Andininy
Protestanta Malagasy
9
Rehefa afaka izany, dia nirahin'i Sankeriba, mpanjakan'i Asyria, ny mpanompony hankany Jerosalema (fa izy sy ny miaramilany rehetra kosa nanao fahirano an'i Lakisy tamin'izay) ho any amin'i Hezekia, mpanjakan'ny Joda, sy ho any amin'ny Joda rehetra izay tany Jerosalema ka nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|57794493-65A2-4A44-9BBD-532587068555
10
Izao no lazain'i Sankeriba, mpanjakan'i Asyria: Inona izato itokianareo, no dia miaritra fahoriana ato Jerosalema hianareo?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A9B18753-0E24-46E9-AA49-0D354D1C379A
11
Tsy Hezekia ihany va no manambosy anareo hanolo-tena ho faty mosary sy hetaheta ka manao hoe: Jehovah Andriamanitsika hamonjy antsika amin'ny tànan'ny mpanjakan'i Asyria?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F8D8F5B9-88D7-487D-B5CE-9526FCEC7FDC
12
Tsy io Hezekia io ihany koa va no nandrava ny fitoerana avony sy ny alitarany ary nandidy ny Joda sy Jerosalema ka nanao hoe: Eo anoloan'ny alitara iray no hiankohofanareo sy handoroanareo ditin-kazo manitra?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|066A6296-00D5-4EBA-ABDB-4DD227451CC3
13
Tsy fantatrareo va izay nataoko, dia izaho sy ny razako, tamin'ny firenena rehetra tany amin'ny tany hafa? Moa ireny andriamanitry ny firenena tany amin'ny tany hafa ireny va nisy nahavonjy ny taniny akory tamin'ny tànako?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|621ADC25-13C8-49A9-8916-F2539F19748C
14
Iza amin'ny andriamanitr'ireo firenena efa naringan'[Heb. natao herema.] ny razako ireo no nahavonjy ny olony tamin'ny tànako, ka dia hahavonjy anareo amin'ny tànako va ny Andriamanitrareo?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6EFA5EFA-0346-4D3B-A554-E6D00BC291E9
15
Koa ankehitriny, aza avela hamitaka anareo Hezekia, na hitaona anareo tahaka izao; aza mino azy hianareo; fa tsy nisy andriamanitra tany amin'ny firenena sy ny fanjakana rehetra izay nahavonjy ny olony tamin'ny tànako sy ny tànan'ny razako; koa aiza ny Andriamanitrareo no hahavonjy anareo amin'ny tànako?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5C961EBC-267C-4739-9A7A-2DE51ADC7BFF
16
Ary ny mpanompon'i Sankeriba mbola niteny ratsy an'i Jehovah Andriamanitra sy Hezekia mpanompony,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|98BC5802-C88D-45B7-B3A4-78DAB7A32B3B
17
sady nanoratra taratasy hihaika an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, sy hiteny ratsy Azy ka nanao hoe: Tahaka ny tsy nahavonjen'ireny andriamanitry ny firenena tany amin'ny tany hafa ny olony tamin'ny tànako no tsy hahavonjen'ny Andriamanitr'i Hezekia ny olony koa amin'ny tànako.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|78174B24-DDFA-4BD7-A1B6-0FE8A3132A21
18
Dia niantso tamin'ny feo mahery izy ka nanao teny Jiosy teo anatrehan'ny mponina tany Jerosalema izay teny ambonin'ny mànda hampitahorany sy hampangorohoroany azy mba hahafahany ny tanàna.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7D5F7E22-964D-4E4C-B430-3E17C628CB6D
19
Ary Andriamanitr'i Jerosalema koa dia mba nolazainy toy ny filazàny ireny andriamanitry ny firenena tany amin'ny tany hafa ireny, izay asan-tànan'olona ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|89ADC4C0-C98F-4A14-A1F5-7C5EDD97721C
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany