Ezra 7: 1-28

Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary rehefa afaka izany, tamin'ny nanjakan'i Artaksersesy, mpanjakan'i Persia, dia niakatra Ezra, zanak'i Seraia, zanak'i Azaria, zanak'i Hilkia,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8542A53F-8E5B-48F8-989E-61CD74BD7965
2
zanak'i Saloma, zanak'i Zadoka, zanak'i Ahitoba,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6C35144C-54F7-4834-9618-7D8F1666EACC
3
zanak'i Amaria, zanak'i Azaria, zanak'i Meraiota,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6162CCC9-09C4-4D75-A607-1B5CEA2D2C2F
4
zanak'i Zerahia, zanak'i Ozy, zanak'i Boky,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3D16EC0A-B4B5-4D82-85A1-CF5AD0001C53
5
zanak'i Abisoa, zanak'i Finehasa, zanak'i Eleazara, zanak'i Arona mpisoronabe;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|148FB8A8-813B-4D25-8E1D-7E2DA3E33FF3
6
io Ezra io dia niakatra avy tany Babylona (mpanora-dalàna izy sady nahay ny lalàn'i Mosesy, izay efa nomen'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely); ary nomen'ny mpanjaka azy izay rehetra nangatahiny, araka ny nomban'ny tànan'i Jehovah Andriamaniny azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|771F2E04-A386-45DA-B67D-EBA08871C10A
7
Ary niakatra koa ny sasany amin'ny Zanak'Isiraely sy ny sasany amin'ny mpisorona mbamin'ny Levita sy ny mpihira sy ny mpiandry varavarana ary ny Netinima mba hankany Jerosalema tamin'ny taona fahafito nanjakan'i Artaksersesy mpanjaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|85685387-99E1-4A80-AC92-41D3F16FA42E
8
Ary tonga tany Jerosalema Ezra tamin'ny volana fahadimy tamin'ny taona fahafito nanjakan'ny mpanjaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|12507A32-93F3-4C6A-B36B-531094C1D6FD
9
Fa tamin'ny andro voalohany tamin'ny taona voalohany no niaingany niakatra avy tany Babylona; ary tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana fahadimy no nahatongavany tany Jerosalema araka ny soa nataon'ny tànan'Andriamaniny taminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|29DFEDF8-1637-4752-AB24-349588AE1EBB
10
Fa Ezra nampiomana ny fony hitady ny làlan'i Jehovah ka hankatô izany ary hampianatra ny Isiraely ny didy sy ny fitsipika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B793F8E8-5D9D-443B-8ABB-688F018A9138
11
Ary izao no tenin'ny taratasy izay nomen'i Artaksersesy mpanjaka an'i Ezra mpisorona, ilay mpanora-dalàna mahay ny tenin'ny lalàn'i Jehovah sy ny didiny tamin'ny Isiraely:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E305D49A-D46C-4D92-B5CB-C49D0120CA87
12
Artaksersesy, mpanjakan'ny mpanjaka, ho an'i Ezra mpisorona, mpanora-dalàna mahay tsara ny lalàn'Andriamanitry ny lanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|63ABEAAC-7838-438E-BCA3-3E2E1B9FE854
13
Izaho manao didy fa na iza na iza eto amin'ny fanjakako amin'ny olona Isiraely sy ny mpisorony ary ny Levita no te-hiaraka aminao hankany Jerosalema, dia mahazo mandeha izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|31B5698B-273C-42AD-9361-4068710FB142
14
Fa hianao efa nirahin'ny mpanjaka sy izy fito lahy mpanolo-tsainy handinika ny toetran'i Joda sy Jerosalema araka ny lalàn'Andriamanitrao izay eny an-tànanao;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D069BB7D-6F7F-4C61-9345-F07285DFC7F4
15
ary hitondra ny volafotsy sy ny volamena izay efa naterin'ny mpanjaka sy ireo mpanolo-tsaina tamin'ny sitra-po ho an'Andriamanitry ny Isiraely, Izay monina any Jerosalema;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|41FC82C3-A63D-4045-8E55-F98202C93E0E
16
ary ny volafotsy sy ny volamena rehetra izay ho azonao eran'ny tany Babylona sy ny fanati-tsitrapo aterin'ny olona sy ny mpisorona, dia izay ateriny amin'ny sitrapo hanaovany ny tranon'Andriamaniny, izay any Jerosalema.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F40355BC-464F-4AAB-AE19-41374AC23418
17
Koa amin'izany dia ividiano omby sy ondrilahy sy zanak'ondry mbamin'ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra aidina momba azy amin'io vola io araka izay marina, ka atero eo ambonin'ny alitara ao an-tranon'Andriamanitrareo izay any Jerosalema ireny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|903D8C2E-3515-4F54-A7BE-987CDFFD3D0A
18
Ary izay rehetra sitrakao sy ny rahalahinao hatao amin'ny volafotsy sy ny volamena sisa, dia ataovy izany araka ny sitrapon'Andriamanitrareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|69AB5F89-EE10-4033-96A7-2B2DA7B11B53
19
Ary ny fanaka izay nomena anao hanaovana ny fanompoana ao an-tranon'Andriamanitrao dia atolory eo anatrehan'Andriamanitra any Jerosalema.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5F61C2A6-5ADD-45C4-966E-C6BE5F11B4FD
20
Ary izay rehetra mbola hilainao koa ka tsy maintsy haloanao ho an'ny tranon'Andriamanitrao dia alao ao amin'ny trano firaketan'ny mpanjaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|95787529-651F-41CC-84C0-1200EDE25940
21
Ary izaho, Artaksersesy mpanjaka, dia manao didy koa ho amin'ny mpitahiry ny haren'ny fanjakana rehetra izay any an-dafin'ny ony, fa na inona na inona no ilain'i Ezra mpisorona, mpanora-dalàna mahay ny lalàn'Andriamanitry ny lanitra, aminareo, dia tovy marina izany,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9FBBFFAE-0AAC-476F-BCC8-B829D7CFB3CD
22
na hatramin'ny talenta volafotsy zato sy ny vary tritika zato kora sy ny divay zato bata sy ny diloilo zato bata ary ny sira tsy misy fatrany aza.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1CE70FBC-5F40-4859-B0C1-378D30CAE523
23
Na inona na inona andidian'Andriamanitry ny lanitra dia aoka hataonao tanteraka avokoa ho an'ny tranon'Andriamanitry ny lanitra; fa nahoana no havela hisy fahatezerana hihatra amin'ny fanjakan'ny mpanjaka sy ny zanany?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C7998092-03FE-480D-B5EC-ECB274EAC233
24
Ary mampahafantatra anareo koa izahay fa ny mpisorona rehetra sy ny Levita sy ny mpihira sy ny mpiandry varavarana sy ny Netinima ary ny mpanompo amin'io tranon'Andriamanitra io dia tsy mba hampandoavina hetra, na haba, na sara.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|01B1D78B-9BD6-4341-9C08-911BE1BBAD47
25
Ary hianao, ry Ezra, araka ny fahendren'Andriamanitrao izay eo an-tànanao, dia manendre mpanapaka sy mpitsara, izay hitsara ny olona rehetra any an-dafin'ny ony, dia izay rehetra mahalala ny lalàn'Andriamanitrao; fa izay tsy mbola mahalala izany dia aoka hampianarinareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CEE4711F-4AA0-4EC9-BB7B-24F79FDAA2E7
26
Ary na iza na iza tsy mety mankatô ny lalàn'Andriamanitrao sy ny lalàn'ny mpanjaka, dia aoka hotsaraina marina izy na hovonoina, na horoahina, na hosazina, na hafatotra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|54887869-E799-42D1-8B66-A13FD44B5C5B
27
Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny razantsika, Izay efa nanisy izany tao am-pon'ny mpanjaka hahatsara tarehy ny tranon'i Jehovah any Jerosalema,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|445DCF40-1373-4DC6-93F1-0FCA0EF32C95
28
sady efa nampahazo ahy famindrampo teo anatrehan'ny mpanjaka sy ireo mpanolo-tsainy ary ny mpanapaka lehibe rehetra ao amin'ny mpanjaka. Ary dia nampaherezina aho araka ny nomban'ny tànan'i Jehovah Andriamanitro ahy ka nahangona loholona tamin'ny Isiraely mba hiara-miakatra amiko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|073DC2B7-5F55-4A4C-8372-3999194B639D
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany