Joba 4: 1-21

Andininy
Protestanta Malagasy
1
DIA namaly Elifaza Temanita ka nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8092C3A8-6AB6-4DF6-839C-D450F10D12E2
2
Raha misy sahy miteny aminao, dia ho sosotra va hianao? Fa raha ny mamehy vava kosa, iza moa no mahazaka izany?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B19BFA0D-FB7B-4492-8E9B-D9DE02D88AA9
3
Indro, efa nananatra ny maro hianao, Ary ny tànana miraviravy efa nampaherezinao;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4D98377C-D859-4945-B3FD-297959FF4C96
4
Ny teninao efa nanohana izay efa saiky lavo, Ary ny lohalika malemy efa nampahatanjahinao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|30B6F79F-D57B-46C7-A278-532CF286DBE5
5
Nefa ankehitriny mba manjo anao kosa izany, ka dia kivy hianao, Mihatra aminao izany, ka raiki-tahotra hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|96AB373E-D5F3-4CDB-939F-79192F677810
6
Tsy ny fivavahanao [Heb. fahatahoranao.] va no tokinao? Ary tsy fanantenanao va ny fahitsian'ny làlanao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7926E4AF-0502-4E64-8FDD-DAD499F6E5FE
7
Masìna hianao, tsarovy fa iza moa no very tsy nanan-tsiny? Ary taiza no nisy olo-mahitsy naringana?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FA7032A6-D554-4ECB-8D51-3B37D1D60013
8
Araka izay efa hitako, dia izay miasa heloka Sy mamafy fahoriana no mijinja izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5BB1F862-3DBD-4A5E-ACE8-FC0F36D89D00
9
Ny fofonain'Andriamanitra no andringanana azy, Eny, ny fofonain'ny fahatezerany no mahalevona azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3DB60DE7-3CF7-4665-8FB2-33539B20E47E
10
Ny feon'ny liona, eny, ny feon'ny liona masiaka, Ary ny nifin'ny liona tanora dia ombotana;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D89C956F-AD6E-43A6-BF4E-918AB0BAB7AC
11
Mirenireny ny lion-dahy noho ny tsi-fahitany remby, Ary miely ny zanaky ny liom-bavy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DC2CBFCF-8D47-4A6A-9222-7BB5C6D93A56
12
Nisy teny tonga tamiko mangingina, Ary ny sofiko nahare siosio avy taminy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|53436AC4-476D-4D42-A5F1-1213D7CF6685
13
Tamin'ny eritreritra avy amin'ny tsindrimandry alina, Raha sondrian-tory ny olona,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C688B4F2-86DB-477D-8E94-5C8A83D46D9D
14
Dia azon-tahotra sy hovotra aho, Ka nampihorohoro ny taolako rehetra izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7B4A52CD-F6C1-4449-8BAD-3C8485D23832
15
Ary nisy fanahy nandalo teo anatrehako Ka nampitsangam-bolo ny tenako.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B5BC6113-5E55-4B41-9517-D6C3EF468FDE
16
Nijanona izy, nefa tsy nahafantatra ny tarehiny aho; Nisy endri-javatra teo anoloan'ny masoko; Nisy fanginana, dia nandre feo aho nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DAF6C498-DB8F-4723-BDCF-D59173E63243
17
Ho marina noho [Na: eo anatrehan'.] Andriamanitra va ny zanak'olombelona? Ho madio noho [Na: eo anatrehan'.] ny Mpanao azy va ny olona?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|33663BEC-7329-4E03-9CDF-30B84F8C01E2
18
Indro, tsy matoky ireo mpanompony aza Izy, Eny, ny anjeliny aza ataony ho tsy tonga ohatra,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B31A2EC5-FDE5-4E14-8046-222B91D46CD8
19
Koa mainka izay mitoetra ao an-trano tany, Sady avy tamin'ny vovoka no nihaviany, [Heb. ao amin'ny vovoka fiorenany.] Ary mora poritra noho ny kalalao izy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|51C18852-CB02-418C-A772-6B0F7A8EE23F
20
Indray andro monja dia montsana izy; Tsy misy misaina azy, na dia levona mandrakazay aza izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|69C77294-182A-4832-9B65-052F73F626DB
21
Tsy voaongotra va ny kofehin-dainy ao aminy? Maty izy, nefa tsy mbola nanam-pahendrena.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A068055E-FAA9-4DD9-A0D2-689180BB57C7
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany