Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida, fony Natana mpaminany nankao aminy rehefa naka an'i Batseba izy. MamindrĂ  fo amiko, Andriamanitra Ă´, araka ny fahasoavanao; araka ny haben'ny fiantranao vonoy ny fahadisoako.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AF42E3BB-4B5F-4EB2-8B74-9CDD01E4D580
2
Sasao madio aho mba ho afa-keloka, ary diovy aho mba ho afa-pahotana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C7B1E77B-8FFE-4BB4-9818-7A68B083AF56
3
Fa tsaroako ny fahadisoako, ary eo anatrehako mandrakariva ny fahotako.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|93FF2780-468F-4069-88FA-709E3A479E53
4
Taminao dia taminao ihany no nanotako, ary izay ratsy eo imasonao no efa nataoko, mba ho marina Hianao, raha miteny, ary tsy hanan-tsiny Hianao, raha mitsara.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F7ABA3F8-4BC8-431A-9814-98D97661A774
5
Indro, tamin'ny heloka no niterahana ahy, ary tamin'ny fahotana no torontoronina ahy ny reniko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|90F9A07A-18EB-46D8-9B68-F3A13A3EFD65
6
Indro, fahamarinana ao am-po no sitrakao; ary fahendrena ao amin'ny miafina no ampahafantarinao ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4C90C1A0-09AE-4F06-87C0-93C4DBD3C736
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany