Andininy
Protestanta Malagasy
1
Jehovah รด, aza izahay, aza izahay no omena voninahitra, Fa ny anaranao ihany, Noho ny famindram-ponao sy ny fahamarinanao.
2
Nahoana ny jentilisa no manao hoe: Aiza izay Andriamaniny?
3
Nefa any an-danitra Andriamanitsika; Efa nanao izay sitrapony rehetra Izy.
4
Volafotsy sy volamena ny sampin'ireny, Asan'ny tanan'olona:
5
Manam-bava izy. fa tsy miteny; Mana-maso izy, fa tsy mahita;
6
Manan-tsofina izy, fa tsy mandre; Manana orona izy, fa tsy manimbolo:
7
Manan-tanana izy, fa tsy mandray; Manan-tongotra izy, fa tsy mandeha; Ary tsy mahaloa-peo ny tendany.
8
Ho tahaka azy izay manao azy Sy izay rehetra matoky azy.
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany