Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary rehefa ren'i Sanbala sy Tobia sy Gasema Arabo mbamin'ny namany fahavalonay fa efa nanao ny manda aho, ka tsy nisy banga intsony teo (kanefa tamin'izany andro izany tsy mbola voalatsako ny lela-vavahady),
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4BB70B48-9237-496B-9129-F80AC0B5FA50
2
dia naniraka ho any amiko Sanbala sy Gasema ka nanao hoe: Avia isika hihaona ao amin'izay vohitra anankiray amin'ny tany lemak'i Ono. Kanjo nikasa hanisy ratsy ahy izy roa lahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8C9625D9-CF41-45F7-A420-F76EC25C3017
3
Dia naniraka olona hankany aminy kosa aho hanao hoe: Asa lehibe no ataoko, ka tsy afa-midina aho; nahoana no hilaozako midina any aminareo ny asa ka hatsahatra?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E2B13FAA-4273-4EBE-955A-939FC49B911D
4
Kanefa mbola naniraka tamiko inefatra araka izany ihany izy; ary izaho kosa dia mbola namaly azy toy izany ihany koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1EF692A1-E537-4C5B-BE52-ADBFA6B84B2C
5
Dia nirahin'i Sanbala fanindiminy ny zatovony hankeo amiko araka izany ihany, nitondra taratasy nivelatra teny an-tànany,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DB8DB69E-FA2A-4A86-A5AD-53FAC74ECDBF
6
izay nisy soratra hoe: Efa mahoraka any amin'ny firenena maro izao teny izao, sady lazain'i Gasema hoe: Hianao sy ny Jiosy dia mikasa hikomy, ka izany no anaovanao ny manda, ary araka izany teny izany dia mikasa ho mpanjakany, hono, ianao,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E509FEF1-1467-4933-96BE-C236644D482C
7
sady efa nanendry ny mpaminany maro hilaza anao any Jerosalema hoe Mpanjaka any Joda; ary ankehitriny dia ho ren'ny mpanjaka izany teny izany; koa avia isika hiara-mihevitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0F05CB35-10B8-4F73-845E-97F9B30B348B
8
Dia naniraka ho any aminy aho hanao hoe: Tsy marina izany zavatra lazainao izany, fa tao am-ponao ihany no namoronanao izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|46B5ACA3-D655-4116-B77B-E7D0F6A07F6B
9
Fa ta-hampahatahotra anay izy rehetra, ka hoy izy: Ho kivy amin'ny asa izy ka tsy hahatontosa. Koa ankehitriny ampaherezo e ny tanako!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A2F8B395-35D5-460C-A37C-D768ABE0D494
10
Ary izaho dia tonga tao an-tranon'i Semaia, zanak'i Delaia, zanak'i Mehetabela, izay nihidy trano tao; dia hoy izy: Andeha isika hiditra ao an-tranon'Andriamanitra ao anatin'ny tempoly, ary aoka harindrintsika ny varavarana, fa ho avy hamono anao izy, eny, ho avy alina hamono anao izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5B305214-2831-44C4-879E-D10E899ECCD2
11
Fa hoy izaho: Moa ny lehilahy tahaka ahy tokony handositra va? Ary iza no olona tahaka ahy no mahazo miditra ao amin'ny tempoly ka ho velona? Tsy hiditra ao aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E5AA5E68-3BE5-4A57-B3F9-121BAA8D316E
12
Ary hitako fa, indro, tsy Andriamanitra no naniraka azy, fa nilaza izany faminaniana izany hamitahany ahy izy, satria notambazan'i Tobia sy Sanbala.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C30FA705-644D-4DF2-ABC3-F7E69D7BB7C8
13
Izany no nanambazany azy, mba hampitahotra ahy hanaovako izany ka hanotako, dia hahazoany teny tatsy hanaratsiany ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|91607194-437F-45F1-B25F-150D0FF45C91
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany