Andininy
Protestanta Malagasy
1
ARY Jehovah mbola namaly an'i Joba nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2E7CB6D0-9479-41F0-AD39-66F458C7D740
2
Hiady amin'ny Tsitoha va io mpanadidy Azy io? Aoka ny mananatra an'Andriamanitra no hamaly!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E1B3B3CC-02BE-4159-AE2C-325A6CF88E5E
3
Ary Joba dia namaly an'i Jehovah ka nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F1EB2579-33D3-430F-B2E3-B5693133A30D
4
Indro, tsinontsinona, aho ka inona no azoko avaly Anao? Hitampim-bava aho izao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|072D35BE-CED3-4034-8BE8-7A8C7E765845
5
Efa niteny indray mandeha aho, ka tsy hamaly intsony; Eny, indroa aza, fa tsy hanampy teny intsony aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F2A522DA-89E6-4555-811F-DDDCE75E5B4D
6
Dia namaly an'i Joba teo amin'ny tafio-drivotra Jehovah ka nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|021C68C0-F9A1-4377-B427-3AEBC853D149
7
Misikìna tahaka ny lehilahy; Fa hanadina anao Aho, ka ampahafantaro Aho:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|34082ED8-C82F-4DDD-8A88-86572B2302BE
8
Hanaisotra ny rariny amiko va hianao? Hanameloka Ahy va hianao, mba hanamarina ny tenanao kosa?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6EC96EC2-463D-4985-ADCA-171655476D24
9
Manan-tsandry tahaka ny an'Andriamanitra va hianao? Ary mahay mampikotrokotro-peo tahaka ny Azy va hianao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|365FE95A-CBB4-42C2-9363-3EAEFFE4002A
10
Miravaha fahalehibiazana sy tabiha hianao, Ary mitafia famirapiratana sy voninahitra;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E1B64BF8-BE83-4A68-ADF0-E2F23CEB6699
11
Alefaso ny fahatezeranao mirehitra; Ary jereo ny avonavona rehetra, ka ampietreo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C0ACD241-8C59-4BC7-973B-38BEEF95439F
12
Eny, jereo ny avonavona rehetra, ka aongàny; Ary apotrahy eo amin'ny fitoerany ihany ny ratsy fanahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3067A76F-41C9-4DEF-B54A-3ECB8DE910DC
13
Asitriho ao amin'ny vovoka avokoa izy rehetra; Sarôny ao amin'ny fiafenana ny tavany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|84303A70-73F2-416E-97E1-610E291744A7
14
Fa Izaho kosa dia hidera anao, Satria mahavonjy anao ny tànanao ankavanana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A5A38ECA-C796-4F97-890D-167AA152A16B
15
He! jereo ange ny behemota, [hipopotamosy.] izay nataoko tahaka ny nanaovako anao ihany: [Na: ho eo aminao.] Mihinana ahitra tahaka ny omby izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|705CCC33-E4EF-4AB9-9F7D-59EF55CB06B6
16
Indro, eo amin'ny valahany ny heriny, Ary eo amin'ny ozatra amin'ny kibony ny tanjany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C6FC9857-A0C0-453B-94FB-7EFA57AD2E0B
17
Henjaniny ny rambony ho tahaka ny hazo sedera; Mifaniditriditra ny ozatra amin'ny feny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EB99849C-5E76-40C2-908E-7DCCF7EE9F29
18
Ny taolany dia tahaka ny fantsom-barahina, Eny, tahaka ny anja-by ny taolany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|02A9A355-3A86-4B78-B6B3-8C81280BC1F9
19
Voalohany amin'ny asan'[Heb. làlan'.] Andriamanitra izy ; Ny Mpanao azy no nanome sabatra azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9B8BE09F-6C8B-466B-AF3D-ECF62A13AA92
20
Mamoaka hanina ho azy ny tendrombohitra, Izay ilalaovan'ny bidi-dia rehetra;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|03D18ED2-67F8-4E32-BE76-7D6D01173FE5
21
Eo ambanin'ny hazo lota no andriany, Any am-pierena anaty zozoro sy fotaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8FC02AC9-8456-42BE-8582-58038EB4485C
22
Manalokaloka azy ny hazo lota; Ary ny hazomalahelo eny amoron'ny ony no manodidina azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|44E3F5DA-FCA6-418E-9BC0-E039F5E6551A
23
Indro, na dia maria aza ny ony, tsy manahy izy; Matoky izy, na dia misy Jordana migorodana amin'ny vavany aza.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|961A08C4-B984-49E5-B843-E76A64687F5B
24
Moa misy mahasambotra azy va, raha mihiratra ny masony? Raha azon'ny fandrika izy, misy mahatsindrona ny orony va?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2B713343-13F0-4A8F-BA7F-6BE43E40FE39
25
Mahasarika ny mamba [Heb. leviatana.] amin'ny farango va hianao, Na mahafatotra ny lelany amin'ny mahazaka?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|11440401-DC04-455B-8BEF-3FFE4314F63C
26
Mahisy tady zozoro amin'ny orony va hianao, Na mahaboroaka ny valanoranony amin'ny fintana?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4C44B3DB-FE26-4BD9-A350-050FF872BB6C
27
Hifon-jato amin-arivo aminao va izy, Na hanao teny malefaka aminao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2979A353-8022-49CB-BC18-39C1C72E14D7
28
Hanao fanekena aminao va izy? Azonao alaina ho andevonao mandrakizay va izy?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|643823A7-9A1D-4DB6-AC91-4BB291F40D42
29
Hilalao azy tahaka ny filalao voron-kely va hianao? Ary hamatotra azy ho an'ny zazavavy ao aminao va hianao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|687C713A-6F87-458F-920D-F5AE71FF3E52
30
Hataon'ny mpaka hazandrano varotra va izy, Ka hotsinjarainy amin'ny mpandranto?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|07613BC3-040A-4119-B016-C43C517E8DFA
31
Mahafeno lefompohy ny hodiny va hianao, Na firombaka amin'ny lohany?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BAA194C6-506E-4410-97C0-EC55AD92495B
32
Atehefo aminy ange ny tànanao; Raha tsaraonao ny ady, dia tsy hanindroa intsony hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0921A6EE-F9A7-4385-B380-797453889609
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany