IITantara 36: 1-23

Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary ny vahoaka naka an'i Joahaza, zanak'i Josia, ka nampanjaka azy tany Jerosalema handimby an-drainy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7182949B-2A41-4CD2-BA5A-FDC091D7DC01
2
Telo amby roa-polo taona Joahaza, fony izy vao nanjaka, ary telo volana no nanjakany tany Jerosalema.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6A5243CC-3A82-463D-A790-D1996CB2A479
3
Ary nesorin'ny mpanjakan'i Egypta tany Jerosalema izy, sady nampandoaviny sazy talenta volafotsy zato sy talenta volamena iray ny fanjakana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9C43E57C-9CDE-4CA9-9C12-931A98CD4D56
4
Ary ny mpanjakan'i Egypta nampanjaka an'i Eliakima, rahalahin'i Joahaza, tamin'ny Joda sy Jerosalema, ary ny anarany dia novany hoe Joiakima; ary Joahaza rahalahiny kosa dia nalainy ka nentiny ho any Egypta.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|772727E5-0C0E-4BBF-80F8-6C6F81B328BB
5
Dimy amby roa-polo taona Joiakima, fony izy vao nanjaka, ary iraika ambin'ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah Andriamaniny izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7EDB3811-4AA3-480B-8F07-6328402299B4
6
Ary Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, dia niakatra namely azy ka namatotra azy tamin'ny gadra varahina mba hitondra azy ho any Babylona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3487FF91-964E-4B9C-8202-1557283A58DF
7
Ary ny fanaka sasany tao an-tranon'i Jehovah dia nentin'i Nebokadnezara ho any Babylona koa ka nataony tao amin'ny tempoliny tany Babylona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3D04D7DC-5447-47D1-ABEB-DC67075E24A3
8
Ary ny tantaran'i Joiakima sisa sy ny fahavetavetana nataony mbamin'izay toetoeny rehetra, dia, indro, efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny mpanjakan'ny Isiraely sy ny Joda izany; ary Joiakina zanany no nanjaka nandimby azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9394C3FE-12E9-4E04-9D19-415B105E4307
9
Valo[Na: (Valo ambin'ny folo), izahao 2 Mpan. xxiv. 8.] taona Joiakina, fony izy vao nanjaka, ary telo volana sy hafoloana no nanjakany tany Jerosalema; ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|98AA486D-4213-4B23-8827-33D83135BE50
10
Ary nony niherina ny taona, dia naniraka Nebokadnezara mpanjaka ka nitondra azy mbamin'ny fanaka tsara tao an-tranon'i Jehovah ho any Babylona, dia nampanjaka an'i Zedekia rahalahin-drainy[Heb. rahalahiny.] tamin'ny Joda sy Jerosalema izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CA5EF973-AAA1-4BF3-BDF0-94085E6B3D03
11
Iraika amby roa-polo taona Zedekia, fony izy vao nanjaka, ary iraika ambin'ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|07AC0B3D-4A38-4E5F-BD55-10E89DF46BC7
12
Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah Andriamaniny izy, fa tsy nanetry tena teo anatrehan'i Jeremia mpaminany, izay nilaza ny tenin'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7600E31C-CB37-47FF-9C79-C160C25F9E15
13
Ary nikomy tamin'i Nebokadnezara mpanjaka izay efa nampianiana azy tamin'Andriamanitra koa izy; ary nanamafy ny hatony sy nanasarotra ny fony izy mba tsy hiverina ho amin'Andriamanitry ny Isiraely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|05CC1F69-16CC-47D4-9309-126B05364A37
14
Ary ny lehibe rehetra tamin'ny mpisorona sy ny vahoaka koa nanao izay mahadiso indrindra araka ny fahavetavetana rehetra fanaon'ny jentilisa ka nandoto ny tranon'i Jehovah tany Jerosalema izay nohamasininy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BC013023-B07B-439F-943B-9271C5455E9E
15
Kanefa Jehovah, Andriamanitry ny razany, nampitondra teny ny iraka izay nirahiny ho any aminy; eny, nifoha maraina koa Izy ka naniraka, fa namindra fo tamin'ny olony sy ny fonenany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ED74DA01-EBF2-491B-A1AC-12F57159D510
16
Kanjo ny olona nihomehy ireny irak'Andriamanitra ireny sady nanazimba ny teniny sy namazivazy ny mpaminaniny mandra-pihatry ny fahatezeran'i Jehovah taminy, ka tsy nisy nahavonjy azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A32597D3-F6DF-40FB-8470-ED38D4203AE1
17
Koa nentiny namely azy ny mpanjakan'ny Kaldeana, izay namono ny zatovony tamin'ny sabatra tao an-trano fitoerana masina, ary tsy nisy namindrany fo, na zatovo na virijina, na ny antitra sy ny fotsy volo; fa izy rehetra dia natolony ho eo an-tànany avokoa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DC19D103-A4FC-40DC-A1A0-4B40016772F9
18
Ary ny fanaka rehetra tao an-tranon'Andriamanitra, na ny vaventy na ny madinika, mbamin'ny rakitry ny mpanjaka sy ny mpanapaka, -- ireny rehetra ireny dia nentiny ho any Babylona avokoa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|24E50EF1-DA2F-46AC-B6D5-079568110496
19
Dia nodorany koa ny tranon'Andriamanitra, ary noravany ny màndan'i Jerosalema; ny lapan'andriana rehetra tao koa dia nodorany tamin'ny afo, ary ny fanaka rehetra tao nosimbany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C61A37E7-FA05-43B6-B4CB-CB0CD7CD5661
20
Ary ny olona sisa tsy matin-tsabatra dia nentiny ho babo tany Babylona, ka tonga mpanompo azy sy ny zanany ireny mandra-panjakan'ny mpanjakan'i Persia,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1DD67CC8-B61C-4B77-8D7A-E144E4AE91E2
21
hanatanterahana ny tenin'i Jehovah nampilazaina an'i Jeremia, mandra-panonitry ny tany ny Sabatany; fa tamin'ny andro rehetra izay nahafoanany dia natsahatra ny tany mba hanonitra[Izahao Lev xxvi. 34.] ny Sabatany mandra-pahatapitry ny fito-polo taona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|43E26AE2-720C-4F4C-877B-FBB1B5CAEE82
22
Ary tamin'ny taona voalohany nanjakan'i Kyrosy, mpanjakan'i Persia, dia notairin'i Jehovah ny fanahin'i Kyrosy, mpanjakan'i Persia, mba hanatanteraka ny tenin'i Jehovah izay nampilazainy an'i Jeremia, ka dia nandefa teny eran'ny fanjakany rehetra izy, sady nataony an-tsoratra koa izany hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C7A2A5E8-1CED-4DD0-896B-75021C3EAE9E
23
Izao no lazain'i Kyrosy, mpanjakan'i Persia: Ny fanjakana rehetra ambonin'ny tany dia efa nomen'i Jehovah, Andriamanitry ny lanitra, ahy; ary Izy efa nandidy ahy hanao trano ho Azy any Jerosalema izay any Joda. Koa iza avy moa aminareo rehetra no olony? Jehovah Andriamaniny anie homba azy, fa aoka hiakatra izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E34DA2D9-6023-4A55-898F-BCE7A00F0126
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany