Andininy
Protestanta Malagasy
1
Dia mbola nandroso nanao oha-teny ihany Joba ka nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|15BF1577-32F6-4C88-96D4-9C131B4897AF
2
Raha velona koa Andriamanitra, Izay efa nandà tsy hanome ahy ny rariny, Sy ny Tsitoha, Izay efa nampangidy ny aiko-
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4312BA04-C158-4FF7-81B9-3D1BF9EB0ED3
3
Fa mbola ato anatiko ihany ny aiko, Ary eo am-bavoroko ny Fanahin'Andriamanitra-
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|49A5E179-ABCA-4199-AC74-C6437106A5C8
4
Dia tsy hanao teny tsy marina ny molotro, Ary tsy hanonom-pitaka ny lelako.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BB665D57-A28D-43E4-8161-0378B415A354
5
Sanatria raha hanaiky ny anareo ho marina aho! Mandra-pialan'ny aiko dia tsy hanaiky ny tenako ho manan-tsiny aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BDA26D28-0191-4099-9302-88BE3C0E7AED
6
Ny fahamarinako dia hazoniko mafy ka tsy ho foiko; Ny foko tsy manome tsiny ahy akory na dia ny amin'ny andro-ko iray monja aza.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E95F4860-235B-4406-B051-B497AE6D04C0
7
Aoka ho hita fa ratsy fanahy ny fahavaloko, Ary tsy marina izay mitsangana hanohitra ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6BF7091D-D70A-40E5-B400-D6006BE5C9F2
8
Fa inona no fanantenan'ny mpihatsaravelatsihy, [Na: ratsy fanahy.] raha maito ny ainy, Ka [Na: Fa inona no fanantenan'ny mpihatsaravelatsihy, na dia mahazo harena be aza. Raha, etc.] tsoahan'Andriamanitra ny fanahiny?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6E82427D-AB35-4828-B0B0-924685EA265C
9
Hihaino ny fitarainany va Andriamanitra, Raha ozoim-pahoriana izy?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7642D9BE-75D0-45DF-B688-1B04FF2B1826
10
Ho azony hiravoravoana va ny Tsitoha? Hahazo miantso an'Andriamanitra mandrakariva va izy?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6B8882F1-ECC7-47A1-9EFA-B0C66C9A9770
11
Hampianatra anareo ny amin'ny tànan'Andriamanitra aho, Ary tsy hisorona anareo aho ny amin'ny hevitry ny Tsitoha.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B5EA1A25-0386-448B-A79A-B27E0ECCC8C7
12
Indreo, hianareo rehetra samy efa nahita izany; Koa nahoana hianareo no manao hevi-poana?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CBB80D5D-FDEC-4AE2-ACD8-951521B29557
13
Izao no anjaran'ny ratsy fanahy avy amin'Andriamanitra, Sy lovan'ny lozabe raisiny avy amin'ny Tsitoha
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6E25D2F3-291C-41DC-8509-1FC1E8F20EBA
14
Na dia mihamaro aza ny zanany, dia ho an'ny sabatra ihany ireny. Ary ny zaza aterany tsy ho voky hanina;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C3DAA497-0CC8-4B17-A8DD-E60B940C2E5E
15
Ny ankohonany sisa dia hasitrik'Ifahafatesana, [Na: halevina noho ny areti-mandringana.] Ary tsy hisaona azy ny mpitondratenany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7023E236-38DB-4513-85F0-082744169142
16
Na dia mahary volafotsy hoatra ny vovoka aza izy Ary mahangona fitafiana hoatra ny fotaka,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2E7AED17-1B2C-4AAE-8710-A260B1158076
17
Eny, manangona ihany izy, nefa ny marina no hitafy izany, Ary ny tsy manan-tsiny no hizara ny volafotsy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EE09460B-8DFF-44D5-B46B-719177AACA29
18
Manao ny tranony tahaka ny an'ny lolofotsy izy, Ary tahaka ny trano rantsan-kazo ataon'ny mpiandry voly;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3123C73D-EA1A-43C1-8DD9-15E5882D2C33
19
Ao avokoa ihany ny hareny, raha vao mandry izy; Nefa nony ahirany ny masony, dia tsy ao intsony ireny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E3B52134-3410-4F59-89B0-314A2D91A75C
20
Ny fampahatahorana mahatratra azy tahaka ny riaka; Nony alina paohin'ny tafio-drivotra izy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|34F9620B-8ED7-4557-BE66-B18835E70474
21
Ny rivotra avy any atsinanana mampiainga sy mahalasa azy Ka mipaoka azy hiala amin'ny fitoerany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2586F4CA-C19F-46F4-AE9E-0A5FC4B3D7A4
22
Asian'[Heb. Torahan', na Tifirin'.] Andriamanitra izy ka tsy iantrany, Ary mandositra dia mandositra ho afaka amin'ny tànany izy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|88CA1873-9D8D-4595-B226-B7E815CABABF
23
Tehafin'ny olona tànana izy Sady isitrisirany ka ampialainy amin'ny fonenany. [Na: Ary ny miray monina aminy aza misitrisitra azy.]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|75163D94-219A-4C57-9C77-968B86284818
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany