Andininy
Protestanta Malagasy
1
Salamo nataon'i Davida. Famindram-po sy fitsarana no hankalazaiko; Hianao, Jehovah ô, no hoderaiko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|95F8B532-6EE7-4A93-9322-C32F9BF9C52B
2
Hitandrina ny lalana marina aho; Rahoviana no ho tonga aty amiko Hianao? Handeha amin'ny fahitsian'ny foko ao anatin'ny tranoko aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A5EB44A9-96C5-49A1-9354-A11CE26654A9
3
Tsy hampitoetra zava-dratsy eo anoloan'ny masoko aho; Halako ny mivadika, Tsy hikambana amiko izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|20595951-5910-4E19-8D89-9EFE6DCA3C21
4
Ny fo maditra hiala amiko; Tsy hankasitraka* iza ratsy aho,[Heb. hahalala]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|065F8610-5C95-4832-8A9A-AB264661863A
5
Izay manendrikendrika ny namany mangingina dia hofongorako; Tsy tohako izay miandranandrana sy miavonavona am-po;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9F857429-3F78-4C4E-8075-14E56A147D4A
6
Ny masoko hijery izay olo-mahatoky amin'ny tany mba hitoerany ato amiko; Izay mandeha amin'ny lalana marina no hanompo ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A5980127-78E9-492C-9BD4-39E798E86067
7
Tsy mba hitoetra ao anatin'ny tranoko izay manao fitaka; Tsy mba hijanona eo anoloan'ny masoko izay milaza lainga.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F7EE01FA-AEA1-4879-AC9F-408934EE370A
8
Haringako isa-maraina ny ratsy fanahy rehetra amin'ny tany, Mba hofongorako ny mpanao ratsy rehetra tsy ho ao an-tanànan'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|42E0566B-99B6-432D-9B7C-B5460D3EACBC
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany