Estera 1: 1-7

Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary tamin'ny andro nanjakan'i Ahasoerosy (ity Ahasoerosy ity ilay nanjaka hatrany India ka hatrany Etiopia, ka nizarazara ho fito amby roa-polo amby zato toko ny fanjakany),
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|43CAF59D-3BD1-4504-932F-9AD87DAE20E3
2
dia tamin'izany andro izany, raha nipetraka teo ambonin'ny seza fiandrianian'ny fanjakany, izay tany Sosana renivohitra, Ahasoerosy mpanjaka,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BA547723-C7A8-4813-9124-4D9CEFAD3900
3
tamin'ny taona fahatelo nanjakany, dia nanao fanasana ho an'ny mpanapaka sy ny mpanompony rehetra izy; Ary teo anatrehany koa ny lehiben'ny miaramilan'i Persia sy Media sy ny mpanapaka mbamin'ireo komandin'ny isan-tokony amin'ny fanjakany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3D5B2980-76F2-4B4B-9F49-3594061F2294
4
Ary nasehony andro maro, dia ny valo-polo amby zato andro, ny harena amam-boninahitry ny fanjakany Ary ny tabiha sy rehareha momba ny fahelehibiazany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|22BF08FB-ABB1-4570-9C85-965FDF02C0AF
5
Ary rehefa tapitra izany andro izany, ny olona rehetra izay tany Sosana renivohitra, na lehibe na kely, dia nanaovan'ny mpanjaka fanasana naharitra hafitoana teo amin'ny kianjan'ny tanimbolin'ny tranon'ny mpanjaka;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2A8CC5AA-063C-4CD5-B53F-0A8BFF5BBF6A
6
Ary nisy lamba fotsy misoratsoratra sy manga nifehy tamin'ny kofehy rongony fotsy sy volomparasy tamin'ny masom-bolafotsy sy tsangantsangany vato marmora fotsy; Ary nisy farafara volamena sy volafotsy teo amin'ny lampivato alabastara sy marmora tsy sy hara Ary marmora mainty.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|76D15275-8DEE-4EF4-8E23-A5C2084CE006
7
Ary ny olona dia nampisotroina tamin'ny kapoaka volamena (samy hafa avokoa ny kapoaka), Ary betsaka ny divain'ny andriana araka ny fanomen'ny mpanjaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|14266C37-7144-4FE8-9865-059B09E68A82
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany