-572D-4F4F-AAE2-64C7AD43D934
33
Ary nisy lehilahy anankiray nandefa zana-tsipìka kitotoa ka nahavoa ny mpanjakan'ny Isiraely teo anelanelan'ny fiarovan-tratrany sy ny eo ambaniny; ka dia hoy izy tamin'ny mpampandeha ny kalesiny: Ahodino, ka ento miala eto amin'ny mpiady aho, fa voa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|60BB62DC-2C40-47F8-8EF1-06236B61E31E
34
Ary nihamafy ny ady tamin'izany andro izany; ary ny mpanjakan'ny Isiraely nihafy nitsangana teo amin'ny kalesiny tandrifin'ny Syriana mandra-paharivan'ny andro; fa nony efa hilentika ny masoandro, dia maty izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7E8761EC-18C5-48C9-A921-6D92F3B88FB9
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany