Ezra 8: 21-23

Andininy
Protestanta Malagasy
21
Dia niantso andro fifadian-kanina aho teo amoron'ny ony Ahava hampahorianay tena eo anatrehan'Andriamanitray, mba hangataka Azy hahalavorary ny dianay sy ny an'ny vady aman-janakay ary ny biby fiompinay rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E4A304D4-14B1-479A-968E-CC360E3F056D
22
Fa nahamenatra ahy ny hangataka miaramila sy mpitaingin-tsoavaly amin'ny mpanjaka hiaro anay amin'ny fahavalonay eny an-dàlana, satria efa niteny tamin'ny mpanjaka izahay ka nanao hoe: Ny tànan'Andriamanitray mahasoa izay rehetra mitady Azy; fa ny heriny sy ny fahatezerany kosa mamely izay rehetra mahafoy Azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5B48BED8-F872-494C-8D48-DCC81CEEAED1
23
Ary nifady hanina izahay ka nangataka izany tamin'Andriamanitray, dia nihaino anay Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|67EAF2A8-B179-4B44-831A-9FC607E13522
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany