Andininy
Protestanta Malagasy
1
Salamo. Fihirana tamin'ny nitokanana ny trano. Nataon'i Davida. Hanandratra Anao aho, Jehovah ô; fa nanintona ahy niakatra Hianao, ka tsy nataonao ho fifalian'ny fahavaloko aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|62E31033-8817-4E4F-BD0F-4BD4DAA121F1
2
Jehovah Andriamanitro ô, nitaraina taminao aho, dia nahasitrana ahy Hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C883E529-1C66-4DAC-A26D-F72770E75AE0
3
Jehovah ô, efa nampakatra ny fanahiko avy tany amin'ny fiainan-tsi-hita* Hianao; efa nampody ny aiko Hianao, mba tsy ho isan'izay midina any an-davaka aho.[Heb: Sheola]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5536E785-A1EA-41BD-87E0-145E1463E9CA
4
Mankalazà an'i Jehovah, ry olony masina, ka miderà ny anarany* masina.[Heb: fahatsiarovana]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8686BD3C-DD29-439A-B9C0-0A0954751475
5
Fa indray mipi-maso ihany ny fahatezerany; nefa mandritra ny andro iainana kosa ny fankasitrahany; amin'ny hariva dia misy fitomaniana tonga hivahiny miloaka alina; Fa nony maraina kosa dia misy fihobiana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|87E789C6-0202-4529-8355-D9ADA7E0F2C3
6
Ary hoy izaho, raha mbola niadana*: tsy hangozohozo mandrakizay aho.[Heb: Na: noho ny fiadanako]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B2325282-D587-45C1-AB6F-C93F2DFAE0A2
7
Jehovah ô, noho ny fankasitrahanao dia nampitoerinao mafy ny tendrombohitro; nanafina ny tavanao Hianao, dia ory aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DA3E528B-18B2-4F9E-9181-1956A98E78FC
8
Hianao no nantsoiko, Jehovah ô; ary Jehovah no nifonako hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D456D034-7490-41C5-A56B-F70946EF4331
9
Inona no soa azo amin'ny rako sy ny hidinako any an-davaka? Hidera Anao va ny vovoka? Hanambara ny fahamarinanao va izany?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|49A91854-6D36-41B6-8118-C52A8F421BF9
10
Mihainoa, Jehovah ô, ka mamindrà fo amiko; Jehovah ô, aoka ho Mpamonjy ahy Hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C3D1D67A-D07D-432F-833E-9B4B24FC1F13
11
Efa nampody ny fisaonako ho fandihizana Hianao; efa nanaisotra ny lamba fisaonako Hianao ka nampisikina ahy fifaliana,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5E0DAE1B-DB07-4137-A5FF-FAF1B9A615D0
12
Mba hankalazan'ny fanahiko* Anao ka tsy hangina. Jehovah Andriamanitro ô, hidera Anao mandrakizay aho.[Heb: voninahitro]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|17753A3B-6AD5-47EE-B0FA-4643D0E0448B
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany