Andininy
Protestanta Malagasy
1
DIA namaly Joba ka nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5FDAC766-CF11-4586-96B6-CB06D5EF6D61
2
Endrey! nanohana ny tsy manan-kery hianao Sy nampahatanjaka ny sandry malemy!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F4DE1752-9C83-45D2-B744-3FBB1F93F51E
3
Ary nanolo-tsaina ny tsy hendry Sy nampahafantatra izay fahendreny betsaka!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|83C1EBD2-A32C-4A77-BF8C-593BF6689785
4
Izy no nandaharanao teny? Ary fanahin'iza no nivoaka avy tao aminao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|84B49CF9-FE12-4AAE-B786-AD95E373060E
5
Ny matoatoa dia ampanaintainina Any ambanin'ny rano sy any ambanin'ny mponina any.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1D8AF37A-2A8E-4646-AEE2-3AB18857ECA2
6
Ny fiainan-tsi-hita [Heb. Sheola] miharihary eo anatrehany, Ary ny fandringanana dia tsy mirakotra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1303E298-E6B8-44E7-B326-B3D034ABE139
7
Mamelatra ny lanitra avaratra ho eny ambonin'ny habakabaka Izy Ary manantona ny tany amin'ny tsy misy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|324C0CD8-0C69-4F32-BB8F-34859EEC6881
8
Fonosiny amin'ireo rahony matevina ny rano, Nefa ny fanambanin'ny rahony tsy mety triatra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BFE7702A-46CB-472F-956C-DA9043BD24B0
9
Manakona ny seza fiandrianany tsy ho hitantsika Izy Amin'ny amelarany ny rahony hanarona azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6A4A190E-35E9-4D51-BEA6-1BAD8412FE74
10
Asiany faritra manodidina eny ambonin'ny rano. Hatramin'izay ihaonan'ny mazava sy ny maizina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D467FEC9-2D4B-44C1-8299-A7906C5D2686
11
Ny andrin'ny lanitra nihozongozona Sady ankona amin'ny teny mafy ataony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AC555C6A-4785-4502-9E59-32EE979E32C5
12
Ny heriny no entiny mampanonja ny ranomasina, Ary ny fahendreny no anorotoroany an-dRahaba ; [Izahao ix. 13.]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9A87AD16-E786-4790-BBF4-EBBAD0BDB0DA
13
Ny fanahiny no mahatsara tarehy ny lanitra; Ny tànany no nitomboka ny menarana mandositra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DB9A6AB1-FCB0-42EE-A864-DF50AAAC8CD5
14
Indro, ireny dia vao ny sisintsisin'ny alehany ihany aza, Ary siosion-teny mamelovelo no andrenesantsika Azy; Fa raha ny fikotrokotroky ny heriny, iza moa no mahatakatra izany?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6AE0A4E3-3491-41D4-89C5-219C756FBFF6
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany