Nehemia 13: 17-22

Andininy
Protestanta Malagasy
17
Dia nifandahatra tamin'ireo manan-kaja amin'ny Joda aho ka nanao taminy hoe: Inona izao zava-dratsy ataonareo izao, no dia mandoto ny andro Sabata ianareo?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|05630A62-BD4C-4115-BB8F-FF3E30DB050E
18
Tsy nanao toy izao va ny razanareo, ka dia nahatran'Andriamanitsika amintsika sy amin'ity tanàna ity izao loza rehetra izao? fa ianareo izao dia efa mampitombo ny fahatezerana mirehitra izay mihatra amin'ny Isiraely amin'ny andotoanareo ny Sabata.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B1910736-A37B-481A-AD71-8E62912CFB4F
19
Ary raha vao malomaloka ny vavahadin'i Jerosalema talohan'ny Sabata, dia nasaiko nohidiana ny vavahady, ka tsy navelako hovohana mandra-pahatapitry ny Sabata ary notendreko ny zatovoko sasany hiambina teo am-bavahady mba tsy hampidirana entana amin'ny andro Sabata.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|090A4222-A1FD-4A5A-9E95-0B0F2F05BC71
20
Ka dia nandry teo ivelan'i Jerosalema indray mandeha na indroa ny mpandranto sy ny mpivarotra zavatra samy hafa;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|20AE0D32-3C6C-4087-808C-247A2D3E091C
21
dia nananatra azy mafy aho ka nanao taminy hoe: Nahoana ianareo no mandry eto anilan'ny manda Raha mbola manao izany indray ianareo, dia hosamboriko. Koa hatramin'izany andro izany dia tsy tonga tamin'ny Sabata intsony izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E617CA81-D31F-41A3-8724-12ED9C936C76
22
Ary ny Levita dia nasaiko nanadio ny tenany ka ho avy hiambina eo am-bavahady, mba hanamasinany ny andro Sabata. Tsarovy aho noho izany koa, ry Andriamanitro ô, ary iantrao aho araka ny haben'ny famindram-ponao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0E37D49E-4026-450A-9A3D-6DD6431BBEFA
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany