Andininy
Protestanta Malagasy
1
Fihirana fiakarana*. Manopy ny masoko ho amin'ny tendrombohitra aho; Avy aiza ny famonjena ahy**? [**Na: Fihirana misy hevitra ambaratonga][**Na: Izay ihavian'ny famonjena ahy]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DD6994A1-37ED-4C6B-8977-FBD8F8440AE8
2
Ny famonjena ahy dia avy amin'i Jehovah, Mpanao ny lanitra sy ny tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|70F886E7-12E7-4FF7-99CA-116961A87E65
3
Tsy mba havelany hangozohozo anie ny tongotrao; Tsy ho rendrehana anie ny Mpiaro anao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|52D51142-4606-47B7-9269-A787986BBD5C
4
Indro, tsy matory na rendrehana Ny Mpiaro ny Isiraely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E382FA7A-DC4B-4576-BF69-153E28C96710
5
Jehovah no Mpiaro anao; Jehovah no fialofanao eo amin'ny an-kavananao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A0C524E8-6CEE-4BDB-9EE5-203430B171AE
6
Ny masoandro tsy mba hamely anao nony andro, Na ny volana nony alina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EC7554D6-EDB1-47E4-88DB-FCFA5C5B87D9
7
Jehovah hiaro anao amin'ny ratsy rehetra; Eny, hiaro ny fanahinao Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B37F6447-D4E1-42CB-B976-7336A4556077
8
Jehovah hiaro anao, na mivoaka na miditra, Hatramin'izao ka ho mandrakizay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DA4F071B-378E-4052-A9EE-031AAB2750D7
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany