Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ny ratsy fanahy mandositra, na dia tsy misy manenjika aza; Fa ny marina kosa dia matoky toy ny liona tanora.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DEB6A286-7E34-4D06-8D07-49269C928C52
2
Ny fahotan'[fikomian'.] ny tany mahamaro mpanapaka; Fa ny fisian'ny olona manan-tsaina [Na: manan-tsaina sady mahalala rariny.] kosa no mampahateza ny fanjakana. [Na: Fa noho ny manan-tsaina no haharetan'ny fahamarinana.]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B5CDF57E-BA8F-42E0-9E5E-596F14363705
3
Ny malahelo izay mampahory ny mahantra Dia toy ny ranonorana izay manindao ka tsy maha-misy hanina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BF055287-06B7-4537-8E74-884F0B6484A9
4
Izay mahafoy ny lalàna dia mandoka ny ratsy fanahy; Fa izay mitandrina ny lalàna dia mirehitra amin'ny fanoherana azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|697A05ED-0941-41FA-A3A9-366FB55467EA
5
Ny ratsy fanahy dia tsy mahalala rariny; Fa izay mitady an'i Jehovah no mahalala ny zavatra rehetra:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9F0EC804-4062-40A6-946D-8FCB7C05D14F
6
Ny malahelo izay mandeha amin'ny fahitsiany Dia tsara noho ny manan-karena izay mivadika ka mandeha amin'ny làlana miolikolika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|100CD6DA-C0DE-4CE3-9DB8-E19587C6994F
7
Izay mitandrina ny lalàna no zanaka hendry; Fa izay misakaiza amin'ny mpandany harena dia manome henatra ny rainy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E09D3ECE-93BB-4C0A-8927-47E2482B757E
8
Izay mampitombo ny fananany amin'ny zana-bola sy ny tombony Dia mamory ho an'izay miantra ny malahelo
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|38A9C33B-0A54-4CE5-A7BE-9B4EBCA521F8
9
Izay manentsin-tadìny tsy hihaino ny lalàna, Na ny fivavahany aza dia fahavetavetana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|78154A1E-09A5-42D0-9E97-2AF43AADB130
10
Izay mampivily ny mahitsy ho amin'ny làlan-dratsy Dia ho lavo amin'ny lavaka nataony; Fa ny tsy misy tsiny no handova ny soa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|94AE5901-DCCB-4440-8293-B21EC2589C84
11
Ny manan-karena manao azy ho hendry; Fa ny malahelo izay manan-tsaina dia hizaha toetra azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|17643E26-A9AC-40DC-962C-F8A09FF5C032
12
Raha ravoravo ny marina, dia be ny famirapiratana; Fa raha misandratra [Na. mitsangana.] kosa ny ratsy fanahy, dia miery ny vahoaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|490335FD-9D88-4A9B-A6D4-889116F2F22F
13
Izay manafina ny fahotany tsy hambinina; Fa izay mitsotra ka mahafoy azy no hahazo famindrampo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|509C3699-5FB9-419B-99F8-6EF5E4BBE274
14
Sambatra izay olona matahotra mandrakariva; Fa izay manamafy ny fony no hidiran-doza.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6E3331EA-AE14-4D41-8B61-5E88C566C5CF
15
Liona mierona sy bera miremby Ny mpanapaka ratsy fanahy amin'ny olona reraka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EC839027-98E7-41A1-B952-B43190337EC6
16
Ny mpanapaka tsy ampy saina dia mahery mampahory; Izay mankahala ny fieremana no ho ela velona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F1230899-C64B-4AE0-B744-FE41B60E9A09
17
Izay itambesaran-keloka noho ny fandatsahan-dra dia handositra hatrany an-davaka; Aoka tsy hisy hihazona azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FCD2B744-B302-4146-9E1D-BEFDE88D1CDA
18
Izay mandeha tsy misy tsiny no ho voavonjy; Fa izay mivadika ka mandeha amin'ny làlana miolikolika no ho lavo tampoka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2965C88F-7415-459A-B97A-07741B5DC315
19
Izay miasa ny taniny dia ho voky hanina; Fa izay manaraka ny olom-poana [Na: ny zava-poana.] ho voky alahelo kosa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0141407D-78E9-4924-A435-A053A07EC76B
20
Izay olona mahatoky tokoa dia ho be fitahiana; Fa izay maimay ta-hanan-karena dia tsy maintsy hohelohina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6B2E64A1-8F95-49D2-A6D7-BF461A93CFDD
21
Tsy mety raha mizaha tavan'olona; Kanefa na dia amin'ny sombin-kanina ihany aza dia sahin'ny olona hanotana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|89176448-50B4-4A0D-9951-B2124772DDD5
22
Ny mpialona dia maimay ta-hanan-karena; Tsy fantany fa hanjo azy ny alahelo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0E01F42E-1DE9-43A5-89EA-0DB3F2895628
23
Izay mananatra olona no hahazo fitia be rahatrizay Noho izay mandrobo amin'ny lelany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|63B93604-2DFE-4E7C-BFF5-14D059AFD9AD
24
Izay mandroba ray sy reny Ka manao hoe: Tsy heloka ihany, Dia naman'ny mpanimba.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0C88E520-CF33-4E71-9860-A47A2FE63F95
25
Izay mierina [Na: miavonavona am-po.] manetsika ady; Fa izay matoky an'i Jehovah dia hohatavezina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BBA3180C-9694-45BF-AC34-0831C4F80723
26
Izay matoky ny fony dia adala; Fa izay mandeha amin'ny fahendrena no ho afa-miala.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ECC943FF-D4E8-41C7-83CA-A1235F00DB1A
27
Izay manome ny malahelo tsy hanan-java-mahory; Fa izay mitampi-maso hahazo ozona be;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|12AA4438-AED4-4104-8B59-8EE44F9E6FD2
28
Raha misandratra [Na: mitsangana.] ny ratsy fanahy, dia miery ny vahoaka; Fa raha ringana kosa izy, dia mihamaro ny marina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9707CC84-1A5E-4A3F-9859-ED4E72BE8631
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany