Andininy
Protestanta Malagasy
32
tsy hividy zavatra amin'ny andro Sabata, na amin'izay andro masina, raha misy entana na vary entin'ny tompon-tany hamidy amin'ny andro Sabata, ary tsy hamboly zavatra amin'ny taona fahafito sady hamoy izay trosa rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4DF48EB1-9812-4557-BAE7-13E0D01A8F81
33
Ary nanao lalàna ho anay koa izahay handoa ny ampahatelon-tsekely isan-taona hanaovana ny fanompoana momba ny tranon'Andriamanitsika:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|38061F3E-E9FA-4293-B8A5-77D2CFA5647F
34
dia ho amin'ny mofo aseho sy ny fanatitra hohanina mandrakariva sy ny fanatitra dorana mandrakariva, ary ho amin'ny Sabata sy ny voaloham-bolana sy ny fotoam-pivavahana, ary ho amin'ny zava-masina sy ny fanatitra noho ny ota hanaovana fanavotana ho an'ny Isiraely, dia hanaovana ny raharaha rehetra momba ny tranon'Andriamanitsika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9812C910-3C30-47EE-9E2C-73D523E7F31B
35
Ary nanao filokana izahay ny amin'ny hanateran'ny mpisorona sy ny Levita sy ny olona ny kitay hazo, hitondranay azy ho ao an-tranon'Andriamanitra araka ny fianakavianay avy amin'ny fotoan'andro isan-taona, handoroana eo ambonin'ny alitaran'i Jehovah Andriamanitsika araka izay voasoratra ao amin'ny lalàna,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1D109261-D9A6-4D45-84B2-B1C381E44AAE
36
ary mba hitondranay ny voaloham-bokatry ny taninay sy ny voaloham-bokatry ny hazo mamoa rehetra ho ao an-tranon'i Jehovah isan-taona isan-taona;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6D830DD1-D2A6-44B3-ACC4-F034338392EF
37
ary ny lahimatoanay sy ny voalohan-teraky ny biby fiompinay, araka izay voasoratra ao amin'ny lalàna, ary ny voalohan-teraky ny ombinay sy ny ondry aman'osinay dia nekenay hohentina ho an-tranon'i Jehovah Andriamanitsika, ho an'ny mpisorona izay manao fanompoam-pivavahana ao an-tranon'Andriamanitsika;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DDB9100D-987F-4430-9813-4428BC81C6E7
38
ary mba hitondranay ho an'ny mpisorona koa ny voalohan'ny kobanay voafetafeta sy ny fanatitra asandratray sy ny voaloham-bokatry ny hazo rehetra sy ny ranom-boaloboka ary ny diloilo ho amin'ny efi-trano ao an-tranon'Andriamanitsika, ary ny ampahafolon'ny vokatry ny taninay ho an'ny Levita; fa ny Levita no mpandray ny fahafolon-karena eny an-tanàna rehetra akaikin'ny fambolenay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5805B3E3-F4FA-4563-A0B4-15B9C37E0DC1
39
Ary hisy mpisorona anankiray, taranak'i Arona, hiaraka amin'ny Levita, raha mandray ny fahafolon-karena izy; ary ny ampahafolon'ny fahafolon-karena dia ho entin'ny Levita miakatra ho ao an-tranon'Andriamanitsika, ho ao amin'ny efi-trano ao an-trano fitehirizan-drakitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C3A2D647-F5E8-4A7F-8548-60D34126221D
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany