Andininy
Protestanta Malagasy
1
Fivavak'i Davida. Jehovah ô, mihainoa ny rariny, mandrenesa ny fitarainako, atongilano ny sofinao amin'ny fivavako avy amin'ny molotra tsy misy fitaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2FE40B48-2167-4C51-88DB-A23D6FA0F0DE
2
Hivoaka avy eo anatrehanao ny fitsarana ahy; ny masonao hijery marina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3A27084F-F5BB-420F-812E-71877394E3BF
3
Nizaha toetra ny foko Hianao, namantatra ahy nony alina; nizaha toetra ahy tamin'ny memy Hianao, fa tsy nahita na inona na inona; ny vavako tsy hafa noho ny eritreritro*. [Na: fa tsy nahita hevi-dratsy; Tsy ho diso ny vavako na: Mikasa tsy hampanota ny vavako aho]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3EFE9D6E-A5C8-4536-A92D-CA464220965A
4
Ny amin'ny asan'ny olona, dia ny tenin'ny molotrao no nitandremako tsy ho amin'ny lalan'ny mpanao an-keriny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|078E7269-1B5F-40A9-A256-DF41B8A665AC
5
Ny diako maharitra eo amin'ny lalanao, tsy solafaka ny tongotro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E991A13E-8FBB-4C4B-A7CF-05530AAEB2D4
6
Izaho miantso Anao, ka mamaly ahy Hianao, Andriamanitra ô; atongilano amiko ny sofinao, ka henoy ny teniko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1017EB90-A08B-4B12-AC8B-0F089771D905
7
Ataovy mahagaga ny famindram-ponao, ry Mpamonjy amin'ny tananao ankavanana izay olona mialoka aminao, mba tsy ho azon'ny fahavalo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E2356A97-5063-49D7-A212-4F1CF6B285EE
8
Arovy tahaka ny anakandriamaso aho, afeno ao ambanin'ny aloky ny elatrao,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|38AE4EAD-7CFF-4169-8A9E-5A72373394C9
9
Mba tsy ho azon'ny ratsy fanahy izay mampahory ahy, dia ny fahavaloko masiaka, izay manodidina ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|286D7EEF-8CFB-41BC-AAEE-F2380A511941
10
Efa mihirim-belona izy; teny miavonavona no aloaky ny vavany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3E6BABB9-C54D-4047-A00C-44A9B15B7680
11
Manodidina anay* amin'ny alehanay ankehitriny izy, Vandrininy hapotrany amin'ny tany izahay;[Na: Ahy]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ECC1BC48-15C8-4C43-8F4E-59653886AF2A
12
Ny fijery azy dia tahaka ny liona noana ta-hamiravira, sy tahaka ny liona tanora mamitsaka ao am-pierena.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|229A6850-9142-41D5-8D40-1C85AC118C4C
13
Mitsangàna, Jehovah ô, sakano izy, aripaho izy; vonjeo amin'ny sabatrao ny fanahiko tsy ho azon'ny ratsy fanahy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|835B5A70-0EB9-4B6D-A251-42B5D3A8204E
14
Vonjeo amin'ny tananao aho, Jehovah ô, mba tsy ho azon'ny olon'izao tontolo izao, izay manana ny anjarany amin'izao fiainana izao, sady fenoinao ny harenao ny kibony; Maro anaka izy, dia mamela ny fananany be ho an'ny zanany madinika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1EB004F1-94DD-40E2-974A-832487B3AF99
15
Fa izaho kosa, dia aoka hahita ny tavanao amin'ny fahamarinana; aoka ny endrikao no hahafa-po ahy, raha mifoha.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FC73D8AE-21B8-4809-B70C-BB4089EE9AD8
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany