Salamo 1: 1-6

Andininy
Protestanta Malagasy
1
[BOKY VOALOHANY]Sambatra ny olona izay tsy mandeha eo amin'ny fisainan'ny ratsy fanahy, ary tsy mijanona eo amin'ny lalana falehan'ny mpanota, ary tsy mipetraka eo amin'ny fipetrahan'ny mpaniratsira;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5BBFDCD0-BB1D-4B41-B8EE-8C7073B07315
2
Fa ny lalàn'i Jehovah no sitrany; eny ny lalàny no saintsaininy andro aman'alina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7BF1A57E-7AC7-4D4E-A0C0-B010A908F19C
3
Dia tahaka ny hazo ambolena eo amoron'ny rano velona izy, izay mamoa amin'ny fotoany, ny raviny koa tsy mba malazo; ary ny asany rehetra dia ataony lavorary avokoa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A1CB526C-0824-4257-87CC-C728BF8BA4E5
4
Fa tsy mba toy izany ny ratsy fanahy fa toy ny akofa aelin'ny rivotra izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|32D3EBAC-2A09-4B12-B496-96D2DEF2C114
5
Ary noho izany ny ratsy fanahy dia tsy hahajanona eo amin'ny fitsarana, na ny mpanota eo amin'ny fiangonan'ny marina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|91631F2B-ABA2-4186-A4B4-3CE1084D8D24
6
Fa fantatr'i Jehovah ny lalan'ny marina, fa ny lalan'ny ratsy fanahy kosa dia mankany amin'ny fahaverezana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|636FCB4E-94DC-4487-AFBF-D85B2423E066
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany