Ezra 8: 1-36

Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary izao no lohan'ny fianakaviana sy filazana ny firazanan'ny olona izay niara-niakatra tamiko avy tany Babylona tamin'ny nanjakan'i Artaksersesy mpanjaka:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5A906D88-FDA3-4B68-8C79-16A2E42C4C77
2
Gersoma, avy tamin'ny taranak'i Finehasa; Daniela, avy tamin'ny taranak'Itamara; Hatosy, avy tamin'ny taranak'i Davida;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|791DA0C6-5556-4F5F-A3CA-F654053023EA
3
Zakaria, avy tamin'ny taranak'i Sekania (avy tamin'ny zanak'i Parosy), mbamin'ny namany dimam-polo amby zato lahy voasoratra araka ny firazanany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C4206875-3E00-4FD4-9187-035DECD82187
4
Elihoenay, zanak'i Zerahia, avy tamin'ny taranak'i Pahata-moaba, mbamin'ny namany roan-jato lahy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7F69716A-C68B-4E07-AB69-1A9412934D51
5
ny zanak'i Jahaziela, avy tamin'ny taranak'i Sekania, mbamin'ny namany telon-jato lahy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B7F926BE-E817-4C2D-8AC4-764274E18E03
6
Ebeda, zanak'i Jonatana, avy tamin'ny taranak'i Adina, mbamin'ny namany dimam-polo lahy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1C079902-5CA0-4046-96A5-C4C144685378
7
Jesaia, zanak'i Atalia, avy tamin'ny taranak'i Elama, mbamin'ny namany fito-polo lahy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|160427C3-4364-4DC5-9C64-AF560DBBE4C7
8
Zebadia, zanak'i Mikaela, avy tamin'ny taranak'i Sefatia, mbamin'ny namany valo-polo lahy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E2989E54-0222-486D-A910-BB0356CB8BCB
9
Obadia, zanak'i Jehiela, avy tamin'ny taranak'i Joaba, mbamin'ny namany valo ambin'ny folo amby roan-jato lahy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9881A06F-DBAD-4BD2-8B56-ED1AE4B24E5C
10
sy ny zanak'i Josifia, avy tamin'ny taranak'i Selomita, mbamin'ny namany enim-polo amby zato lahy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|054E6C40-3C86-4503-9424-D44B6C7BE026
11
Zakaria, zanak'i Bebay, avy tamin'ny taranak'i Bebay, mbamin'ny namany valo amby roa-polo lahy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|267C0219-63DF-458B-8D7E-B4C74DC026E2
12
Johanana, zanak'i Hakatana, avy tamin'ny taranak'i Azgada, mbamin'ny namany folo amby zato lahy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|799A4758-314D-4737-8E16-F1D3B6F91288
13
ary ny avy tamin'ny taranak'i Adonikama, zandriny taoriana ireo, ary izao no anarany: Elifeleta sy Jeiela sy Semaia mbamin'ny namany enim-polo lahy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|19DB4CAD-38B6-4865-A12D-EDE7D6E41532
14
Otahy sy Zaboda, avy tamin'ny taranak'i Bigvay, mbamin'ny namany fito-polo lahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DF45BE4A-3A5D-449A-84E1-63676AC804CF
15
Ary novoriko teo amoron'ny ony mankany Ahava izy, ka nilasy teo hateloana izahay; ary nony nandinika ny olona sy ny mpisorona aho, dia nahita fa tsy nisy taranak'i Levy teo na dia iray akory aza.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5B270EE3-AE5F-497F-A0C5-7736133495F1
16
Ka dia nirahiko Eliezera sy Ariela sy Semaia sy Elnatana sy Jariba sy Elnatana sy Natana sy Zakaria sy Mesolama (samy loholona ireo) ary Joariba sy Elnatana (samy mpampianatra ireo).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|729017FF-44D6-4FCE-8BE3-A71C65492EB5
17
Ary nampitondraiko teny ho any amin'Ido, loholona any Kasifia, mba ho entiny any aminay izay ho mpanao fanompoam-pivavahana ao an-tranon'Andriamanitray.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1860FF51-6509-4D39-937F-AC5B0C91AD98
18
Ary araka ny soa nataon'ny tànan'Andriamanitray taminay no nitondrany olon-kendry anankiray ho any aminay avy tamin'ny taranak'i Maly, zanak'i Levy, zanak'Isiraely, ary Serebia, sy ny zanany mbamin'ny rahalahiny, valo ambin'ny folo lahy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|134BDF46-69EA-4AAD-80BD-D3413688341B
19
ary Hasabia sy Jesaia, avy tamin'ny taranak'i Merary, mbamin'ny rahalahiny ary ny zanany roa-polo lahy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C6FFE148-5761-48B7-A931-57AB7BD0802A
20
ary avy tamin'ny Netinima, izay notendren'i Davida sy ny mpanapaka hanompo ny Levita, dia roa-polo amby roan-jato lahy; notononina anarana avokoa ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E56EF4F7-4883-4732-A32A-3EE8EF0CDACA
21
Dia niantso andro fifadian-kanina aho teo amoron'ny ony Ahava hampahorianay tena eo anatrehan'Andriamanitray, mba hangataka Azy hahalavorary ny dianay sy ny an'ny vady aman-janakay ary ny biby fiompinay rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E4A304D4-14B1-479A-968E-CC360E3F056D
22
Fa nahamenatra ahy ny hangataka miaramila sy mpitaingin-tsoavaly amin'ny mpanjaka hiaro anay amin'ny fahavalonay eny an-dàlana, satria efa niteny tamin'ny mpanjaka izahay ka nanao hoe: Ny tànan'Andriamanitray mahasoa izay rehetra mitady Azy; fa ny heriny sy ny fahatezerany kosa mamely izay rehetra mahafoy Azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5B48BED8-F872-494C-8D48-DCC81CEEAED1
23
Ary nifady hanina izahay ka nangataka izany tamin'Andriamanitray, dia nihaino anay Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|67EAF2A8-B179-4B44-831A-9FC607E13522
24
Ary nanokana roa ambin'ny folo lahy tamin'ny lohan'ny mpisorona aho, dia Serebia sy Hasabia ary rahalahiny folo lahy no namany,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3D2BB8B1-A200-40B5-9AAF-2C684066EEC9
25
ka nolanjaiko ny volafotsy sy ny volamena horaisiny mbamin'ny fanaka, dia ny fanatitra ho ao an-tranon'Andriamanitray, izay efa naterin'ny mpanjaka sy ireo mpanolo-tsainy sy ireo mpanapaka ary ny Isiraely rehetra izay vory teo;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D684E160-1C16-4193-ACA7-64E96F651FF8
26
eny, nolanjaiko hatolotra azy ny volafotsy dimam-polo amby enin-jato sy fanaka volafotsy, lanjan'ny talenta zato, ary talenta volamena zato
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|928660D7-4185-41B5-9934-FAA3672C490F
27
sy kapoaka volamena misarona roa-polo, lanjan'ny darika arivo, ary fanaka varahina roa manganohano, tsara toy ny volamena.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|70ED828D-CA47-489D-A896-DBB6F0B63D6F
28
Ary hoy izaho taminy: Hianareo dia masina ho an'i Jehovah, sady masina koa ny fanaka; ary ny volafotsy sy ny volamena dia fanati-tsitrapo ho an'i Jehovah, Andriamanitry ny razanareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E968B63F-16B7-4EC5-9323-37842AE52AB9
29
Koa miambena hianareo, ka tandremo ireny mandra-pandanianareo azy indray eo anatrehan'ny lohan'ny mpisorona sy ny Levita ary ny lohan'ny fianakaviana amin'ny Isiraely any Jerosalema, dia amin'ny efi-trano ao an-tranon'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|22C37F7B-E0AF-4888-AF06-7AA6A8C55A59
30
Dia noraisin'ny mpisorona sy ny Levita izany volafotsy sy volamena ary fanaka voalanja izany mba ho entiny ho any Jerosalema ho ao an-tranon'Andriamanitray.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9C0E1484-122D-4484-832E-F555F7617922
31
Dia niala teo amin'ny ony Ahava izahay tamin'ny andro faharoa ambin'ny folo tamin'ny volana voalohany mba hankany Jerosalema; ary ny tànan'Andriamanitray nomba anay, ka Izy no namonjy anay tamin'ny tànan'ny fahavalo sy ny mpanotrika teny an-dàlana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3003E08C-654C-41F2-B8F0-D281CC673F64
32
Ary nony tonga tany Jerosalema izahay, dia nijanona hateloana aloha.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CAFCAA02-851C-4F2B-B3A6-E64AA45428D0
33
Ary tamin'ny andro fahefatra no nandaniana ny volafotsy sy ny volamena ary ny fanaka ho eo an-tànan'i Meremota, zanak'i Oria mpisorona, tao an-tranon'Andriamanitray; ary teo aminy koa Eleazara, zanak'i Finehasa; ary teo amin'izy roa lahy koa Jozabada, zanak'i Jesoa, sy Noadia, zanak'i Binoy; Levita izy roa lahy ireo;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8927C6D6-7FED-4E51-B1CA-C33377BCDCAA
34
an-isany sy an-danjany izany rehetra izany; ary voasoratra tamin'izany andro izany ny lanjany rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|46BE389B-BC24-418F-AEED-1C9133ED1DAB
35
Ary ny olona izay niverina avy tamin'ny fahababoana dia nanatitra fanatitra dorana ho an'Andriamanitry ny Isiraely, dia vantotr'ombilahy roa ambin'ny folo ho an'ny Isiraely rehetra sy ombilahy enina amby sivi-folo sy zanak'ondry fito amby fito-polo ary osilahy roa ambin'ny folo ho fanatitra noho ny ota: fanatitra dorana ho an'i Jehovah ireo rehetra ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|743C98BF-FCE5-42A8-A316-605A51C45975
36
Ary ny didin'ny mpanjaka dia natolony tamin'ny solo-mpanjaka sy ny mpanapaka tamin'ny ety an-dafin'ny ony ety; ary izy ireo nampandroso ny olona sy ny tranon'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|88E2F0BA-0059-4EDE-BEE7-1EC4D65EF2F3
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany