Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ho an'ny mpiventy hira. Ho an'i Jedotona Salamo nataon'i Davida. Hoy izaho: hitandrina ny lalako aho ka tsy hanota amin'ny lelako; hasiako fehim-bava ny vavako, raha mbola eo anatrehako ny ratsy fanahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|54805E1C-9FBE-4163-87E7-927E69246D74
2
Nangina mihitsy aho, namihim-bava ka tsy nilaza na dia ny tsara aza*, dia nihetsika mafy ny fanaintainan'ny aretiko.[Na; na dia teo anatrehan'ny tsara fanahy aza]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CD82F570-35C5-4422-82E8-4A14F022E940
3
Nafana ny foko tato anatiko; raha nieritreritra aho, dia nisy afo nirehitra, ka niteny tamin'ny lelako aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9B25264E-85DB-4FA9-B2FB-E853596370E3
4
Jehovah ô,ampahafantaro ny farako aho sy izay ohatry ny androko; aoka ho fantatro fa olon-kandalo aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D33F395A-63B7-4977-9C10-B7F9193870DC
5
Indro efa nataonao vodivoam-pelatanana ny androko, ary ny fiainako toy ny tsinontsinona eo anatrehanao. Zava-poana ihany tokoa ny olon-drehetra, na dia matanjaka aza*.[Na: Natao ho zava-poana ihany tokoa ny olona rehetra]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|74FA5681-66BE-4639-867A-75425581BE02
6
Aloka tokoa no fandehandehan'ny olona; zava-poana tokoa no itabatabàny; mihary harena izy nefa tsy fantany izay ho tompon'izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BE9F4DCC-0870-463A-9244-BA89E068A812
7
Ary ankehitriny, inona no andrasako Tompo ô? Hianao no antenaiko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BC640E06-6D9A-47D2-B45B-8678102B89A3
8
Manafaha ahy amin'ny fahadisoako rehetra; aza manao ahy ho fanakoran'ny adala.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|43FF75A5-6458-429D-9F53-A55E70D5E1C7
9
Mangina aho ka tsy miloa-bava fa ianao no nanao izao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2502317A-102A-42AC-BABD-0BAE24EEFA97
10
Aoka hitsahatra ny fikapohanao ahy; reraka aho azon'ny famelin'ny tananao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CBA426C9-E061-47A1-8647-C5D99CFDCBBF
11
Anatra noho ny fahadisoany no ananaranao ny olona, ka manimba ny hatsaran-tarehiny tahaka ny kalalao ianao; zava-poana tokoa ny olona rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|307BDCD2-805C-4750-B722-C51EFE714830
12
Mandrenesa ny fivavako Jehovah ô,ary mihainoa ny fitarainako; aza mangina amin'ny ranomasoko fa vahiny aminao aho sy mpivahiny tahaka ny razako rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BFE9D409-FFB7-4BC5-84C3-A0140676FCFB
13
Aza atrehinao aho aloha, dia ho miramirana indray, dieny aho tsy mbola lasa ka tsy ho eto intsony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9E6AA99B-4B11-4773-BA1B-C8E3927BFA43
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany