Andininy
Protestanta Malagasy
15
Ny vavako hitory ny fahamarinanao sy ny famonjenao mandrakariva, fa tsy fantatro ny isany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|293AE3EE-6494-43BA-8F08-103BA8878974
16
Ho entiko ny asa lehibe nataon'i Jehovah Tompo; hampahatsiaro ny fahamarinanao aho, dia ny Anao ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7F95D100-60A9-4CA9-A4FA-A80D0C2C1413
17
Andriamanitra ô, Hianao efa nampianatra ahy hatry ny fony aho mbola tanora; ary mandraka ankehitriny dia nitory ny fahagaganao aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|02F07568-2211-405C-A9EB-6365A7812FAB
18
Koa mandra-pahantitro sy fotsy volo, dia aza mahafoy ahy, Andriamanitra ô, mandra-pilazako ny sandrinao amin'ny taranaka sy ny asanao lehibe amin'izay rehetra mbola ho avy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|61AB79A5-FEE6-487F-ADDA-186F7D603B14
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany