Andininy
Protestanta Malagasy
1
NY fahendrena efa manao ny tranony; Efa nipaika ny andriny fito izy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|76C5487A-A36F-4915-9E2E-01CA23E47561
2
Efa namono ny bibiny sy nangaroharo ny divainy izy Ary efa namelatra ny latabany koa;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0C34C4C4-EB9F-4865-8CA5-489F89897512
3
Ary efa naniraka ny ankizivaviny izy; Miantso eny an-tampon'ny fitoerana avo any an-tanàna izy ka manao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B6047337-94E6-412F-8862-DCF27A3B2341
4
Izay kely saina, dia aoka izy hankaty; Ary amin'izay tsy ampy saina dia hoy izy:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C368CED6-6E02-49B9-88BE-AD554E030F54
5
Avia, hano ny mofoko, Ary sotroy ny divay voaharoharoko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9B051B22-366A-4592-8696-2ED51B2AB948
6
Ilaozy ny [Na: Mitsahara, ry] kely saina, dia ho velona hianao, Ary mizora amin'ny làlan'ny fahalalana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4CDD9D01-5D8F-4812-BB45-AD44235E3219
7
Izay mananatra ny mpaniratsira dia afa-baraka; Ary izay mananatra ny ratsy fanahy dia hahazo tsiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A131CFB4-27BE-44F0-8E59-F4A550E464F1
8
Aza mananatra ny mpaniratsira hianao, fandrao halany; Ny hendry no anaro, dia ho tiany hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|592DEE2C-7C4A-4EF9-9330-3D1594BA9F00
9
Toroy ny hendry, dia hihahendry izy; Ampianaro ny marina, dia hitombo saina izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4B8D1158-CBD7-44DF-9F64-10F1D6F3BA2C
10
Ny fahatahorana an'i Jehovah no fiandoham-pahendrena; Ary ny fahafantarana ny Iray Masina no fahazavan-tsaina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E33613D3-0754-449F-A303-99297B498DE2
11
Fa izaho no hampitomboana ny andronao Sy hanamaroana ny taona hiainanao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0B98658C-8563-452A-9C3E-68C28ACA125B
12
Raha hendry hianao, dia hendry ho an'ny tenanao ihany; Fa raha maniratsira kosa hianao, dia hianao ihany no hiharan'izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B8CBAAEF-813F-45A0-8935-D40F484A3BEC
13
Ny fahadalana dia toy ny vehivavy vavana; Kely saina izy ka tsy mahalala na inona na inona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D43625F2-7309-461E-BD58-AE1B39B16CA1
14
Fa mipetraka eo am-baravaran'ny tranony izy, Ary amin'ny seza eny amin'ny fitoerana avo eo an-tanàna,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|928B765A-919D-4D5A-8A99-83E97E26E005
15
Mba hiantso ny mpandalo Izay mizotra amin'ny alehany, ka manao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|05519C53-6919-4FD8-A73F-7B9E2AD8A734
16
Aoka hivily aty izay kely saina; Ary amin'izay tsy ampy saina dia hoy izy:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|87BB05EA-224B-4439-BB72-78D06F9929BB
17
Mamy ny rano angalarina, Ary fy ny mofo hanina amin'ny fiafenana,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0C32AC95-A46B-4DE9-8C67-4E131EA7774D
18
Nefa tsy fantany fa ny maty no ao, Ary any amin'ny halalin'ny fiainan-tsi-hita [Heb. Sheola.] ny olona nasainy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|16ECF51E-0086-4D5B-9D3C-DF6EBA60C2E2
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany