Andininy
Protestanta Malagasy
13
Ary dia milaza amin'ny Zanak'Isiraely hianao hoe: Ny Sabatako no tandremo; fa famantarana ho amiko, sy ho aminareo hatramin'ny taranakareo fara mandimby izany, mba ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Izay manamasina anareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|709DC36A-6E19-4E20-885D-8A231F52100F
14
Koa tandremo ny Sabata, fa masina aminareo izany; izay tsy manamasina azy dia hatao maty tokoa, fa izay rehetra manao raharaha amin'izany dia hofongorana tsy ho amin'ny fireneny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F186F115-DD93-4F93-B405-F2E8CB8CDDD0
15
Henemana no hanaovana raharaha; fa ny andro fahafito dia tena fitsaharana ka masina ho an'i Jehovah: izay rehetra manao raharaha amin'ny andro Sabata dia hatao maty tokoa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7E13B205-D322-4FB3-8B48-E1D1BC396017
16
Dia hotandreman'ny Zanak'Isiraely ny Sabata hankatoavany azy hatramin'ny taranany fara mandimby, dia fanekena mandrakizay izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3A1529DD-DB42-429B-A1DD-228A94DB39F8
17
Ho famantarana amiko sy amin'ny Zanak'Isiraely mandrakizay izany; fa tamin'ny henemana no nanaovan'i Jehovah ny lanitra sy ny tany, ary tamin'ny andro fahafito dia nitsahatra Izy ka niala sasatra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D17802E5-67A5-4110-AB5C-2F52C5131A15
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany