Andininy
Protestanta Malagasy
7
dia nasiako olona teo amin'ny fitoerana ambany, teo ivelan'ny manda sy teo an-karihary; eny, nalahatro ny olona araka ny fokony avy, samy nitàna sabatra sy lefona ary tsipìka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E69B71DF-BA2D-4021-968E-5A30F67E6747
8
Dia nijery aho sady nitsangana ka nilaza tamin'ny manan-kaja sy ny mpanapaka mbamin'ny vahoaka sisa hoe: Aza matahotra azy ianareo; ny Tompo lehibe sy mahatahotra no tsarovy, ka miadia hiaro ny rahalahinareo sy ny zanakareo-lahy sy ny zanakareo-vavy sy ny vadinareo ary ny tranonareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F08C9CB8-06E9-4ABF-9478-11A3EDAB4F0D
9
Ary nony ren'ny fahavalontsika fa efa fantatray izany, sady efa nofoanan'Andriamanitra ny heviny, dia niverina ho amin'ny manda izahay rehetra, samy ho amin'ny asany avy indray.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0F7D536D-DE41-4E08-9432-4775EE854703
10
Ary hatramin'izay andro izay ny antsasaky ny zatovoko dia nanao ny asa, ary ny antsasany kosa nitàna lefona aman'ampinga sy tsipìka ary akanjo fiarovan-tratra; ary ny mpanapaka dia teo ivohon'ny fianakaviana rehetra amin'ny Joda.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7A71AEDB-11ED-4FD0-9E21-3428E93156C6
11
Ary izay nandrafitra ny manda sy ny mpitondra entana izay nanangona ny korontam-bato sy ny tany dia samy niasa tamin'ny tànany anankiray, ary nitan-defona kosa ny tànany anankiray.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FB823DAC-4AD0-4460-A6EA-9626826DDA0C
12
Ary ny mpandrafitra rehetra dia samy nanana ny sabany voafehy tamin'ny valahany avy, ka dia nandrafitra. Ary ny mpitsoka ny anjomara dia teo anilako.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EC18441E-76DA-4C23-9C6E-24ED0A8AD657
13
Ary hoy izaho tamin'ny manan-kaja sy ny mpanapaka ary ny vahoaka sisa: Be sady malalaka ny asa, ka dia misaratsaraka eny ambonin'ny manda isika ka mifanalavitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9E49AFB1-2D5C-42D4-9A4E-E4A7F442C580
14
Koa eo amin'izay fitoerana andrenesanareo ny feon'ny anjomara dia mivoria ho any aminay ianareo; fa Andriamanitsika no hiady ho antsika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|98AB25EC-5F3B-4B6F-8A35-2D3C40FC6A12
15
Dia nanao ny asa izahay, ary ny antsasany kosa nitan-defona hatramin'ny mazavaratsy ka mandra-piposaky ny kintana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|51D03856-25AC-4657-B3E2-2F9BA421EB76
16
Ary tamin'izany andro izany dia hoy koa aho tamin'ny olona: Samia mitoetra ato Jerosalema ianareo mbamin'ny zatovonareo, mba hiambina antsika raha alina ireo ary hiasa raha antoandro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5DC44A57-22C2-46F2-A343-BDE12B6C0CAE
17
Fa izaho sy ny rahalahiko mbamin'ny zatovoko sy ny mpiambina, izay nanaraka ahy, dia samy tsy niala akanjo, sady tsy nisy nandro akory.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|73A8AF3E-E84A-417F-B020-36D616AA2939
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany