Andininy
Protestanta Malagasy
1
ARY hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Mankanesa ao amin'i Farao hianao, ka lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Hebreo: Alefaso ny oloko hanompo Ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|362C8CEC-15BF-4A75-8F0C-F471124A4BDF
2
Fa raha mandà ka tsy mandefa azy hianao, fa mbola mihazona azy ihany,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4D2082D0-440F-4C2D-B9A8-3B8ED9CABADE
3
dia, indro, ny tànan'i Jehovah ho amin'ny bibinao izay any an-tsaha, dia amin'ny soavaly sy amin'ny boriky sy amin'ny rameva sy amin'ny omby ary amin'ny ondry aman-osy, ka hisy areti-mandringana mafy indrindra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|423518D1-F37E-4A24-AC5E-C84A33E77F8E
4
Ary Jehovah dia hanavaka ny bibin'ny Isiraely amin'ny bibin'ny Egyptiana, ka tsy hisy maty izay rehetra an'ny Zanak'Isiraely na dia iray aza.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8A9423AA-5B6C-4874-8AF0-52D5F7CCD4DE
5
Dia nanendry fotoan'andro Jehovah ka nanao hoe: Rahampitso no hanaovan'i Jehovah izany zavatra izany eto amin'ny tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|41E8E65D-2200-433B-AC32-744A1894D050
6
Ary nony ampitso dia nataon'i Jehovah izany zavatra izany; ka maty avokoa ny bibin'ny Egyptiana rehetra; fa ny bibin'ny Zanak'Isiraely kosa tsy mba nisy maty na dia iray akory aza.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|357F8B67-0261-470B-8C22-A0FEFDE96300
7
Dia naniraka Farao, ka, indro, tsy mba nisy maty ny blbin'ny Zanak'Isiraely na dia iray akory aza, nefa nihamafy ny fon'i Farao, ka tsy nandefa ny olona izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4CB316D9-4FE1-44D1-9CF6-EDD4E143693B
8
ARY hoy Jehovah tamin'i Mosesy sy Arona: Mangalà lavenona amin'ny tànanao ao amin'ny lafaoro lehibe, ary aoka hatopin'i Mosesy miakatra manandrify ny lanitra eo imason'i Farao izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A14785B3-EE97-4EAE-B851-E5DB7F05C69B
9
Dia hitora-jofo eran'ny tany Egypta rehetra izany ka ho tonga vay mipoipoitra amin'ny olona sy amin'ny biby fiompy eran'ny tany Egypta rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4F94C147-A730-4957-B80D-EFC51958F32E
10
Dia naka lavenona tamin'ny lafaoro lehibe izy roa lahy ka nitsangana teo anatrehan'i Farao; dia natopin'i Mosesy niakatra nanandrify ny lanitra izany, ka dia tonga vay nipoipoitra tamin'ny olona sy tamin'ny biby fiompy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3FB16455-0D54-4378-BE91-F456AF186E92
11
Ary ny ombiasy tsy nahajanona teo anatrehan'i Mosesy noho ny vay; fa ny vay dia nahazo ny ombiasy mbamin'ny Egyptiana rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7FA82C58-5C23-4DB1-B153-F0146D7DCE21
12
Nefa Jehovah dia nanamafy ny fon'i Farao, ka tsy nihaino azy mirahalahy izy, dia araka izay efa nolazain'i Jehovah tamin'i Mosesy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3B7981EC-309E-4DBD-A3F4-EF0125A5D0BF
13
ARY hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Mifohaza maraina koa hianao dia mitsangana eo anatrehan'i Farao, ka lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Hebreo: Alefaso ny oloko hanompo Ahy
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7981B60D-0347-4B72-A57B-F038E50A8EDC
14
Fa ankehitriny izao dia halefako ny areti-mandringana rehetra avy aty amiko hamely ny fonao sy ny mpanomponao ary ny vahoakanao, mba hahafantaranao fa tsy misy tahaka Ahy amin'ny tany rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0ADFC6E5-0655-40F5-901D-ABEDA31020A6
15
Fa ankehitriny, raha izay Aho no naninjitra ny tànako hamely anao sy ny vahoakanao amin'ny areti-mandringana, dia efa fongotra tamin'ny tany hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2E7F3D95-1B49-475C-A256-889FEC5B6B43
16
Kanefa izao indrindra no nampaharetako anao, dia ny hampahita anao ny heriko mba hambara any amin'ny tany rehetra ny anarako.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6FEEEC7A-DB0A-4AF5-962B-27651B1DA05B
17
Mbola mirehareha amin'ny oloko ihany va hianao ka tsy handefa azy?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DFC50A01-F179-42BF-B408-351290267DCE
18
Indro, rahampitso toy izao dia hampilatsaka havandra be dia be Aho, izay tsy mbola nisy toy izany teto Egypta hatramin'ny andro nisiany mponina ka mandraka ankehitriny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2F5B5F77-6375-4F6A-B5B2-76DF89924754
19
Koa ankehitriny, maniraha mba hanangona faingana ny bibinao sy izay rehetra anananao any an-tsaha; fa ny olona rehetra sy ny biby fiompy izay ho hita any an-tsaha ka tsy ho enti-mody dia hilatsahan'ny havandra ka ho faty avokoa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8875366B-EFB1-4395-8611-4BAC3186AB5E
20
Ary izay natahotra ny tenin'i Jehovah teo amin'ny mpanompon'i Farao dia nampody ny mpanompony sy ny bibiny ho any an-trano;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|85F58EEC-C184-4565-9D98-1D7B844A6A66
21
fa izay tsy nandatsaka am-po ny tenin'i Jehovah kosa dia namela ny mpanompony sy ny bibiny tany an-tsaha ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0C9D52A4-7CFA-4F0F-974D-398C841FB644
22
Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Ahinjiro manandrify ny lanitra ny tànanao, dia hisy havandra hilatsaka amin'ny tany Egypta rehetra, dia amin'ny olona sy amin'ny biby fiompy ary amin'ny anana rehetra any an-tsaha eran'ny tany Egypta.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|131D2E02-9720-4E0D-86DE-6526DE78C82E
23
Dia nahinjitr'i Mosesy manandrify ny lanitra ny tehiny; ary Jehovah nanisy kotrokorana sy havandra, ary nisy afo nifanaretsadretsaka teny ambonin'ny tany; ary Jehovah nandatsaka havandra tamin'ny tany Egypta.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|02D20807-0381-4CBA-A56A-8EC078187EA5
24
Dia nisy havandra sy afo nifandrambondrambona tanelanelan'ny havandra; dia mafy indrindra izany, ka tsy mbola nisy toy izany tany amin'ny tany Egypta rehetra hatrizay naha-firenena azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|505E9D36-DCC7-4C0A-A045-336C8E1D1DB6
25
Ary ny havandra namely izay rehetra tany an-tsaha, na olona na biby fiompy, eran'ny tany Egypta rehetra; ny anana rehetra tany an-tsaha dia nasian'ny havandra koa, ary ny hazo rehetra tany an-tsaha notapatapahiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|72940B95-F68F-4732-BE6C-429F3FC2FE95
26
Fa tao amin'ny tany Gosena izay nitoeran'ny Zanak'Isiraely ihany no tsy mba nisy havandra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1256DAA5-384D-4182-BE3D-790CCD7175BA
27
Dia naniraka Farao nampaka an'i Mosesy sy Arona ka nanao taminy hoe: Efa nanota aho tamin'izao, ka Jehovah no marina, fa izaho sy ny vahoakako no meloka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A0DE0E74-EFD4-457B-807C-F0822E395E1C
28
Mangataha amin'i Jehovah, fa aoka izay ny kotrokorana sy ny havandra, dia halefako tsy hitoetra eto intsony hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|58DB0948-261F-4A41-A072-499CC568521F
29
Ary hoy Mosesy taminy: Raha vao mivoaka amin'ny tanàna aho, dia hamelatra ny tànako amin'i Jehovah; koa dia hitsahatra ny kotrokorana, ary ny havandra dia tsy hisy intsony, mba hahafantaranao fa an'i Jehovah ny tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C5293DCF-562E-4D39-A181-325E99F73EB5
30
Kanefa fantatro fa hianao sy ny mpanomponao dia tsy mbola hatahotra an'i Jehovah Andriamanitra ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8F17F090-25C3-420F-B0AB-4B99392BB153
31
Ary efa naripaka ny rongony sy ny vary hordea; fa efa niteraka ny vary hordea, ary efa namony ny rongony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BE556707-DD59-42C7-AB3D-1CB784C17FC3
32
Fa ny vary tritika sy ny ampemby no tsy mba naripaka, satria mbola fohy ireny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1B71AE2A-B79B-4C6E-900B-8DE1B33E0395
33
Ary Mosesy niala teo amin'i Farao ka nankeo ivelan'ny tanàna, dia namelatra ny tànany tamin'i Jehovah, ka dia nitsahatra ny kotrokorana sy ny havandra, ary tsy nisy ranonorana nilatsaka tamin'ny tany intsony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A3DD98BA-683F-4B1F-A80C-576D30F56F4A
34
Ary nony hitan'i Farao fa nitsahatra ny ranonorana sy ny havandra ary ny kotrokorana, dia mbola nanota ihany indray izy; ary samy nanamafy ny fony izy sy ny mpanompony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|76ACD5C4-A407-410D-B2DD-7C9F1D406692
35
Dia nihamafy ny fon'i Farao ka tsy mba nandefa ny Zanak'Isiraely izy, araka izay efa nampilazain'i Jehovah an'i Mosesy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6342E4CE-6286-4E55-BA8E-F201671E6C55
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany