Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ho an'ny mpiventy hira. Nataon'ny Koraita. Salamo. Mandrenesa izao, ry firenena rehetra; mihainoa, ry mponina rehetra amin'izao tontolo izao:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C5D5C9C5-5504-4D0C-87EE-849F7F8BA593
2
Na ny ambany, na ny ambony, na ny manan-karena, na ny malahelo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|26856E58-7937-498F-8712-7725E5CCE4A3
3
Ny vavako hiteny fahendrena; ary ny fieritreretan'ny foko dia fahalalana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3E383587-F565-459F-89B4-FD98CBE08668
4
Hanongilana ny sofiko hihaino oha-teny aho, ary hanonona teny saro-pantarina ampiarahiko amin-dokanga.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|65154C04-1DD2-42C1-981C-B480E118B090
5
Nahoana no hatahotra amin'ny andro fahoriana aho, nony manodidina ahy ny haratsian'ny mpamingana ahy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E33A5685-0A78-4865-AB60-0AFB4EE70339
6
Dia izay matoky ny hareny, Sy mirehareha amin'ny haben'ny fananany?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|46849536-2D65-40CB-8A5C-5B77A4133586
7
Tsy misy mahavotra ny rahalahiny akory, na mahazo manome an'Andriamanitra izay avony,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F31BB221-DBA2-4883-9322-B12B4AF9240C
8
(Fa sarotra avotra ny ainy ka tsy azo atao mandrakizay),
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AED31799-E5B1-4D53-AC34-2A962DB05204
9
Mba ho velona mandrakizay izy, ka tsy ho latsaka ao amin'ny lavaka*.[Na: ho tratry no lô]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|56BDB5B4-9671-4826-B218-2A8ACBC4404E
10
Fa hita fa maty ihany ny olon-kendry; ary ny adala sy ny ketrina samy levona, ka mamela ny fananany ho an'ny hafa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A1E5DD5E-053B-4DB6-B17D-685CE17EE191
11
Araka ny heviny dia ataony fa ho mandrakizay ny tranony, ary ny fonenany hahatratra ny taranaka fara mandimby; araka ny anarany no anononany ny taniny*.[Na: Ankalazaina ny anarany eny amin'ny tany maro]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CA0DDC9C-8E43-4FEB-BBA7-A7045A934987
12
Nefa na dia manana voninahitra aza ny olona, dia tsy maharitra izy; tahaka ny biby izay samy tsy maintsy ho faty izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F17C7E9C-F91C-4452-960D-5EDC70FE151D
13
Izany no falehan'ny olona adala; ary ny taranany mandimby azy mankasitraka ny teniny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EEA03807-C630-4248-A7AD-196DCD82E973
14
Tahaka ny fanangona ondry no fanangona azy any amin'ny fiainan-tsi-hita*; ny fahafatesana no mpiandry azy; ary hanapaka azy ny mahitsy nony maraina; ary ny bikany ho levona any amin'ny fiainan-tsi-hita*, ka tsy hisy fonenany.[Heb: Sheola]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B605A74E-E597-4B8C-9120-620EDB7F66D1
15
Fa Andriamanitra kosa hamonjy ny aiko amin'ny herin'ny fiainan-tsi-hita,3 satria handray ahy Izy*.[Na: Rehefa azony aho]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|73DBAFF5-CC5D-4312-93DD-5B58FA73964A
16
Aza matahotra ianao, raha misy olona tonga manan-karena, ka mitombo ny voninahitry ny tranony;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|730E28BD-3A80-4F49-B443-63E10E2AEE54
17
Fa tsy hitondra na inona na inona izy, raha maty; tsy mba hidina hanaraka azy ny voninahiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|00B425B4-46EA-4CE6-9B57-8EED00948103
18
Na dia miarahaba tena aza izy, raha mbola velona - Fa hidera anao ny olona, raha manisy soa ny tenanao ianao -
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|322EAB3B-5421-43B9-949F-7403942A3CEE
19
Dia hankany amin'ny razany izy, tsy hahita ny mazava intsony mandrakizay ireny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F7438D01-3B9B-4B5F-99CA-8433D8F7043E
20
Izay olona manana voninahitra, nefa tsy manan-tsaina, dia tahaka ny biby izay samy tsy maintsy ho faty.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|082D109F-48FF-4A5D-9D9E-B9DD56F408C0
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany