Andininy
Protestanta Malagasy
1
Fihirana fiakarana*. Nataon'i Solomona. Raha tsy Jehovah no manao ny trano, Dia miasa foana ny mpanao azy. Raha tsy Jehovah no miambina ny tanàna, Dia miari-tory foana ny mpiambina.[Na: Fihirana misy hevitra ambaratonga]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|03BC10D2-A20C-4143-AAAA-93075AE54DF9
2
Zava-poana ho anareo ny mifoha maraina Sy ny alim-pandry Ka homana ny hanina azo amin'ny fahasahiranana; Izany anefa dia omeny ihany ho an'ny malalany, na dia matory aza izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F5209F94-1587-4C38-8EFA-0FB258B059B2
3
Indro, lova avy amin'i Jehovah ny zanaka maro; Tamby ny ateraky ny kibo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|708FA32B-7668-42CF-8A62-200AE927AC0C
4
Tahaka ny zana-tsipìka eo an-tànan'ny mahery Ny zanaky ny fahatanorana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|50C558B6-18DF-4C3B-BEA9-BD1E3EAD6123
5
Sambatra izay mameno ny tranon-jana-tsipìkany amin'ireny; Tsy ho menatra ireny, raha mifamaly amin'ny fahavalo eo am-bavahady.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ADEE1E12-28B3-4F49-998D-50578278462B
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany