Andininy
Protestanta Malagasy
1
ANAKA, raha niantoka ny namanao hianao Ary nandray tànana hiantoka ny hafa,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|89AEEAA7-944B-499B-A53B-911E2DC88399
2
Ka voafandriky ny teny naloaky ny vavanao hianao Sady voasingotry ny teny naloaky ny vavanao,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A6D4512F-0F79-40E4-8501-478E9A8E063E
3
Dia izao no ataovy, anaka, ka afaho ny tenanao Satria efa mby eo an-tànan'ny namanao hianao) Andeha mihohoka sy mifona mafy amin'ny namanao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9FDB25AC-8B13-456D-B85F-BBC7F804F935
4
Aza avela hatory akory ny masonao, Ary aza avela hilondolondo ny hodimasonao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F58B91A8-D932-4995-B131-C5AEAAEDA492
5
Afaho ny tenanao toy ny gazela [Izahao 2 Sam. ii. 18.] miala amin'izay mihazona azy, Ary toy ny voron-kely miala amin'ny tànan'ny mpamandrika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|946C8D4F-8B6D-4AA9-972D-5A215DDAE56E
6
Mandehana any amin'ny vitsika, ry ilay malaina; Diniho ny fanaony, ka mba hendre;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1EA40DC6-3FA3-4215-9248-1693DD7C4385
7
Tsy manana komandy ireny, Na mpifehy, na mpanapaka,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E6AC4B4C-AF46-4888-AA50-BB2E4D4B4440
8
Nefa mamory ny haniny raha fahavaratra izy, Ary manangona ny fihinany amin'ny fararano.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3EE23184-3EEF-4EB5-B602-163269EAC2BE
9
Mandra-pahoviana no mbola handry ihany hianao, ry ilay malaina? Rahoviana no hifoha amin'ny torimasonao hianao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D14DD438-5C95-474F-A80C-D5D8D032B3E4
10
Mbola hatory kely ihany, mbola ho renoka kely ihany, Ary mbola hanohon-tànana kely hatory,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6C513848-DEFD-4CFE-949E-81CBD60819D8
11
Dia ho tonga toy ny lehilahy mimaona hamely ny alahelonao, Ary ny fahantranao ho toy ny jiolahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F509A17D-DEF7-419B-8C37-C8DC71D78491
12
Ny olona tena ratsy fanahy sy mpanao ratsy Dia ilay mandehandeha manao vava ratsy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|06E40F4C-5F98-4511-9FEC-6A636B13D9BE
13
Izay mamì-maso sy manao famantarana amin'ny tongony Ary manao baiko amin'ny rantsan-tànany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A9843BF9-CF92-4CC1-88C3-3612E77ED776
14
Fahafetsena no ao am-pony, Mihevi-dratsy mandrakariva izy Sady mamafy ady.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|98AD2ECE-483D-40A8-BCC8-8C36160409CA
15
Ary noho izany dia ho avy tampoka kosa ny loza hanjo azy; Ho torotoro tampoka izy, ka tsy hisy fahasitranana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|360AA507-33CD-4B50-9591-CF4CB63CF6AA
16
Izao enina izao no halan'i Jehovah, Eny, fito no ataony ho fahavetavetana
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|05E7795E-57DE-4223-BF88-91405C143E44
17
Ny maso miavonavona, ny lela fandainga, Ary ny tànana mandatsa-dra marina,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4B7855F8-9369-4C13-882C-182467FCFB6B
18
Ny fo mamoron-tsain-dratsy, Ny tongotra malaky mihazakazaka hanao ratsy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CAC16852-433C-4DE5-A176-78CA0644F0E4
19
Ny mamoaka lainga ho vavolombelona tsy marina, Ary ny mamafy ady ao amin'ny rahalahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6AE494C9-830F-4A11-9B05-8F60E214CF63
20
ANAKA, tandremo ny didin-drainao, Ary aza mahafoy ny lalàn-dreninao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E5EFD920-6039-4FA1-A08A-0C73AC81FD69
21
Afatory amin'ny fonao mandrakariva ireo, Ary afehezo eo am-bozonao,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5D02B8E6-B3C2-4438-BF83-8E6B4A7EED3A
22
Raha mandeha hianao, dia hitari-dàlana anao ireo; Raha mandry hianao, dia hiambina anao; Ary raha mifoha hianao, dia hamelona eritreritra anao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8F68F11B-FBF9-4B3D-9ECB-8CCD17AE43E4
23
Fa jiro ny didy, ary fanazavana ny lalàna, Ary làlan'aina ny anatra famaizana,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3C23DBC4-B92F-4F1D-863B-80BD85C10B04
24
Hiarovana anao amin'ny vehivavy ratsy fanahy, Ary amin'ny fandroboan'ny lelan'ny vahiny janga. [Heb. lelam-bahiny]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F585CAE9-DCF7-475B-AB0E-7E17735DADD1
25
Aoka ny fonao tsy haniry ny hatsaran-tarehiny; Ary aoka tsy hahazo anao amin'ny hodi-masony izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|675CD9DC-03C1-4AB1-B4BE-877CB7BB4B23
26
Fa noho ny vehivavy mpijangajanga no mila tsy hananan'ny lehilahy sombi-mofo, Ary ny amin'ny vadin'ny olona no mihaza ny aina soa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4E4F6B9D-294A-4A2F-99CD-C81E89491665
27
Mahatondra afo ao an-tratran'akanjony va ny olona, Ka tsy ho may ny akanjony?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|51D98210-8C24-418C-B53E-4A4DFB121B24
28
Misy mahadia vain'afo va, Ka tsy ho may ny tongony?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|58137EE0-8A26-4E55-A5CD-4B7314315376
29
Dia toy izany izay mankamin'ny vadin'ny namany; Tsy maintsy hampijalina izay mikasika azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E9E7B251-B342-4922-81FC-75865724B75C
30
Tsy avelan'ny olona ho afa-maina ny mpangalatra, Raha maka zavatra hahavoky ny tenany izy, na dia noana aza;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|25DEAD9F-D1E9-4DF1-9212-C9421A2BE9DB
31
Fa [Na: Ny olona tsy manome tsiny ny mpangalatra, raha maka zavatra hahavoky ny tenany izy satria noana; Nefa] raha azo izy, dia hampanoneriny fito heny Ka hanome ny fananana rehetra ao an-tranony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9E7C69C8-9B24-4EC6-B75B-3BBA861F87A6
32
Izay mijangajanga amin'ny vehivavy dia tsy ampy saina; Izay ta-hanimba tena no manao izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B4504A6F-B36E-4205-9E95-EE924F517682
33
Voakapoka sy afa-baraka izy Ary tsy ho afaka amin'ny tondro-molotra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A5B3F7EF-AA16-4BD3-AB89-8402D95B2AEE
34
Fa ny fahasaro-piaro dia mampirehitra ny fahatezeran-dehilahy, Koa tsy hamindra fo izy amin'ny andro hamaliany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|95CE2EC4-C30A-4B10-B89C-C87C699648B5
35
Tsy handray vola ho enti-manalady [Heb. avotra.] akory izy, Ary tsy hety, na dia omenao fanambatambazana be aza.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|90CB0C3A-48E3-47C3-AF03-3BBBD538BD63
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany