Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary rehefa afaka izany raharaha marina izany, dia avy Sankeriba, mpanjakan'i Asyria, niditra tany Joda ary nanao fahirano ny tanàna mimànda ka nikasa hanafaka azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|36AA84A4-CD13-4030-9A1F-A763D04B8354
2
Ary nony hitan'i Hezekia fa tonga Sankeriba ka nikasa hamely an'i Jerosalema,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9083CD07-2B65-40CF-A219-DE680F9FD537
3
dia niara-nihevitra tamin'ny mpanapaka sy ny lehilahy mahery izy mba hanampina ny rano tamin'ny loharano eny ivelan'ny tanàna; ary nanampy azy ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|953D2524-7526-4917-BEF9-DB59ECB04A12
4
Dia nivory ny olona maro ka nanampina ny loharano rehetra sy ilay renirano mamaky eo afovoan'ny tany, fa hoy izy: Nahoana no avela hahita rano be ny mpanjakan'i Asyria, raha avy?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|50833476-FE6B-4B22-8FB8-E3CB6749DA48
5
Dia nohereziny namboariny avokoa izay rava tamin'ny mànda sady nasiany tilikambo teny amboniny sy mànda hafa koa teo ivelany, dia nanamboatra an'i Milo[Heb. fiarovana.] tao an-Tanànan'i Davida sady nanao lefona aman-ampinga betsaka izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F9423C6E-668E-490D-93EC-E9E70BE124AB
6
Ary nanendry mpifehy miaramila hifehy ny olona izy ka nampiangona azy hankeo aminy teo an-kalalahana akaikin'ny vavahadin'ny tanàna, dia nanao teny famporisihana taminy hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F460B12C-683E-43C0-B4F8-EB3609175552
7
Mahereza ka matanjaha; aza matahotra na mivadi-po noho ny mpanjakan'i Asyria sy ny hamaroan'ny olona rehetra izay entiny; fa ny momba antsika dia be noho ny momba azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|94DD5619-35D0-4827-9463-DE69037BBC04
8
Sandry nofo no momba azy, fa Jehovah Andriamanitsika kosa no momba antsika hamonjy antsika ka hiady ny adintsika. Ary dia niankina tamin'ny tenin'i Hezekia, mpanjakan'ny Joda, ny olona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|85B6B6BE-C57B-4EF2-A9D1-B0687EAF9FD7
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany