Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. Tonon-kira. Aoka hitsangana Andriamanitra, ka hiely ny fahavalony; ary aoka izay mankahala Azy handositra ny tavany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C590F799-8B85-4533-B4B2-C561D9F5869A
2
Tahaka ny fanely setroka no fanelinao azy; tahaka ny fiempon'ny savoka eo anoloan'ny afo no aoka hahalevonan'ny ratsy fanahy eo anatrehan'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C15C20C0-3F52-410E-B355-080E6B5F5772
3
Fa ny marina mifaly; eny, ravoravo eo anatrehan'Andriamanitra izy ka faly tokoa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|068CFFE6-FADE-41B5-B65D-7DBD62D25B60
4
Mihirà ho an'Andriamanitra, mankalazà ny anarany; manamboara lalana ho an'izay mitaingina mamaky ny efitra Jehovah no anarany ary mifalia eo anatrehany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BDA05821-4DC4-4794-9AB1-3C6E9FC0046D
5
Rain'ny kamboty sy Mpanome rariny ny mpitondratena Andriamanitra, ao amin'ny fonenany masina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|05E6120D-34EB-41B9-A141-7B95B5C6DFBC
6
Andriamanitra mampitoetra an-trano izay irery tena; mamoaka ny mpifatotra ho amin'ny fanambinana Izy; fa ny maditra hitoetra amin'ny tany karankaina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8205A9B3-82EA-490C-A48F-4DFD56C4E22C
7
Andriamanitra ô, raha nandeha teo alohan'ny olonao Hianao ka namaky ny efitra,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8391EA32-667A-4E78-95CD-3492A4DD8346
8
Dia nihorohoro ny tany, ary nitaitaika ny lanitra, tamin'ny fanatrehan'Andriamanitra, na iry Sinay iry aza tamin'ny fanatrehan'Andriamanitra, Andriamanitry ny Isiraely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|13569617-1AF3-4EB9-AE48-9B7D948341E9
9
Ranonoram-pitahiana no nalatsakao tamin'ny lovanao, Andriamanitra ô; ary raha kotra izy, dia novelombelominao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DBD2F40B-20FC-4597-8846-E1EE72490F39
10
Ny olonao* tamàn-toerana teo; mamboatra ho an'ny ory araka ny fahasoavanao Hianao, Andriamanitra ô.[Heb. bibinao]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|166E3889-2AB4-4205-A3C5-A38126699F02
11
Ny Tompo manome ny teny; ary ny vehivavy mpilaza soa dia antokony lehibe.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|852D7C62-14F7-48FE-9ADB-7F5EBA994FB6
12
Ireo mpanjaka be miaramila dia vaky mandositra; ary ny vehivavy izay mitoetra ao an-trano no mizara ny babo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|892F245B-3858-4332-8606-D18F6E2479A3
13
Raha mandry eo amin'ny vala ianareo, dia ho tahaka ny ela-boromailala miravaka volafotsy, ary ny volony miravaka volamena tsara
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7AE32838-0EE1-479B-A5DF-F29BFAB2A483
14
Raha aelin'ny Tsitoha eo ny mpanjaka maro, dia latsaka ny oram-panala ao Zalmona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|354AE944-CB5D-4352-BE15-6582306949F4
15
Tendrombohitr'Andriamanitra ny tendrombohitr'i Basana. Tendrombohitra maro tampona ny tendrombohitr'i Basana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C05E3DFB-AD1B-4A96-961C-9A6FD7451546
16
Ry tendrombohitra maro tampona, nahoana ianareo no mihendry ny tendrombohitra izay tian'Andriamanitra hitoerany? eny, hitoetra ao mandrakizay Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C12F24A3-313F-4BD9-8F67-16ADD70416A8
17
Ny kalesin'Andriamanitra dia roa alina, eny, arivo arivo; ny Tompo no eo aminy; Sinay dia eo amin'ny itoerana masina*.[Na: amin'ny fahamasinana]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|396610DE-FD2F-4831-BE3C-8E7C3F072749
18
Efa niakatra ho any amin'ny avo Hianao ka mitondra babo; efa nandray fanomezana teo amin'ny olombelona Hianao - eny, teo amin'ny maditra aza,- mba hitoeran'i Jehovah Andriamanitra any*.[Na: ao aminy; na: mba hitoeranao any, ry Jehovah Andriamanitra; na: Efa nandray olona ho fanomezana Hianao Eny, na dia ny maditra aza mba hitoeranay ao amin'i Jehovah Andriamanitra]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|35CB6CE7-30A1-4B20-A297-1715D100706D
19
Isaorana anie ny Tompo Izay mitondra ny entan-tsika isan'andro isan'andro*, eny, Andriamanitra Izay famonjena antsika. [Na: Isaorana isan'andro isan'andro anie ny Tompo; Raha misy mahavesatra antsika, dia Andriamanitra no famonjena antsika; na: Isaorana anie ny Tompo, Izay mampitondra entana antsika isan'andro isan'andro]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A0473DC9-89FB-4720-B42C-1AA9FC5A485F
20
Andriamanitra no Andriamanitry ny famonjena ho antsika; ary an'i Jehovah Tompo ny fanafahana amin'ny fahafatesana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F5C3BB21-293D-43A3-B11A-2E1AAAA25685
21
Fa Andriamanitra mamely mafy ny lohan'ny fahavalony, dia ny tampon-doha lava volo an'izay mandroso amin'ny fahadisoany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|14F38DFA-25D7-41D8-B1A8-223938CECF09
22
Lazain'ny Tompo hoe: hampody ny any Basana Aho; hampody ny amin'ny ranomasina lalina Aho,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DC1430AA-F1AF-43A1-AD8C-A141F520CBED
23
Mba hampihosenanao rà ny tongotrao, ary ho anjaran'ny lelan'ny amboanao ny fahavalo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|643C2D0C-0F8D-472B-B7B0-F4496DC2F00E
24
Efa hita ny fandehananao, Andriamanitra ô, dia ny fandehanan'Andriamanitro, Mpanjakako, ao amin'ny fitoerana masina*.[Na: amin'ny fahamasinana]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|300FBF41-74F7-4DCB-952E-91F62BEB71BE
25
Mialoha ny mpihira, ary manaraka ny mpitendry valiha, eo afovoan'ny zatovovavy mively ampongatapaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E92D43D5-1170-4E60-8A59-96C3AAA096D9
26
Misaora an'Andriamanitra eo amin'ny fiangonana, eny, misaora ny Tompo, ianareo ary amin'ny loharanon'ny Isiraely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4D7685B4-1EA2-493D-8E69-13568E533315
27
Indry Benjamina kely, mpanapaka azy, ny antokon'ny mpanapaka ny Joda, ny mpanapaka ny Zebolona sy ny mpanapaka ny Naftaly.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|028C3EE8-42A4-491A-95B4-16F7BEB74FEC
28
Andriamanitrao no nampahery anao; Ry Andriamanitra Izay miasa ho anay ô, asehoy ny herinao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7D7C4C01-1966-452E-A9BC-684F2E83EC10
29
Noho* ny tempolinao eo an-tampon'i Jerosalema, no hitondran'ny mpanjaka maro fanatitra ho Anao.[Na: Avy amin']
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|277513BA-B108-4E94-BFDF-3CA916A111FA
30
Teneno mafy ny biby eny anaty zozoro sy ny fivorian'ny ombilahy mbamin'ireo vahoaka zanak'omby, dia izay miankohoka manatitra anja-bolafotsy aelezo ny olona tia ady
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|49561C7B-250E-46CF-BE34-342009E52A70
31
Ho avy ny tremalahin'i Egypta; Etiopia halaky hananty tanana amin'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|616962BC-874B-4C03-8966-DC590C40745F
32
Ry fanjakana ambonin'ny tany, mihirà ho an'Andriamanitra; mankalazà ny Tompo,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2633A577-444B-46C7-A562-C8C22D8C2DD6
33
Ilay mitaingina ny lanitry ny lanitra izay hatry ny fahagola; Indro, mamoaka ny feony Izy, dia feo mahery.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6D66B92D-5ED2-47F3-8EA2-0AB9AC8DA22C
34
Ekeo ho an'Andriamanitra ny hery; ambonin'ny Isiraely ny voninahiny, ary ny heriny any amin'ny lanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|96503DF4-64A8-42B8-BCCB-08019532AAEE
35
Mahatahotra Hianao, Andriamanitra ô, ao amin'ny fitoeranao masina; Andriamanitry ny Isiraely no manome hery sy tanjaka ho an'ny olona. Isaorana anie Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|05612743-CCEC-4F65-BF58-589DED62AF36
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany