Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary Josia nitandrina ny Paska tany Jerosalema ho an'i Jehovah; dia namono ny Paska ny olona tamin'ny andro fahefatra ambin'ny folo tamin'ny volana voalohany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5029C3DE-C1AD-43EE-98CF-ECD50E4B1CD0
2
Ary Josia nanendry ny mpisorona ho amin'ny anjara-raharahany avy ka namporisika azy hanao ny fanompoana ao an-tranon'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DBA62785-9E05-4393-B194-AD2BBAF0F5F1
3
Ary hoy izy tamin'ny Levita izay mpampianatra ny Isiraely rehetra sady efa masina ho an'i Jehovah: Apetraho ao an-trano nataon'i Solomona, zanak'i Davida, mpanjakan'ny Isiraely, ny fiara masina; fa izao dia efa tsy milanja azy intsony hianareo; koa manompoa an'i Jehovah Andriamanitrareo sy ny Isiraely olony;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3A53426B-852C-4F28-9F05-65A3731898E8
4
ary samia miomana araka ny fianakavianareo avy hianareo, dia araka ny antokonareo, araka ny voasoratr'i Davida, mpanjakan'ny Isiraely, sy araka ny voasoratr'i Solomona zanany koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5EBB7ABB-8A9F-439F-9491-187F1C9E4906
5
Ary mitsangàna eo amin'ny fitoerana masina araka ny fizaran'ny fianakavian'ny rahalahinareo amin'ny vahoaka sy araka ny fizaran'ny fianakavian'ny Levita.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|868B5195-C4C4-47EC-BE52-EB2F7A053289
6
Dia vonoy ny Paska, sady hamasino ny tenanareo, ka manamboara ho an'ny rahalahinareo, hanaovana araka ny tenin'i Jehovah izay nampilazainy an'i Mosesy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D6A623E4-8CEA-4D07-B8B9-8074472EA497
7
Ary ny vahoaka izay vory teo dia nomen'i Josia zanak'ondry sy zanak'osy, telo alina no isany -- hatao Paska avokoa ireo -- sy omby telo arivo; avy tamin'ny fananan'ny mpanjaka ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5FDB70C9-3413-4382-9F8E-DE0C7A40203B
8
Ary ny mpanapaka nanome an-tsitrapo ho an'ny olona sy ho an'ny mpisorona sy ny Levita. Ary Hilkia sy Zakaria sy Jehiela, mpanapaka ny tranon'Andriamanitra, nanome ondry aman-osy enin-jato amby roa arivo ho an'ny mpisorona hatao Paska ary omby telon-jato.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|173616B5-03A9-4808-B411-4C57A8B241E2
9
Ary Konania sy Semaia sy Netanela rahalahiny ary Hasabia sy Jeiela sy Jozabada, lehiben'ny Levita, nanome ondry aman-osy dimy arivo ho an'ny Levita hatao Paska ary omby diman-jato.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EB17BE2C-9984-44CD-BF73-47DA91CA5AC9
10
Koa dia vonona ny zavatra; ary ny mpisorona nitsangana teo amin'ny fitoerany avy, ary ny Levita araka ny antokony avy, araka ny didin'ny mpanjaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C7B335F0-0E99-41D8-9975-8136C361D4DF
11
Dia novonoin'ny olona ny Paska, ary natopin'ny mpisorona ny rao teny an-tànany, dia vao nohodiran'ny Levita kosa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|323F7CB0-1CBF-45BC-A1D8-1786B299F8BB
12
Dia natokany ny fanatitra dorana homen'ny olona araka ny fizaran'ny fianakaviany, mba hateriny ho an'i Jehovah araka izay voasoratra ao amin'ny bokin'i Mosesy. Ary toy izany koa tamin'ny omby.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B255DE70-5B5E-47B5-93E3-5D15F85C1149
13
Ary ny Paska natsatsika tamin'ny afo araka ny fanao; fa ny zava-masina kosa nandrahoiny tao anaty vilany sy vilanibe ary kasiteronina, dia nozarainy faingana tamin'ny olona rehetra izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|28B597BD-9E3D-4E44-AFEC-2CB6E0995181
14
Ary rehefa afaka izany, dia nanamboatra ho an'ny tenany sy ny mpisorona izy; fa ny mpisorona, taranak'i Arona, nanatitra ny fanatitra dorana sy ny saborany mandra-pahalin'ny andro; fa ny Levita kosa nanamboatra ny Paska ho an'ny tenany sy ny mpisorona, taranak'i Arona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7F0E2298-A727-43AC-9A88-79C358F5D918
15
Ary ny mpihira, taranak'i Asafa, nitoetra teo amin'ny fitoerany, araka ny didin'i Davida sy Asafa sy Hemana ary Jedotona, mpahitan'ny mpanjaka, ary ny mpiandry varavarana dia teo amin'ny isam-bavahady; fa tsy afaka niala tamin'ny fanompoany ireo, ka ny Levita rahalahiny no nanamboatra ho azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E02BC357-A8F8-4FC6-902A-4E0D2F43B860
16
Ary dia vonona androtrizay avokoa ny hatao fanompoana an'i Jehovah amin'ny hitandremana ny Paska sy ny hanaterana ny fanatitra dorana eo ambonin'ny alitaran'i Jehovah araka ny tenin'i Josia mpanjaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|84FEB18C-98E9-4B38-9100-C4C43DDEEC38
17
Ary ny Zanak'Isiraely izay vory teo dia nitandrina ny Paska fahizay sy ny andro firavoravoana hafitoana fihinanana ny mofo tsy misy masirasira.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|66C461BD-E653-40B4-8DC8-B402BB1543EF
18
Fa tsy nisy Paska notandremana toy izany teo amin'ny Isiraely na dia hatramin'ny andron'i Samoela mpaminany aza; ary ny mpanjakan'ny Isiraely rehetra tsy nisy nitandrina ny Paska tahaka izay nataon'i Josia sy ny mpisorona sy ny Levita ary ny Joda rehetra sy ny Isiraely izay vory teo ary ny mponina tany Jerosalema.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3163BD64-78AF-4B47-AE7C-64BFB0D71113
19
Tamin'ny taona fahavalo ambin'ny folo nanjakan'i Josia no nitandremana izany Paska izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A405688E-95F1-43EE-AC10-FE047F9BB7E3
20
Ary rehefa afaka izany rehetra izany, nony efa namboarin'i Josia ny tempoly, dia niakatra Neko, mpanjakan'i Egypta, hiady tany Karkemisy eo amoron'i Eofrata; ary Josia nivoaka hiady aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FA645540-8E9A-401F-A0BA-5471F4D16149
21
Fa Neko naniraka olona ho any aminy hanao hoe: Moa mifaninona akory izaho sy hianao, ry mpanjakan'ny Joda? Tsy ady aminao izao anio izao, fa amin'ny fahavaloko, sady nasain'Andriamanitra handeha faingana aho; koa aza manohitra an'Andriamanitra Izay momba ahy, fandrao matiny hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C50744AC-64E2-48EE-ADAB-BFF97422EA9E
22
Fa Josia tsy nety nihodina niala taminy, fa nody olon-kafa mba hiady taminy ka tsy nety nihaino ny tenin'i Neko, izay nampilazain'Andriamanitra azy, fa nandeha hiady taminy ihany teo amin'ny lohasahan'i Megido.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|71CDC973-9600-4B99-AA28-0FA4F428EF9D
23
Ary ny mpandefa tsipìka nahavoa an'i Josia mpanjaka; dia hoy ny mpanjaka tamin'ny mpanompony: Ento miala eto aho; fa voa mafy aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3D2857EA-A6D9-46F3-9ACD-45418F9A6678
24
Dia nesorin'ny mpanompony tamin'izany kalesy izany izy, ka napetrany tao amin'ny kalesiny faharoa ary nentiny ho any Jerosalema; dia maty izy ka nalevina tao am-pasan-drazany. Ary ny Joda sy ny Jerosalema rehetra dia nisaona an'i Josia.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|94774A44-9D3A-4034-885D-FD700101C427
25
Ary Jeremia dia nanao hira fisaonana an'i Josia, ary ny mpihiralahy sy ny mpihiravavy rehetra dia mahatsiahy an'i Josia mandraka andro-any, raha manao hira fisaonana, ka nataony fanao teo amin'ny Isiraely izany; ary, indro, efa voasoratra ao amin'ny hira fisaonana izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2306CDDA-F432-427F-8F05-133A50DBD4D1
26
Ary ny tantaran'i Josia sisa mbamin'ny soa nataony, araka izay efa voasoratra ao amin'ny lalàn'i Jehovah,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|009C746C-DEFD-4914-A45E-7A71A4526ED2
27
dia ny asany voalohany sy farany, indro, efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny mpanjakan'ny Isiraely sy ny Joda izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|02528083-7068-4516-AC70-09759A95D609
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany