Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ho an'ny mpiventy hira. Al-tasheth. Salamo nataon'i Asafa. Tonon-kira. Hisaoranay Hianao, Andriamanitra ô; eny, hisaoranay Hianao; fa akaiky ny anaranao; mitory ny fahagagana ataonao ny olona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|55751852-68DC-4BDB-9E95-87CC21749AC1
2
Fa ho avy tokoa amin'ny fotoana Aho; eny, Izaho no hitsara marina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B146BE78-B637-4562-A123-8CA2DBF5213E
3
Mihorohoro ny tany sy ny mponina rehetra eo aminy, nefa Izaho no nanorina ny andriny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1BB14BFB-D7FC-48EE-9237-3B2BF9D27D69
4
Hoy izaho tamin'ny mpirehareha: aza mirehareha*, ary tamin'ny ratsy fanahy: aza manandra-tandroka;[Na: Hoy izaho tamin'ny adala: Aza manao adala]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0A2345BE-3A07-4AF8-A3A3-EEB6C3C7B59F
5
Aza manandratra ny tandrokareo ho avo; ary aza miteny sahisahy amin'ny fahamafian-katoka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FA34F220-6E45-44A0-ACDD-56685BA35CEC
6
Fa tsy avy any atsinanana, na avy any andrefana, na avy any atsimo, ny fisandratana*.[Na: Na avy amin'ny efitra ny tendrombohitra no ihavian'ny fitsarana]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D48F8B4E-5CCA-4C66-BFDB-3BFBF50E375D
7
Fa Andriamanitra no Mpitsara; mampietry ny anankiray Izy ary manandratra ny anankiray kosa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|531F540B-162B-41E4-8E5D-F05371422DF8
8
Fa misy kapoaka eo an-tànan'i Jehovah, feno divay mandroatra* miharoharo zavatra iny, ka ampisotroany; eny, ny ratsy fanahy rehetra amin'ny tany dia hitroka ny faikany.[Na: mena]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|090B9C36-1B45-48A7-A742-E811FB2A50F0
9
Fa izaho hanambara izany mandrakizay, ka hankalaza an'Andriamanitr'i Jakoba.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|384A74AB-0093-41A8-B307-996F72607641
10
Ary ny tandroky ny ratsy fanahy rehetra hotapahiko; fa ny tandroky ny marina kosa no hasandratra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D747DC49-F665-4EF9-B414-E55EA028C54E
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany