Andininy
Protestanta Malagasy
1
Nahoana no mitabataba ny jentilisa, ary misaina anoano foana ny firenena?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C164C0DE-902F-4F22-91A8-C07231D30664
2
Ireo mpanjakan'ny tany mitsangana, Ary ny mpanapaka miara-mioko hanohitra an'i Jehovah sy ny Mesiany ka manao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FE9E1D04-AFA6-49CC-BA59-A8EB6E08886E
3
Aoka hotosantsika ny famatorany, ka hariantsika hiala amintsika ny famehezany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6050A09D-D30B-4423-98ED-D85DFB6CC2C6
4
Izay mipetraka any an-danitra mihomehy, ny Tompo maneso ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BA097A9A-B235-4060-ACA5-9F8FA6276187
5
Dia hiteny azy amin'ny fahavinirany Izy ka hampangorohoro azy amin'ny fahatezerany hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D738F062-FF7E-4693-B9FE-BE7AD778DB27
6
Izaho kosa efa nanendry ny Mpanjakako Tambonin'i Ziona, tendrombohitro masina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8C100B26-A79D-457F-97D2-1394D3CD10A6
7
Hilaza zava-boatendry Aho; Jehovah nilaza tamiko hoe: Zanako Hianao, Izaho niteraka anao androany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|197639D2-A8A9-4456-8C36-0601FCE644ED
8
Mangataha amiko, dia homeko ho lovanao ny jentilisa ary ny faran'ny tany ho fanananao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E9FB7622-9E13-4235-B6F3-E340281AF6D8
9
Mangataha amiko, dia homeko ho lovanao ny jentilisa ary ny faran'ny tany ho fanananao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6DE8B605-C4C9-4875-84BA-95DBEB74610B
10
Ary amin'izany dia hendre ianareo, ry mpanjaka; minoa anatra ianareo, ry mpitsaran'ny tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AE35BD83-A2F2-48B9-BFF8-259988C11BEF
11
Manompoa an'i Jehovah amin'ny fahatahorana, ary mifalia amin'ny fangovitana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E4663CE2-743A-40CA-B73C-B4A8265490A7
12
Manoroha ny zanaka, fandrao ho tezitra izy, ka ho very eny an-dalana ianareo; fa vetivety dia hirehitra ny fahatezerany. Sambatra izay rehetra mialoka aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C4F60E76-92AE-4794-9076-68D4EFB8A5CD
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany