Andininy
Protestanta Malagasy
1
ANAKA, tandremo ny fahendreko, Ary atongilano ny sofinao ho amin'ny fahalalako,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|45408E5F-1F29-41F9-87E3-BC01E7837DC6
2
Hiheveranao tsara ny fisainana mazava Sy hitandreman'ny molotrao ny fahalalana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F9CE1E04-355E-4C79-8325-DA53F681BD59
3
Fa ny molotry ny vehivavy jejo [Heb. vehivavy tsy vadiny.] dia mitete toy ny tantely avy amin'ny tohotra, Ary ny vavany dia malama noho ny diloilo;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F62D1CF1-45DA-4B1C-897C-D07CA8E9A607
4
Nefa ny farany mangidy tahaka ny hazo mahafaty Ary maranitra hoatra ny sabatra roa lela.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A1B6A64A-D32D-4106-8C84-B11B865D96EE
5
Ny tongony midina ho any amin'ny fahafatesana, Ary ny diany mizotra ho any amin'ny fiainan-tsi-hita. [Heb. Sheola.]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BEAF0814-6C26-4FA6-BB7A-0CF9EA0EAFA3
6
Tsy mahazo mandia ny làlan'aina mihitsy izy, Fa manjenjena, ka tsy fantany akory izay halehany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|04F6BB98-6C1D-48B8-AF73-97D9C3EF4C93
7
Koa mihainoa ahy, ry zanaka, Ary aza miala amin'ny teny aloaky ny vavako.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6EECF8E8-C530-4C5E-8FBC-5DDAF7D81463
8
Ampanalaviro azy ny alehanao, Ary aza manakaiky ny varavaran'ny tranony;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0B42FFDF-9271-46E8-8305-84534FBAF2E8
9
Fandrao omenao ho an'ny sasany ny voninahitrao, Ary ny taonanao ho an'izay lozabe;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D0C6CC6C-E84F-4E30-B11A-1C42BA422D93
10
Fandrao hivokisan'ny vahiny ny fanananao; Ary izay nisasaranao ho tonga ao an-tranon'ny vahiny;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4D2C6F25-E5E3-4C81-881E-FF20CE07A290
11
Ka dia hitoloko hianao any am-parany, Raha mihalevona ny nofonao sy ny tenanao;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|73B45435-5DEF-411A-8E6B-72798243D40D
12
Dia hanao hoe hianao: Nahoana re no nankahala famaizana aho? Ary nahoana no naniratsira fanaranana ny foko,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E5FF6AB8-6F39-4C6C-99D4-6E878B448A85
13
Ka tsy nihaino ny tenin'ny mpanoro hevitra ahy, Ary tsy nanongilana ny sofiko hihaino ny mpampianatra ahy?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|175B8B94-7A24-426A-A26A-DABADEF520BF
14
Efa saiky azon'ny ratsy rehetra aho Tao amin'ny fiangonana sy ny fivoriana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BC9897CD-6055-4AFA-A410-4BA8B627EB7D
15
Misotroa rano avy amin'ny lavaka famorian-dranonao ihany Sy rano miboiboika avy amin'ny fantsakanao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EECF3647-E9C5-4ABF-BE7B-77719902D29D
16
Hipasaka eny ivelany va ny rano avy amin'ny loharanonao, Ary eny an-dàlambe ny rano velonao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D01646F7-6733-45B0-9BA5-1D17FDAE115D
17
Aoka ho anao irery ihany izany, Fa aza iombonana amin'ny hafa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|98F7A0C9-2827-4E46-9556-CA590F20701A
18
Aoka hotahina ny loharanonao, Ary mifalia amin'ny vadin'ny fahatanoranao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A1C1A750-EB8B-4514-8198-786FE9E89894
19
Fa dieravavy mahate-ho-tia sy osi-dia tsara bika izy, Dia aoka ny tratrany no hahafeno fifaliana anao mandrakariva, Ary aoka ho feno faharavoravoana làlandava amin'ny fitiavany hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E6CADD64-AE84-4E17-B02E-3113A835684A
20
Nahoana hianao, anaka, no ho renoka amin'ny fitiavana vehivavy jejo [Heb. vehivavy tsy vadiny.] Ka hanohona ny tratran'ny vahiny janga?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|372D99CC-47A3-4B03-A7AF-D0A742815511
21
Fa eo imason'i Jehovah ny alehan'ny olona, Ary ny diany rehetra dia dinihiny avokoa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|27442A7D-F714-4F0F-9793-FE7F92C9A441
22
Ny heloky ny ratsy fanahy dia mahazo ny tenany ihany, Ary ny kofehin'ny fahotany no itanana azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5E24B79C-C943-4521-B1FF-A2283859D182
23
Maty noho ny tsi-fahazoany famaizana izy, Eny, mikorapaka noho ny haben'ny fahadalany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8FA4A077-1EB1-4D57-A722-7268E4D170D6
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany