Andininy
Protestanta Malagasy
1
DIA namaly Zofara Namatita ka nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|32D0C9BE-BD78-4890-8869-917477A2235A
2
Moa tsy hovaliana va ny teny be toy izany? Ary moa raha maro vava, dia ho marina va?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4BAEA617-1E57-48FB-83DD-BB902A60D364
3
Ny bedibedinao va no hampangina ny olona? Ka dia haniratsira hianao, ka tsy hisy handresy lahatra,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8DA0C220-EED3-418A-BD67-38114DDBE0AF
4
Ary dia hiteny hoe: Madio ny teny nalahatro, Ary tsy nanan-tsiny teo imasonao aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C0425DF1-7F03-4D32-A0DC-E7A71B830C8D
5
Enga anie ka hiteny Andriamanitra Ka hiloa-bava hamaly anao!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|22034711-8632-4A1E-A96E-F19BCC698A8C
6
Dia hasehony aminao ny fahendrena miafina, Fa tsy hita lany [Heb. roa sosona.] izany, Ka dia ho fantatrao fa tsy dia novalian'Andriamanitra avokoa ny helokao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B9B2563C-6D4D-489F-B8D5-2E8B43003675
7
Takatry ny sainao va ny fomban'[Na: ny famantarana an'] Andriamanitra? Ary tanteraka va ny fahitanao ny Tsitoha
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DA6887E4-9042-4F0F-81C0-ADCBF696D963
8
Avo tahaka ny lanitra izany! ka inona no hainao atao? Lalina noho ny fiainan-tsi-hita! [Heb. Sheola] ka inona no fantatrao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|53B17527-022D-47FB-80ED-2472A2C5550B
9
Lava noho ny tany ny ohany Ary lehibe noho ny ranomasina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|55DB78CF-2F7C-4788-B993-3F1A9E612FA9
10
Raha mandroso Izy ka misambotra ary manao fitsarana, Dia iza moa no mahasakana Azy?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E91BA3C4-6B1A-4A1C-9456-0DC848FE7F86
11
Fa Izy mahafantatra ny olon-dratsy; Ary hitany ny heloka, na dia tsy mandinika akory aza Izy. [Na: Ary hitany ny heloka izay tsy heverin'ny olona akory.]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|43C0CC97-8D3B-475A-AFD8-0604237AAF41
12
Koa na dia ny olom-poana aza dia hahazo fahendrena, Ary na dia ny zanaky ny boriki-dia aza dia hateraka ho olombelona. [Na: Nefa ny olom-poana dia tsy manam-pahendrena; Eny, ny olombelona dia teraka ho toy ny boriki-dia.]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|100A2AAF-B342-49FF-B7FE-CF7C3AF9C02B
13
Raha ampanatrehinao Azy ny fonao, Ary atantinao aminy ny tànanao,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0497A7C1-FD43-4054-965F-82C6E93CD062
14
Ka misy heloka eo an-tànanao, dia ario lavitra izany, Ary aza avela hisy ratsy hitoetra ao an-dainao;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2CCC6232-218B-46E5-A630-2E84A93C39C9
15
Dia hahazo hanandratra ny tavanao tsy misy tsiny hianao, Koa hijoro tsara ary tsy hatahotra;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AF494CF6-9863-491C-810E-F2757420912D
16
Fa ho hadinonao ny fahorianao Toy ny rano efa nandalo no hahatsiarovanao azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C3F11171-914B-4B8C-BFB9-5B17D4D1920C
17
Ary hamirapiratra lavitra noho ny mitataovovonana ny andronao; Na dia sendra manjombona aza, dia ho tonga tahaka ny maraina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D682D72C-350D-40B1-9FBD-A9A0CCFD831D
18
Hatoky hianao, satria misy fanantenana; Eny, hijery manodidina hianao ka handry tsy amin'ahiahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|29DE100D-130A-4B2A-90AF-F537C395F955
19
Dia ho tafandry hianao, fa tsy hisy hanaitaitra; Ary maro no hila sitraka aminao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|09654582-0795-4725-AB71-2163DF4DD7A9
20
Fa ny mason'ny ratsy fanahy kosa ho pahina, Ka ho very avokoa ny fiarovana azy, Ary ny fialana aina ihany no hany sisa azony antenaina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|633686D3-11C6-4BAD-ACA8-92C37D60FF60
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany