Andininy
Protestanta Malagasy
25
Fa Hezekia tsy mba namaly araka izay soa efa natao taminy; fa niavonavona ny fony, dia niharan'ny fahatezerana izy mbamin'ny Joda sy Jerosalema.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0FE00607-3858-48E4-98D1-931C95E95C63
26
Kanefa Hezekia nanetry tena noho ilay efa niavonavonan'ny fony, dia izy sy ny mponina tany Jerosalema, ka dia tsy niharan'ny fahatezeran'i Jehovah ireo fahavelon'i Hezekia.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5D5C1DA0-5659-446E-A597-669DB0B6E6C1
27
Ary Hezekia nanana harena sy voninahitra be indrindra; dia nanao trano firaketana izy hitehirizany ny volafotsy sy ny volamena sy ny vato soa sy ny zava-manitra sy ny ampinga mbamin'izay fanaka tsara rehetra,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9691A837-789A-464C-9A8A-E808C2922F50
28
ary tanàna fitehirizana ny vokatra koa, dia ny vary sy ny ranom-boaloboka ary ny diloilo, sy trano miefitrefitra hitoeran'ny biby fiompy samy hafa karazana ary vala hitoeran'ny ondry aman-osy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|267B3581-9004-4487-8AAB-EBAE9C45FF87
29
Ary nanao tanàna maro ho azy koa izy sady nanana ondry aman-osy ary omby betsaka, fa nomen'Andriamanitra fananana be indrindra izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|79EAC5BC-6B3F-4756-8E65-980C709B3BE5
30
Ary notampenan'io Hezekia io ny fivoahan'ny rano ambony any Gihona ka nampandehaniny tany ambanin'ny tany hidina mahitsy ho any andrefan'ny Tanànan'i Davida izany. Ary nambinina tamin'ny asany rehetra Hezekia.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|890C0DC5-A8A2-4198-ADA2-6D6B3974DC47
31
Nefa noho ny amin'ny irak'ireo mpanapaka tany Babylona, izay naniraka tany aminy mba hanontany ny amin'ny zava-mahagaga natao teo amin'ny tany, dia nilaozan'Andrimanitra izy, mba hizahany toetra azy hahalalany izay rehetra ao am-pony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D4F27C2F-7373-4928-956C-D6FBDF4CFE12
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany